Exodus 34

Na ka mea a Ihowa ki a Mohi, Taraia mau etahi papa kohatu, kia rua, kia rite ki o mua: a ka tuhituhia e ahau ki aua papa nga kupu i mau ki o mua papa, i wahia na e koe.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao;
A kia takatu i te ata, ka haere ake i te ata ki Maunga Hinai, a me tu koe i toku aroaro, ki reira, ki te tihi o te maunga.
ary aoka hivonona ianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin'ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo anatrehako ao an-tampon'ny tendrombohitra.
Kaua hoki tetahi e haere ake i a koe, kei kitea hoki tetahi i te maunga katoa: ko nga hipi hoki, me nga kau, kaua e kai ki te ritenga o taua maunga.
Ary aoka tsy hisy olona hiakatra afa-tsy ianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin'ny tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman'osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny akaikin'izany tendrombohitra izany
Na taraia ana e ia etahi papa kohatu e rua, rite tonu ki o mua; a ka maranga wawe a Mohi i te ata, ka piki atu ki Maunga Hinai, ka pera ano me ta Ihowa i whakahau ai ki a ia, me te mau ano i nga papa kohatu e rua ki tona ringa.
Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa.
Na ka heke iho a Ihowa i roto i te kapua, ka tu tahi me ia ki reira, a ka karangatia te ingoa o Ihowa.
Ary Jehovah nidina tao anatin'ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran'i Jehovah.
Na ka haere atu a Ihowa i tona aroaro, a ka karangatia, Ko Ihowa, ko Ihowa, ko te Atua tohu, atawhai, he tukuroa nei i te riri, he nui nei te aroha, te pono,
Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,
E rongoa nei i te aroha mo nga mano, e muru nei i te kino, i te tutu, i te hara, e kore rawa ano hoki e tuku noa i te he; e mea nei i te hara o nga matua kia tau iho ki nga tamariki, ki nga tamariki a nga tamariki a te toru, te wha ra ano o nga w hakatupuranga.
mitahiry famindram-po ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Na ka hohoro a Mohi, ka tuohu iho ki te whenua, koropiko ana:
Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin'ny tany ka niankohoka;
A ka mea, Ki te mea kua manakohia mai ahau e koe, e te Ariki, kia haere ra toku Ariki i waenganui i a matou; he iwi kaki maro hoki tenei; murua atu hoki to matou kino, me to matou hara, waiho hoki matou hei taonga tupu mou.
dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.
Na ka mea ia, Nana, ka whakarite kawenata ahau; ka meatia e ahau he mea whakamiharo ki te aroaro o tou iwi katoa, he mea kihai i meatia i te whenua katoa, i nga iwi katoa ano hoki: a ka kitea te mahi a Ihowa e te iwi katoa kei roto nei koe i a r atou: he mea whakamataku hoki taku e mahi tahi ai ahau me koe.
Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan'ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin'ny tany rehetra sy tany amin'ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan'i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin'ny fiombako anao.
Kia mau ki taku e whakahau atu nei ki a koe inaianei: nana, ka peia atu e ahau nga Amori, nga Kanaani, nga Hiti, nga Perihi, nga Hiwi, nga Iepuhi.
Tandremo izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
Kia tupato kei whakarite kawenata koe ki nga tangata o te whenua e haere nei koe ki reira; kei waiho hei rore i waenganui i a koe:
Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany.
Engari me wawahi a ratou aata, me pakarukaru a ratou whakapakoko, me tua hoki a ratou Aherimi.
Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany.
Kahore atu hoki he atua hei koropikotanga mau: ko Ihowa hoki, ko Hae nei tona ingoa, he Atua hae ia:
Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy,
Kei whakarite kawenata koe ki nga tangata o te whenua, a ka whai atu ratou, ka puremu atu ki o ratou atua, a ka patu whakahere ma o ratou atua, a ka karangatia koe e tetahi, na ka kai koe i tana patunga tapu;
fandrao ianao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin'ny fanatiny;
A ka tango koe i a ratou tamahine ma au tama, a ka whai atu, ka puremu atu a ratou tamahine ki o ratou atua, a ka meinga au tamariki kia whai atu, kia puremu atu ki o ratou atua.
ary andrao koa haka amin'ny zananivavy ho vadin'ny zanakao-lahy ianao, ary hijangajanga hanaraka ny andriamaniny ny zananivavy ka hampandeha ny zanakao-lahy hijangajanga hanaraka ny andriamaniny.
Kaua e whakarewaina he atua mou.
