Genesis 21

Na ka tirohia mai a Hara e Ihowa, ka peratia me tana i korero ai, a rite tonu ki tana kupu ta Ihowa i mea ai ki a Hara.
Ary Jehovah namangy an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha araka ilay efa noteneniny.
Na ka hapu a Hara, a ka whanau he tama ma Aperahama i tona koroheketanga i te wa ano i whakaritea e te Atua ki a ia.
Dia nanan'anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy.
Na ka huaina e Aperahama te ingoa o tana tama i whanau nei mana, i whanau mai nei i a Hara, ko Ihaka.
Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe Isaka.
A, ka waru ona ra, ka kotia e Aperahama a Ihaka, tana tama, ka peratia me ta te Atua i whakahau ai ki a ia.
Dia noforan'i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian'Andriamanitra azy.
A kotahi rua nga tau o Aperahama i te whanautanga o tana tama, o Ihaka.
Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an'i Isaka zanany izy.
Na ka mea a Hara, Kua meinga ahau e te Atua kia kata; a ka kata tahi matou ko nga tangata e rongo mai ana.
Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
A i mea ano ia, Ko wai o mua hei mea ki a Aperahama, tera e whakangote tamariki a Hara? kua whanau nei i ahau he tama mana, i a ia kua koroheketia.
Ary hoy koa izy: Nampoizin'iza akory moa no hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
Na ka tupu te tamaiti ra, a ka whakamutua tana kai u: na ka tukua e Aperahama tetahi hakari nui i te ra i whakamutua ai te ngote u a Ihaka.
Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin'ny andro nanotazana an'Isaka.
A ka kite a Hara i te tama a Hakara, a te wahine o Ihipa, i whanau nei i a raua ko Aperahama, e kata whakahawea ana.
Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak'i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin'i Abrahama.
Na ka mea ia ki a Aperahama, Peia atu tenei pononga me tana tama: e kore rawa te tama a tenei wahine pononga e tu tahi me taku tama, me Ihaka, i nga whakarerenga iho.
Dia hoy izy tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia amin'Isaka.
A ko taua mea he he rawa ki te titiro a Aperahama, ko tana tama hoki ia.
Fa ratsy teo imason'i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin'ny zanany.
Ka mea te Atua ki a Aperahama, Kei kino tena ki tau titiro, kaua e whakaaro ki te tamaiti raua ko tau pononga wahine; engari i nga mea katoa i korero ai a Hara ki a koe, whakarongo atu ki tona reo; kei a Ihaka hoki te karangatanga mo tou uri.
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
Na, ko te tama a te pononga wahine, ka meinga ia e ahau hei iwi, no te mea he uri ia nou.
Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
Na ka maranga wawe a Aperahama i te ata, ka mau ki tetahi taro, ki tetahi taha wai, a hoatu ana e ia ki a Hakara, whakawaha ana ki tona pokohiwi, me te tamaiti hoki, a tonoa atu ana: na ka haere ia, ka kopikopiko i te koraha o Peerehepa.
Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr'i Beri-sheba.
A kau pau te wai i roto i te taha, na whakarerea iho e ia te tamaiti i raro i tetahi rakau iti.
Ary rehefa lany ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza.
Na ka haere ia, a ka noho mai i tawhiti, me te anga nui mai ano ki a ia, he pera te matara me te taunga pere: i mea hoki ia, Kei kite ahau i te matenga o te tamaiti. Na ka noho ia me te aronui mai ki a ia, a ka puaki tona reo, ka tangi.
Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
A i rongo te Atua ki te reo o te tamaiti: a ka karanga mai te anahera a te Atua ki a Hakara i runga i te rangi, ka mea ki a ia, He aha kei a koe, e Hakara? kaua e wehi; kua rongo hoki te Atua ki te reo o te tamaiti i a ia e takoto na.
Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe : Inona izato manjo anao, ry Hagara ? Aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo amin'ny itoerany.
Whakatika, hapainga ake te tamaiti, puritia hoki ki tou ringa; no te mea ka meinga ia e ahau hei iwi nui.
Mitsa­ngana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
Na ka whakatirohia e te Atua ona kanohi, a ka kite ia i tetahi puna wai: na ka haere ia, ka whakaki i te taha ki te wai, a whakainumia ana te tamaiti.
Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
A i noho te Atua ki te tamaiti, a ka tupu ia; i noho ia i te koraha, a ka mohio ki te kopere.
Ary nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
Na ka noho ia ki te koraha o Parana: a ka tikina atu e tona whaea he wahine mana i te whenua o Ihipa.
Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy.
A i taua wa ano ka korero a Apimereke raua ko Pikora, ko te rangatira o tana ope, ki a Aperahama, ka mea, Na kei a koe te Atua i nga mea katoa e mea ai koe:
Ary tamin'izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niteny tamin'i Abrahama ka nanao hoe: Omban'Andriamanitra ianao amin'izay re­hetra ataonao;
Tena oatitia mai te Atua ki ahau, e kore koe e teka ki ahau, ki taku tama, ki te tama ranei a taku tama; engari ka rite ki te aroha i whakaputaina e ahau ki a koe tau mahi ki ahau, ki te whenua ano hoki i noho nei koe.
koa ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin'ny tany izay ivahinianao.
Na ka mea a Aperahama, Ka oati ahau.
Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.
Na ka whakawa a Aperahama i a Apimereke mo tetahi puna wai i murua e nga tangata a Apimereke.
Ary Abrahama nananatra an'i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an-keriny
Na ka mea a Apimereke, Kahore ahau e mohio na wai ranei tenei mahi: kihai hoki koe i korero mai ki ahau, a kihai ahau i rongo, no tenei ra tonu.
Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
Na ka tikina e Aperahama he hipi, he kau, ka hoatu ki a Apimereke; na ka whakarite kawenata raua.
Ary Abrahama naka ondry aman'osy sy omby. ka nomeny an'i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
Na ka wehea e Aperahama ki tahaki e whitu nga reme uha o nga hipi.
Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin'ny ondry.
A ka mea a Apimereke ki a Aperahama, He aha te tikanga o enei reme uha e whitu i wehea nei e koe ki tahaki?
Ary hoy Abimeleka tamin'i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
Ka mea ia, Ko enei reme uha e whitu me tango e koe i toku ringa, kia ai enei mea hei whakaatu maku, naku i keri tenei poka.
Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin'ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
Na reira i huaina ai e ia taua wahi ko Peerehepa; no raua hoki oati ki reira.
Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan'izy roa lahy.
Heoi whakaritea ana e raua te kawenata i Peerehepa: a ka whakatika a Apimereke raua ko Pikora, ko te rangatira o tana ope, a hoki ana ki te whenua o nga Pirihitini.
Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, ka niverina ho any amin'ny tanin'ny Filistina.
Na ka whakatokia e Aperahama he rakau, he tamarihi, ki Peerehepa, a ka karanga i reira ki te ingoa o Ihowa, o te Atua ora tonu.
Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
A ka noho a Aperahama ki te whenua o nga Pirihitini mo nga ra maha.
Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin'ny tanin'ny Filistina.