Exodus 28

Tangohia mai ano ki a koe a Arona, tou tuakana, ratou ko ana tama i roto i nga tama a Iharaira, hei tohunga maku, a Arona ratou ko Natapa, ko Apihu, ko Ereatara, ko Itamara, nga tama a Arona.
Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin'ny zanany, avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak'i Arona.
Me hanga ano e koe etahi kakahu tapu mo Arona, mo tou tuakana, hei kororia, hei ataahua.
Ary manaova fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
Me korero ano e koe ki nga ngakau mohio katoa, ki aku i whakaki ai ki te wairua mohio, kia hanga e ratou nga kakahu mo Arona, mo tona whakatapunga, mo tana mahi tohunga ki ahau.
Ary mitenena amin'izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian'i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.
A ko nga kakahu enei e hanga e ratou; he kouma, he epora, he koroka, he koti whakairo, he potae tohunga, he whitiki: na me hanga etahi kakahu tapu mo Arona, mo tou tuakana, ratou ko ana tama, mo tana mahi tohunga ki ahau.
Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao izy, sy ho an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
Me tango hoki he koura, he puru, he papura, he ngangana, he rinea pai.
Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.
A ka hanga te epora ki te koura, ki te puru, ki te papura, ki te ngangana, ki te rinena miro pai; kia tohunga rawa te mahi.
Dia aoka izy hanao ny efoda amin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mpanenona mahay.
Kia rua nga wahi i nga pokohiwi, he mea hono ki a raua i nga pito e rua; kia kotahi ai.
Aoka hisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambana azy.
A, ko te whitiki whakairo o te epora, kia kotahi ano te mea e hanga ai raua, kia rite hoki to raua hanganga; he mea koura, puru, papura, ngangana, rinena miro pai.
Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
Me tango ano e koe nga kohatu onika e rua, ka tuhi ai i nga ingoa o nga tama a Iharaira ki aua mea:
Ary makà vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran'ny Zanak'Isiraely:
Kia ono nga ingoa o ratou ki tetahi kohatu, me era ingoa atu hoki e ono ki tetahi atu kohatu; kia rite ki o ratou whanautanga.
ny anarany enina amin'ny vato iray, ary ny anarany enina kosa amin'ny vato iray, araka ny fizokiany;
Hei te mahi a te kaituhi kohatu tau tuhi i nga ingoa o nga tama a Iharaira ki nga kohatu e rua, kia rite ki te tuhinga o te hiri: me mea e koe kia whakanohoia aua mea ki nga nohoanga koura.
amin'ny asan'ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy,
A me whakanoho e koe nga kohatu e rua ki nga pokohiwi o te epora, hei kohatu whakamahara mo nga tama a Iharaira: a ka mau o ratou ingoa ki runga ki nga pokohiwi e rua o Arona i te aroaro o Ihowa, hei whakamahara.
Ary ataovy eo amin'ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan'i Jehovah amin'ny sorony roa ho fahatsiarovana.
Me hanga ano e koe nga nohoanga kohatu ki te koura;
Ary manaova randram-bolamena
Me nga mekameka koura parakore e rua; me whiri tau mahinga i aua mea, ka whakau ai i nga mekameka whiri ki nga nohoanga.
sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin'ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo.
Kia tohunga rawa te hanga o te kouma whakawa, kia rite tau mahinga ki te mahinga o te epora; me hanga e koe taua mea ki te koura, ki te puru, ki te papura, ki te ngangana, ki te rinena miro pai.
Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan'ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.
Kia wha ona taha, me rererua; kia kotahi whanganga a te ringa tona roa, kia kotahi whanganga hoki a te ringa tona whanui.
Ho efa-joro miforitra roa izy, ary ho irain-jehy avy ny lafiny efatra.
Me whakanoho ano ki taua mea etahi nohoanga kohatu; kia wha nga rarangi kohatu: mo te rarangi tuatahi he harariu, he topaha, he kapakara: ko te rarangi tuatahi tenei.
Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
Mo te rarangi tuarua he emerara, he hapaira, he taimana.
ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
Mo te rarangi tuatoru he rikuri, he akete, he ametihita.
ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
Mo te rarangi tuawha he perira, he onika, he hahapa: me whakanoho ki te koura ki te wahi e mau ai.
ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy.
Na ka tekau ma rua nga kohatu me nga ingoa o nga tama a Iharaira; ko te maha kei o ratou ingoa; ko te tuhi hei o te hiri, tenei tangata me tona ingoa, tenei tangata me tona ingoa, rite tonu ki nga iwi kotahi tekau ma rua.
Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase, ho amin'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.
Me hanga ano e koe ki te koura parakore etahi mekameka, he mahi whiri, mo te kouma, mo nga pito.
Ary eo amin'ny saron-tratra asio olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady.
Me hanga ano e koe etahi mowhiti koura kia rua mo te kouma, ka whakanoho ai i nga mowhiti e rua ki nga pito e rua o te kouma.
Ary manaova vava volamena roa ho eo amin'ny saron-tratra; ary ny vava vola roa dia ataovy eo amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
Me whakau ano nga mekameka koura, nga mea whiri, ki nga mowhiti e rua i nga pito o te kouma.
Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin'ny vava vola roa, izay amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
Ko era pito e rua hoki o nga mekameka whiri e rua, me whakau e koe ki nga nohoanga kohatu e rua, ka whakanoho ai ki nga pokohiwi o te epora, ki te taha ki mua.
Ary ny lanin'ny tady roa dia ataovy eo amin'ny soroky ny efoda anoloana.
Me hanga ano etahi mowhiti koura kia rua, ka whakanoho ai ki nga pito e rua o te kouma ki tona remu, ki te taha ki roto whaka te epora.
Ary manaova vava volamena roa, ka ataovy amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny, izay manolotra ny efoda.
Me hanga ano hoki e koe etahi atu mowhiti koura kia rua, ka whakanoho ai ki nga pokohiwi e rua o te epora ki te taha ki raro, ki te taha ki mua, ki te ritenga mai ano o tona hononga, ki runga ake o te whitiki whakairo o te epora.
Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin'ny soroko roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
Me here ano e ratou te kouma, ko ona mowhiti ki nga mowhiti o te epora, ki etahi miro puru, kia mau ai ki runga ake o te whitiki whakairo o te epora, kei takoto ke hoki te kouma i te epora.
Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan'ny saron-tratra amin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.
A ka mau nga ingoa o nga tama a Iharaira ki te ngakau o Arona, ara ki te kouma o te whakawa, ina haere ia ki te wahi tapu, hei whakamahara ki te aroaro o Ihowa i nga ra katoa.
Ary Arona hitondra ny anaran'ny Zanak'Isiraely eo amin'ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin'ny fitoerana masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
Me whakanoho ano hoki e koe nga Urimi me nga Tumime ki te kouma whakawa; a hei te ngakau o Arona aua mea, ina haere ki te aroaro o Ihowa: a ka mau tonu ki te ngakau o Arona te whakawa o nga tama a Iharaira i te aroaro o Ihowa.
Ary ataovy eo amin'ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon'i Arona izany, raha miditra eo anatrehan'i Jehovah izy; ka dia ho entin'i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah ny fitsarana ny Zanak'Isiraely.
Me hanga ano e koe te koroka o te epora, hei te puru anake.
Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.
Me whakakohao a runga, i waenganui: me whakawhaiwhiri ano ki te mea whatu tona kohao a huri noa, kia rite ki te kohao o te pukupuku, kei pakaru.
Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.
A i te remu i raro me hanga e koe etahi pamekaranete ki te mea puru, papura, ngangana, hei te remu a huri noa; me etahi pere koura ki nga takiwa o aua mea a huri noa:
Ary asio sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin'ny moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:
He pere koura he pamekaranete, he pere koura he pamekaranete, ki te remu o te koroka a huri noa.
dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eny amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany.
A me kakahu taua mea e Arona ina minita: a ka rangona tona tangi ina haere ki roto, ki te wahi tapu, ki te aroaro o Ihowa, ina puta mai hoki ki waho kei mate ia.
Ary hiakanjoan'i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
Me hanga ano e koe tetahi paraharaha ki te koura parakore, tuhia iho, he tuhi hiri ano, HE TAPU KI A IHOWA.
Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
A me whakanoho e koe ki te tau puru, kia mau ai ki te potae tohunga; hei te taha ki mua o te potae.
Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin'ny hamama: dia eo anoloan'ny hamama no hasiana azy.
A ka mau tena ki te rae o Arona, kia mauria ai e Arona te kino o nga mea tapu e whakatapua e nga tama a Iharaira i a ratou hoatutanga tapu katoa; a ka mau tonu tena ki tona rae, kia manakohia ai ratou i te aroaro o Ihowa.
Ary ho eo ambonin'ny handrin'i Arona izy, mba ho entin'i Arona ny heloky ny zava-masina, izay hohamasinin'ny Zanak'Isiraely amin'ny fanomezany masina rehetra; ary ho eo amin'ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah ny olona.
A me whakairo e koe ki te mumu te koti rinena pai, me hanga ano te potae tohunga ki te rinena pai: hei te mea i hanga ki te ngira te mea e hanga ai e koe te whitiki.
Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
Me hanga ano etahi koti mo nga tama a Arona, me hanga ano etahi whitiki mo ratou, me hanga hoki etahi potae mo ratou, hei kororia, hei ataahua.
Ary manaova akanjo lava ho an'ny zanak'i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
Ka whakakakahu atu ai ki a Arona, ki tou tuakana, ratou ko ana tama; na ka whakawahi koe i a ratou, ka whakatohunga hoki i a ratou, ka whakatapu hoki i a ratou, kia mahi, tohunga ai ki ahau.
Ary ataovy amin'i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasina azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
Me hanga ano etahi tarau rinena mo ratou, hei kakahu mo nga wahi takoto tahanga o ratou; mo te hope a tae noa ki nga huha:
Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin'ny valahany ka hatramin'ny feny no hisy azy.
A hei kakahu ena mo Arona, mo ana tama, ina haere ki roto ki te tapenakara o te whakaminenga, ina whakatata ranei ki te aata, ki te minita i roto i te wahi tapu; kei whai hara, a ka mate: hei tikanga pumau tenei mona, mo ona uri hoki i muri i a ia.
Ary hiakanjoan'i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin'ny taranany mandimby azy izany.