Aza manao andriamanitra anidina ho anao.
Kia mau ki te hakari taro rewenakore. E whitu nga ra e kai ai koe i te taro rewenakore, e pera ai me taku i whakahau ai ki a koe, i te wa ano i whakaritea o te marama, o Apipi: ko Apipi hoki te marama i haere mai ai koe i Ihipa.
Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.
Ko nga mea katoa e puta tuatahi mai ana i te kopu, naku; me nga matamua a au kararehe, a nga kau, a nga hipi.
Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin'ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman'osy;
A me utu e koe ki te reme te matamua a te kaihe; a ki te kahore e utua e koe, whatiia tona kaki. Me utu e koe nga matamua o au tama. E kore ano hoki tetahi e puta kau mai ki toku aroaro.
fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak'ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
E ono nga ra e mahi ai koe, i te whitu ia o nga ra me okioki: me okioki ano koe i te ruinga, i te kotinga.
Henemana no hiasanao, fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra ianao: na dia amin'ny taom-pamafazana sy amin'ny taom-pijinjana aza dia hitsahatra ihany ianao.
Me mahi ano te hakari o nga wiki, ara o nga matamua o te kotinga witi, me te hakari o te kohikohinga i te takanga o te tau.
Ary tandremo ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro amin'ny fanaterana ny voaloham-bokatra, raha mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny fitsingerenan'ny taona.
E toru nga wa o te tau e kitea ai ou tane katoa ki te aroaro o te Ariki, o Ihowa, o te Atua o Iharaira.
Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny Isiraely.
Ka peia hoki e ahau nga tauiwi i tou aroaro, ka whakanuia ano ou rohe: a e kore tetahi e minamina ki tou whenua, ina haere koe ki runga kia kitea ki te aroaro o Ihowa, o tou Atua, i nga wa e toru o te tau.
Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao.
Kaua he rewena ina whakahekea te toto o taku patunga tapu; kei toe ano hoki ki te ata te patunga tapu o te hakari o te kapenga.
Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin'ny andro firavoravoana amin'ny Paska.
Me kawe ki te whare o Ihowa, o tou Atua, nga mea mataati o nga matamua o tou oneone. Kaua e kohuatia te kuao koati ki te waiu o tona whaea.
Ny santatra amin'ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
Na ka mea a Ihowa ki a Mohi, Tuhituhia enei kupu: kei enei kupu hoki te tikanga o te kawenata e whakaritea nei e ahau ki a koe, ki a Iharaira.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin'ny Isiraely.
Na i reira ia i a Ihowa e wha tekau nga ra, e wha tekau nga po; kihai i kai taro, kihai ano i inu wai. Na tuhituhia ana e ia ki nga papa nga kupu o te kawenata, nga ture kotahi tekau.
Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo.
A, i te hekenga iho o Mohi i runga i Maunga Hinai me nga papa e rua o te whakaaturanga i te ringa o Mohi, i tona hekenga iho i runga i te maunga, na, kihai a Mohi i mohio e tiaho ana te kiri o tona mata, nona i korero ki a ia.
Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy.
A, i te tirohanga a Arona ratou ko nga tama katoa a Iharaira ki a Mohi, na, e tiaho ana te kiri o tona mata; na ka wehi ratou ki te whakatata ki a ia.
Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.
Na ka karanga a Mohi ki a ratou; a ka hoki ki a ia a Arona ratou ko nga rangatira katoa o te whakaminenga; a ka korero a Mohi ki a ratou.
Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan'ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy.
A muri iho ka whakatata nga tama katoa a Iharaira; a ka whakahaua iho e ia ki a ratou nga mea katoa i korerotia e Ihowa ki a ia i Maunga Hinai.
Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain'i Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra Sinay.
A ka mutu ta Mohi korero ki a ratou, ka maka ki tona mata he arai.
Ary rehefa vita ny teny nataon'i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany.
Otiia, ka haere a Mohi ki te aroaro o Ihowa, ki te korero ki a ia, ka tangohia e ia te arai a puta noa mai ki waho. A, ko tona putanga mai ki waho, ka korerotia e ia ki nga tama a Iharaira nga mea i whakahaua ki a ia.
Ary raha niditra teo anatrehan'i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely izay efa nandidiana azy.
A i kite nga tama a Iharaira i te mata o Mohi, e tiaho ana te kiri o te mata o Mohi: na ka whakahokia e Mohi te arai ki tona mata a haere noa ia ki te korero ki a ia.
Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron'i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.