Ezra 1

Na, i te tau tuatahi o Hairuha kingi o Pahia, he mea kia whakamana ai te kupu a Ihowa, i whakapuakina e Heremaia, ka whakaohokia e Ihowa te wairua o Hairuha kingi o Pahia, a tukua ana e tera tana karanga puta noa i tona kingitanga, i tuhituhi hok i e ia, i mea ia,
Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
Ko te kupu tenei a Hairuha kingi o Pahia, kua oti nga kingitanga katoa o te whenua te homai ki ahau e Ihowa, e te Atua o nga rangi; kua whakahaua mai hoki ahau e ia kia hanga he whare mona ki Hiruharama, ki tera i Hura.
Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
Ahakoa ko wai o koutou o tana iwi katoa, hei a ia tona Atua, a me haere ake ia ki Hiruharama, ki tera i Hura, ki te hanga i te whare o Ihowa, o te Atua o Iharaira, ko ia nei te Atua, kei Hiruharama ano ia.
Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
Na, ko te tangata ka mahue ki te wahi e noho ai ia, ma nga tangata o tona wahi ia e awhina ki te hiriwa, ki te koura, ki te taonga, ki te kararehe, hei tapiri mo nga mea hoatu noa mo te whare o te Atua i Hiruharama.
Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin'izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin'ny fanati-tsitrapo ho an'ny tranon'Andriamanitra, izay any Jerosalema.
Katahi ka whakatika nga upoko o nga whare o nga matua o Hura, o Pineamine, me nga tohunga, me nga Riwaiti, me te hunga katoa i whakaohokia nei o ratou wairua e te Atua, ka mea ki te haere ki te hanga i te whare o Ihowa i Hiruharama.
Dia niainga ny lohan'ny firenen'i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin'Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.
Na, ko nga tangata katoa i o ratou taha, kei te whakakaha i o ratou ringa ki te oko hiriwa, ki te koura, ki te taonga, ki te kararehe, ki te mea utu nui, he mea tapiri ki nga mea homai noa katoa.
Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan'ireo tamin'ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin'izay rehetra nateriny tamin'ny sitrapo.
A i whakaputaina e Kingi Hairuha nga oko o te whare o Ihowa i kawea atu nei e ia ki roto ki te whare o ona atua;
Dia navoak'i Kyrosy mpanjaka ny fanaky ny tranon'i Jehovah, izay efa nalain'i Nebokadnezara tany Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon'ireo andriamaniny.
I whakaputaina enei e Hairuha kingi o Pahia, ara e Mitirerata kaitiaki taonga, taua atu ana e ia ki a Hehepatara rangatira o Hura.
Ary Mitredata, mpitahiry ny haren'ny fanjakana, dia nasain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an'i Sesbazara, lehiben'ny firenen'i Joda.
Ko te maha tenei o aua mea: e toru tekau peihana koura, kotahi mano peihana hiriwa, e rua tekau ma iwa maripi;
Ary izao no isany: Lovia volamena telo-polo, lovia volafotsy arivo, antsy sivy amby roa-polo,
E toru tekau nga haka koura, ko nga haka hiriwa, he ahua ke, e wha rau kotahi tekau; ko etahi oko ke, kotahi mano.
kapoaka volamena misarona telo-polo, lovia volafotsy manarakaraka folo amby efa-jato, ary lovia hafa koa arivo;
Ko nga oko katoa, ke nga mea koura, ko nga mea hiriwa, e rima mano e wha rau. Ko enei katoa i kawea atu e Hehepatara i te kawenga o nga whakarau i Papurona ki Hiruharama.
efa-jato amby dimy arivo no isan'ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin'i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin'ny babo izay niverina avy tany Babylona.