Ezekiel 43

Muri iho ka kawea ahau e ia ki te kuwaha, ara ki te kuwaha e anga ana ki te rawhiti.
Ary nentiny ho any amin'ny vavahady aho, dia ilay vavahady manatrika ny atsinanana.
Na, ko te kororia o te Atua o Iharaira e puta mai ana, i te ara ki te rawhiti; ko tona reo rite tonu ki te haruru o nga wai maha: marama tonu te whenua i tona kororia.
Ary, indro, tamy ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon'ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon'ny voninahiny.
Ko tona rite kei te ahua o taku kite i kite ai, ki tera i kite ra ahau i ahau e haere ana ki te whakangaro i te pa; rite tonu hoki nga kite ki taku i kite ai ki te awa, ki Kepara: a takoto tapapa ana ahau.
Ary ny tarehin'ny zavatra hitako dia tahaka ny an'ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny tanàna; ary nisy tahaka ny tarehin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
Na kua tae te kororia o Ihowa ki roto ki te whare; i tika na te ara o te kuwaha e anga ana ki te rawhiti.
Ary ny voninahitr'i Jehovah dia niditra tamin'ny vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano.
Na ka hapainga ake ahau e te wairua, kawea ana e ia ki to roto marae. Na, kua ki te whare i te kororia o Ihowa.
Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin'ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.
I rongo ano ahau i tetahi e korero ana ki ahau i roto i te whare: me te tu ano tetahi tangata ki toku taha.
Dia reko fa nisy niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako.
Na ka mea ia ki ahau; E te tama a te tangata, Ko te wahi tenei i toku torona, ko te wahi ano i nga kapu o oku waewae, ko te wahi e noho nei ahau i waenganui i nga tama a Iharaira a ake ake; e kore ano toku ingoa tapu e whakapokea a muri nei e te whare o Iharaira, e ratou, e o ratou kingi, ki a ratou moepuku, ki nga tinana ranei o o ratou kingi i o ratou wahi tiketike;
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, eto no hitoeran'ny seza fiandrianako sy hitoeran'ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin'ny zanak'Isiraely; ary tsy holotoin'ny taranak'Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin'ny fijangajangany sy amin'ny sampin'ny mpanjakany ao amin'ny fitoerany avo intsony ny anarako masina,
I ta ratou whakanohoanga i to ratou paepae ki te taha o toku paepae, i to ratou pou tatau i te taha o toku pou tatau, a ko te taiepa anake hei wehe i ahau i a ratou; i whakapokea e ratou toku ingoa tapu ki a ratou mea whakarihariha i mahia nei e ratou; no reira pau ake ratou i ahau, i ahau e riri ana.
tamin'ny nametrahany ny tokonam-baravaran'ireny teo anilan'ny tokonam-baravarako sy ny tolan'ireny teo anilan'ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin'ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; ka dia nahalany ringana azy tamin'ny fahatezerako Aho.
Na me wehe atu e ratou o ratou moepuku me nga tinana o o ratou kingi, kia matara atu i ahau, a ka noho ahau ki waenganui i a ratou a ake ake.
Fa amin'izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny sampin' ny mpanjakany, ka dia honina ao aminy mandrakizay Aho.
Ko koe, e te tama a te tangata whakakitea e koe te whare ki te whare o Iharaira, kia whakama ai ratou ki o ratou he; me whanganga hoki e ratou te tauira.
Hianao, ry zanak'olona, asehoy amin'ny taranak'Isiraely ny trano mba hahamenatra azy ny amin'ny helony, ka dia horefesiny ny mari-trano.
A, ki te whakama ratou ki nga mea katoa i mea ai ratou, whakakitea ki a ratou te ahua o te whare, tona whai hanga, ona putanga atu, ona tapokoranga ki roto, ona ahua katoa, ona ritenga katoa, me ona ahua katoa, me ona ture katoa, tuhituhia ano k i to ratou aroaro, kia mau ai i a ratou tona ahua katoa me ona ritenga katoa, kia mahia ai e ratou.
Ary raha menatra ny amin'izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin'ny fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra aminy; koa soraty eo imasony izany, hitandremany ny endriny rehetra ary ny lalàny rehetra ka hanatanterahany izany.
Ko te ture tenei o te whare; ko nga taha katoa i runga i te tihi o te maunga, tapu rawa a tawhio noa. Nana, ko te ture tenei o te whare.
Izao no lalàna amin'ny trano: Ho masina dia ho masina avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon'ny tendrombohitra. Eny, izany no lalana amin'ny trano.
