Genesis 38

I taua wa ka maunu atu a Hura I roto i ona tuakana, a peka ana ki tetahi Aturami, ko Hira tona ingoa.
Ary tamin'izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin'ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
A kitea ana e Hura i reira te tamahine a tetahi Kanaani, ko Huaha tona ingoa: na ka tango ia i a ia, a haere ana ki roto, ki a ia.
Ary teo no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kana­nita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.
Na ka hapu ia, a ka whanau he tama; a huaina iho tona ingoa ko Ere:
Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
Na ka hapu ano ia, a ka whanau he tama; a huaina iho tona ingoa ko Onana.
Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
A ka hapu ano ia, a ka whanau he tama; a huaina iho tona ingoa ko Heraha: i Ketipi hoki te tane i tona whanautanga.
Dia nanan'anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany natao­ny hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela.
Na ka tangohia e Hura he wahine ma Ere, ma tana matamua, ko tona ingoa ko Tamara.
Ary Joda naka vady ho an'i Era lahimatoany, Tamara no anarany.
He tangata kino a Ere matamua a Hura ki ta Ihowa titiro; a whakamatea ana ia e Ihowa.
Fa ratsy fanahy teo imason'1 Jehovah Era, lahimatoan'i Joda; dia novonoin'i Jehovah izy.
Na ka mea a Hura ki a Onana, Haere ki roto, ki te wahine a tou tuakana, hei whakakapi mo te whawharua, kia whai uri ai tou tuakana.
Ary hoy Joda tamin'i Onana: Vadio ny vadin'ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.
I mohio ano a Onana e kore e waiho te uri mona; a, i tona haerenga ki te wahine a tona tuakana, na ka tukua e ia kia heke atu ki te whenua, kei hoatu e ia he uri ki tona tuakana.
Ary fantatr'i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin'ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny rahalahiny.
He kino hoki tana mahi ki ta Ihowa titiro: na ka whakamatea hoki ia.
Ary ratsy teo imason'i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
Katahi ka mea a Hura ki a Tamara, ki tana hunaonga, Me noho pouaru koe ki te whare o tou papa, kia kaumatua ra ano a Heraha, taku tama; i mea hoki ia, Kei mate ano hoki tenei, kei pera me ona tuakana. Na ka haere a Tamara, a noho ana i te whare o tona papa.
Ary hoy Joda tamin'i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben'i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
A, ka maha nga ra, ka mate te tamahine a Huaha, te wahine a Hura; a ka marie a Hura, a ka haere raua ko tona hoa ko Hira Aturami ki runga ki Timinata, ki ana kaikutikuti hipi.
Ary rehefa ela, dia maty ny vadin'i Joda, dia ilay zanakavavin'i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon'i Joda, dia niakatra tany amin'ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany.
A ka korerotia ki a Tamara, ka meatia, Ko tou hungawai tenei te haere ake nei ki Timinata, ki te kutikuti i ana hipi.
Dia nisy nanambara tamin'i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
Na ka whakarerea atu e ia ona kakahu pouaru, ka hipoki i a ia ki tona arai, roropi tonu ki a ia, a ka noho i te tomokanga ki Enaima, i te huarahi ki Timinata; i kite hoki ia kua kaumatua a Heraha, a kahore ano ia i hoatu hei wahine mana.
Ary nanaisotra ny akanjony fanaon'ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay eo amin'ny lalana mankany Timna; satria efa hitan'i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen'i Joda ho vadin'i Sela izy.
Na, ka kite a Hura i a ia, hua noa ia he wahine kairau; no te mea i hipokina tona mata.
Ary hitan'i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
Na ka peka ia ki te ara ki a ia, ka mea, Tukua atu ahau, ne? kia haere atu ki a koe; kihai hoki ia i mohio ko tana hunaonga ia. A ka mea ia, He aha tau e homai ai ki ahau, ki te haere mai koe ki ahau?
Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?
A ka mea ia, Ka tukua atu e ahau tetahi kuao koati o te kahui. A ka mea ia, Ka homai ranei e koe tetahi taunaha ki ahau, kia tukua mai ra ano taua mea e koe?
Dia hoy izy: Hampanatitra zanak'osy avy amin'ny ondry aman'osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy?
A ka mea ia, He aha te taunaha e hoatu e ahau ki a koe? Ka mea ia, Ko tou hiri, me au tau, me tau tokotoko i tou ringa. Na ka hoatu e ia ki a ia, a ka haere atu ia ki a ia, a ka hapu ia i a ia.
Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy rave­hivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan'anaka taminy ravehivavy.
Na ka whakatika ia, a haere ana, whakarerea ana e ia tona arai, a kakahuria iho ona kakahu pouaru.
Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon'ny mpitondratena indray.
Na ka hoatu te kuao koati e Hura kia kawea e tona hoa e te Aturami, ki te tiki i te taunaha i te ringa o te wahine; a kihai ia i kitea.
Dia nampitondrain'i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak'osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
A ka ui ia ki nga tangata o taua wahi, ka mea, Kei hea te wahine kairau i Enaima nei i te taha o te ara? A ka mea ratou, Kahore he wahine kairau i konei.
Dia nanontany ny olona teo amin'ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima ? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
Na ka hoki ia ki a Hura, ka mea, Kahore ia i kitea e ahau; e mea ana hoki nga tangata o tera wahi, kahore he wahine kairau i reira.
Dia niverina tany amin'i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain'ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.
Na ka mea a Hura, Tukua kia tangohia e ia, kei tawaia taua: titiro hoki, kua tukua atu nei e ahau te kuao nei, a kihai ia i kitea e koe.
Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak'osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.
A ka toru nga marama, na ka korerotia ki a Hura, ka meatia, Kua kairau a Tamara, tau hunaonga; kua hapu ano hoki ia i ona kairautanga. A ka mea a Hura, Kawea ki waho, kia tahuna.
Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin'i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan'anaka tamin'ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
A, ka kawea ia ki waho, ka tono tangata ia ki tona hungawai, ka mea, Na te tangata nana enei mea toku hapu: i mea ano ia, Tena, tirohia, na wai enei, te hiri nei, me nga tau, me te tokotoko.
Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon'ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon'ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
Na ka mohiotia e Hura, a ka mea ia, Nui atu tona tika i toku; kihai hoki ia i hoatu e ahau ki a Heraha, ki taku tama. A kihai ia i mohio ki a ia i muri iho.
Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin'i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
A ka taka ki te wa e whanau ai ia, na, he mahanga kei roto i tona kopu.
Ary tamin'ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
A, i tona whanautanga, na ka torona te ringa o tetahi: na ka mau te kaiwhakawhanau ki te miro whero, a herea ana ki tona ringa, ka mea, Ko tenei i puta mai i mua.
Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan'ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin'ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
A, i tana whakahokinga atu i tona ringa, na ka puta mai tona tuakana; a ka mea ia, Ka tae tou pakaru mai! nau te pakaru mai: koia i huaina ai tona ingoa ko Parete.
Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.
A muri iho ka puta tona teina, i herea nei tona ringa ki te miro whero: a ka huaina tona ingoa ko Teraha.
Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny tànany; dia natao­ny hoe Zera no anarany.