Exodus 4

A Ka whakahoki a Mohi, ka mea, Na, e kore ratou e whakapono ki ahau, e kore hoki e whakarongo ki toku reo; e mea hoki ratou, Kahore a Ihowa i puta mai ki a koe.
Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah.
A ka mea a Ihowa ki a ia, He aha tena i tou ringa? A ka mea ia, He tokotoko.
Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
Na ka mea ia, Maka atu ki te whenua. Na maka ana e ia ki te whenua, na, he nakahi! ko te tino rerenga o Mohi i tona aroaro.
Ary hoy Izy: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.
Ka mea ano a Ihowa ki a Mohi, Totoro atu tou ringa, hopukia i te hiku: ko te toronga atu o tona ringaringa, hopukina iho, na, kua tokotoko ano ki tona ringa.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy
Kia whakapono ai ratou kua puta ki a koe a Ihowa, te Atua o o ratou matua, te Atua o Aperahama, te Atua o Ihaka, te Atua o Hakopa.
mba hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
I mea ano a Ihowa ki a ia, Tena, kuhua tou ringa ki tou uma: a kuhua ana e ia tona ringa ki tona uma; te unuhanga ano, na, kua repera tona ringa, kua rite ki te hukarere.
Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala.
I mea ano ia, Whakahokia ano tou ringa ki tou uma: a whakahokia ana ano e ia tona ringa ki tona uma; a, no te unuhanga i tona uma, na, kua hoki, kua rite ki tona kiri ano.
Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin'ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy).
A, ki te kore ratou e whakapono ki a koe, ki te kore e whakarongo ki te reo o te tohu tuatahi, na, ka whakapono ki te reo o to muri tohu.
Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny feon'ny famantarana aoriana izy.
A, ki te kore ano ratou e whakapono ki enei tohu e rua, ki te kore e whakarongo ki tou reo, utuhia e koe ki te wai o te awa, ka riringi ki te oneone maroke; a, ko te wai e utuhia e koe i te awa, hei toto ki runga ki te whenua maroke.
Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin'ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin'ny tany maina.
Na ka ki a Mohi ki a Ihowa, E toku Ariki, ehara ahau i te pukorero, i mua, i muri ranei i tau korerotanga ki tau pononga; he reo ngoikore hoki toku he arero paremo.
Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
Na ka mea a Ihowa ki a ia, Na wai i hunga te mangai o te tangata? Na wai hoki i mea kia wahangu, kia turi, kia titiro ranei, kia matapo ranei? Ehara koia i ahau, i a Ihowa?
Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
Na, haere, a hei tou waha ahau, ako ai i a koe ki tau e korero ai.
Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
Na ka mea ia, E toku Ariki, mau ra e nga tau e unga ai.
Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.
Na ka mura te riri a Ihowa ki a Mohi; ka mea ia, Ehara ianei a Arona Riwaiti i te tuakana nou? E matau ana ahau he pukorero ia. Ina hoki, na, e haere mai nei ia ki te whakatau i a koe; a, ka kite i a koe, ka koa tona ngakau.
Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
A mau e korero ki a ia, e hoatu nga kupu ki tona waha: a hei tou mangai ahau, hei tona mangai hoki, whakaako ai i a korua ki ta korua e mea ai.
Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
A ko ia hei kaikorero mau ki te iwi; a, ko ia, ina, ka ai ia hei mangai mou, ko koe hoki hei atua ki a ia.
Ary izy hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy.
Maua atu ano tenei tokotoko i tou ringa, e mea ai koe i nga tohu.
Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
Na haere ana a Mohi, hoki ana ki a Ietoro, ki tona hungawai, a ka mea ki a ia, Tukua ahau kia haere, kia hoki ki oku tuakana i Ihipa, kia kite kei te ora ano ranei ratou. A ka mea a Ietoro ki a Mohi, Haere i runga i te pai.
Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin'i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin'ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin'i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
I mea ano a Ihowa ki a Mohi i Miriana, Haere, e hoki ki Ihipa: kua mate katoa hoki nga tangata i whai i a koe kia patua.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao.
Na ka mau a Mohi ki tana wahine ratou ko ana tama, a whakanohoia ana ki runga ki te kaihe, a hoki ana ki te whenua o Ihipa: i tango ano a Mohi i te tokotoko a te Atua ki tona ringa.
Dia nalain'i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay tehin'Andriamanitra.
I mea ano a Ihowa ki a Mohi, E haere koe, e hoki ki Ihipa, kia mahara kia meatia ki te aroaro o Parao ena merekara katoa kua hoatu na e ahau ki tou ringa: otiia maku e whakapakeke tona ngakau, kia kore ai ia e tuku i te iwi.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan'i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
A ka mea koe ki a Parao, Ko te kupu tenei a Ihowa, Ko Iharaira taku tama, taku matamua:
Ary lazao amin'i Farao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
Ko taku kupu ano tenei ki a koe, Tukua taku tama kia mahi ki ahau: a ki te kore koe e rongo ki te tuku i a ia, na, ka patua e ahau tau tama, tau matamua.
koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.
A i a ratou i te whare tira i te ara, na pono pu a Ihowa ki a ia, a ka whai i a ia kia whakamatea.
Ary nony tany an-dalana tao amin'ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.
A ka tango a Hipora i tetahi kohatu koi, a kotia iho te kiri matamata o tana tama, na whakapakia ana e ia ki ona waewae, ka mea, He tane toto koe ki ahau.
Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan'ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin'ny fandatsahan-drà ianao.
Heoi ka tuku atu ia i a ia: i reira ano ka mea te wahine, He tane toto koe; mo te kotinga hoki.
Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin'ny fandatsahan-drà ianao, noho ny fora.
Na ka mea a Ihowa ki a Arona, Haere ki te koraha, ki te whakatau i a Mohi, A haere ana ia, a ka tutaki ki a ia ki te maunga o te Atua, ka kihi i a ia.
Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Mandehana hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia nanoroka azy.
A korerotia ana e Mohi ki a Arona nga kupu katoa a Ihowa i unga nei i a ia, me nga tohu katoa i ako ai ia ki a ia.
Ary nambaran'i Mosesy tamin'i Arona izay teny rehetra efa nanirahan'i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.
Na haere ana a Mohi raua ko Arona, a whakaminea ana nga kaumatua katoa o nga tama a Iharaira:
Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon'ny Zanak'Isiraely rehetra.
Na korerotia ana e Arona nga kupu katoa i korero ai a Ihowa ki a Mohi, mahia ana hoki e ia nga tohu i te tirohanga a te iwi.
Dia nolazain'i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, sady nataony teo imason'ny olona ny famantarana.
A whakapono tonu te iwi: a, ka rongo ratou kua tae mai a Ihowa ki nga tama a Iharaira, kua titiro ki to ratou whakawhiunga, ka tuohu ratou, ka koropiko.
Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.