Ko nga roroa enei o te aata, ara ko nga whatianga: he whatianga me te whanui ringa kei roto i te whatianga; a raro he whatianga, ko te whanui he whatianga, ko te taha i te niao he whanganga ringa a tawhio noa: ko te kaupapa tenei o te aata.
Ary izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan'ny alitara.
Na, ko te turanga i runga i te whenua, haere ake ki to raro papa, e rua whatianga; ko te whanui kia kotahi whatianga; ko to te papa i raro tae noa ki te papa nui, e wha whatianga; ko te whanui, kotahi whatianga.
Ary hatramin'ny fara-vodiny eo amin'ny tany ka hatramin'ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatramin'ny rindriny iva ka hatramin'ny rindriny avo dia efatra hakiho; ary ny sakany dia iray hakiho.
Na, ko to runga aata, e wha whatianga; i te takuahi o te aata whakarunga kia wha nga haona.
Ary ny fanambonin'ny alitara dia ho efatra hakiho, ary eo ambonin'ny fatana dia hisy tandroka efatra.
Kia tekau ma rua whatianga te roa o te takuahi o te aata, kia tekau ma rua whatianga te whanui, he tapawha, e wha hoki nga taha.
Roa ambin'ny folo hakiho ny lavan'ny fatana,4 ary roa ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, ary efa-joro sokera izy,
Na, ko te papa, kia tekau ma wha whatianga te roa, kia tekau ma wha ano te whanui o nga taha e wha: ko te niao i te taha hei te hawhe whatianga; ko te turanga, kia kotahi te whatianga a tawhio noa; kia anga ano te pikitanga ki te rawhiti.
Ary ny rindriny dia efatra ambin'ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, amin'ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia manatrika ny atsinanana.
I ki mai ano ia ki ahau, E te tama a te tangata, ko te kupu tenei a te Ariki, a Ihowa, Ko nga tikanga tenei o te aata i te ra e hanga ai hei whakaekenga mo te tahunga tinana, hei tauhiuhi mo te toto.
Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin'ny alitara amin'izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana sy hanopazana rà aminy:
Me hoatu e koe he puru, he kuao, hei whakahere hara ki nga tohunga, ki nga Riwaiti, ki nga uri o Haroko, e whakatata ana ki ahau minita ai, e ai ta te Ariki, ta Ihowa.
Ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia homenao vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo.
Me tango ano e koe tetahi wahi o ona toto, ka pani ki ona haona e wha, ki nga koki e wha o te papa, ki te taha a tawhio noa: na ka purea taua aata e koe, ka meinga kia ma.
Dia hangalanao ny ràny ka hatentinao amin'ny tandrony efatra sy amin'ny zorony efatra amin'ny rindriny ary amin'ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao azy sy hanaovanao fanavotana ho azy.
Me tiki ano te puru, te whakahere hara, a mana e tahu ki te wahi o te whare i whakaritea i waho o te wahi tapu.
Halainao koa ny vantotr'ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana ao amin'ny fitoerana voatendry ao amin'ny trano ivelan'ny fitoerana masina.
Na i te rua o nga ra me whakahere he koati toa, he mea kohakore, hei whakahere hara, a ka purea te aata, ka peratia me ta ratou purenga ki te kau.
Ary amin'ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary hodioviny ny alitara tahaka ny nanadiovany azy tamin'ny vantotr'ombilahy.
Ka oti te pure e koe, me whakahere he kuao puru, he mea kohakore, me tetahi hipi toa o te kahui, hei te mea kohakore.
Ary rehefa vita ny anadiovanao azy, dia hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy tsy misy kilema ianao.
Me whakahere e koe ki te aroaro o Ihowa, mea maka ano e nga tohunga he tote ki runga, ka whakaeke ai hei tahunga tinana ki a Ihowa.
Ary haterinao eo anatrehan'i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
E whitu nga ra e mahia ai e koe he hipi hei whakahere hara i tenei ra, i tenei ra; me mahi ano e ratou he kuao puru me tetahi hipi toa o te kahui, he mea kohakore.
Hafitoana no hanateranao osilahy isan'andro hatao fanatitra noho ny ota sy vantotr'ombilahy sy ondrilahy izay tsy misy kilema.
E whitu nga ra e tahia ai e ratou te poke o te aata, e purea ai; ka pena ta ratou whakatapu i te aata.
Hafitoana no hanaovany fanavotana ho an'ny alitara sy hanadiovany azy ary hanokanany azy.
A ka poto enei ra, na i te waru o nga ra, i o muri iho ano, ka mahia e nga tohunga a koutou tahunga tinana ki runga ki te aata, me a koutou whakahere mo te pai: a ka manako ahau ki a koutou, e ai ta te Ariki, ta Ihowa.
Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka amin'ny andro fahavalo ny hanateran'ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin'ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.