Esther 8

No taua ra ka homai e Kingi Ahahueruha ki a Kuini Ehetere te whare o Hamana, hoariri o nga Hurai. A ka haere a Mororekai ki te aroaro o te kingi, na Ehetere hoki i whakaatu he whanaunga ia nona.
Tamin'izany andro izany dia nomen'i Ahasoerosy mpanjaka ho an'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ny tranon'i Hamana, fahavalon'ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan'ny mpanjaka, fa efa voalazan'i Estera fa rainy izy
E unuhia ana e te kingi tona mowhiti i tangohia mai nei e ia i a Hamana, a hoatu ana ki a Mororekai; a i whakanohoia a Mororekai e Ehetere ki te whare o Hamana.
Ary nesorin'ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin'i Hamana, ka nomeny an'i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren'i Estera hanapaka ny tranon'i Hamana.
A i korero ano a Ehetere ki te aroaro o te kingi, me te takoto ano ki ona waewae, me te tangi ano, i inoi ki a ia kia karohia te kino a Hamana Akaki, me te whakaaro i whakaaro ai ia mo nga Hurai.
Dia niteny teo anatrehan'ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin'ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon'i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.
Katahi ka torona atu e te kingi te hepeta koura ki a Ehetere. Heoi ka whakatika a Ehetere, ka tu ki te aroaro o te kingi,
Ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan'ny mpanjaka
A ka mea, Ki te pai te kingi, ki te manakohia hoki ahau e ia, ki te mea he tika tenei mea ki to te kingi whakaaro, ki te mea he pai ahau ki tana titiro, me tuhituhi kia whakataka nga pukapuka i whakaaroa e Hamana tama a Hamerata Akaki ana i tuhit uhi ai kia huna nga Hurai i nga kawanatanga katoa a te kingi.
ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon'ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka;
Me pehea hoki e ahei ai ahau te titiro ki te he e pa ki toku iwi? me pehea hoki e ahei ai ahau te titiro ki te hunanga o oku whanaunga?
fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?
Ano ra ko Kingi Ahahueruha ki a Kuini Ehetere raua ko Mororekai Hurai, Nana, kua oti te hoatu e ahau ki a Ehetere te whare o Hamana; kua oti ano tera te tarona ki runga ki te rakau mo tona ringa i totoro ki nga Hurai.
Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka sy tamin'i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon'i Hamana efa nomeko an'i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin'ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy;
Ma korua ano e tuhituhi ta korua e pai ai mo nga Hurai, i runga i te ingoa o te kingi, hiri rawa ki te mowhiti o te kingi: he tuhituhi hoki i tuhituhia i runga i te ingoa o te kingi, a i hiritia ki te mowhiti o te kingi, e kore e whakataka.
ary ianareo kosa dia manorata amin'ny anaran'ny mpanjaka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra tamin'ny anaran'ny mpanjaka sy efa voatomboka tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka
Katahi ka karangatia nga karaipi a te kingi i taua wa, i te toru o nga marama, ara i te marama Hiwana, i te rua tekau ma toru o nga ra o taua marama; a ka tuhituhia nga mea katoa i whakahau ai a Mororekai ki nga Hurai, ki nga kawana, ratou ko nga kawana iti, ko nga rangatira ano o nga kawanatanga, o Inia mai ano a tae noa ki Etiopia, kotahi rau e rua tekau ma whitu nga kawanatanga; ki tenei kawanatanga, ki tenei kawanatanga, he mea whakarite ki ta ratou tuhituhi; ki tenei iwi, ki tenei iwi, he mea whakarite ano ki to ratou reo; ki nga Hurai ano, he mea whakarite ki ta ratou tuhituhi, ki to ratou reo.
Dia nantsoina tamin'izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian'i Mordekay izany ho any amin'ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin'ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.
Tuhituhia ana e ia i runga i te ingoa o Kingi Ahahueruha, hiri rawa ki te mowhiti o te kingi, a tukua ana nga pukapuka kia maua e nga kaikawe pukapuka i runga hoiho, i eke i runga i nga kararehe tere o nga mahi a te kingi, he momo:
Ary nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;
E mea ana i roto te tukunga a te kingi i nga Hurai o nga pa katoa kia huihui, kia tu ki runga, kia ora ai ratou, kia whakangaro, kia whakamate, kia huna i nga ope katoa o te iwi o te kawanatanga e tauria ai ratou ko a ratou kohungahunga, ko a ra tou wahine, kia pahua hoki i o ratou taonga hei mea parakete,
ka ny Jiosy izay teny amin'ny isan-tanàna dia navelan'ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin'ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin'ny vady aman-janak'ireny ary handroba ny fananany
I taua ra kotahi i nga kawanatanga katoa a Kingi Ahahueruha, ara i te tekau ma toru o nga ra o te tekau ma rua o nga marama, koia nei te marama Arara.
amin'ny andro iray ihany any amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany).
I whakapuakina ki nga iwi katoa nga kupu i tuhituhia mo te ture kia whakatakotoria i nga kawanatanga katoa, kia mataara ai nga Hurai i taua ra ki te rapu utu i o ratou hoariri.
Ny kopen'ny teny natao didy ho amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana dia nantsoina tamin'ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin'izany andro izany hamaliany ny fahavalony.
Heoi haere ana nga kaikawe pukapuka, he mea waha e nga kararehe tere o nga mahi a te kingi, he mea whakahohoro, he mea akiaki e te kupu a te kingi. I homai ano te ture i Huhana, i te whare kingi.
Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan'ny tenin'ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.
Na haere ana a Mororekai i te aroaro o te kingi, ko tona kakahu he kakahu kingi, he puru, he ma, me te karauna koura nui, me tetahi kakahu hoki he rinena pai, he papura. Na hamama ana, hari ana te pa, a Huhana.
Ary tamin'ny nialan'i Mordekay teo anatrehan'ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.
Na ko nga Hurai i maha, i koa, me te hari me te honore.
Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.
I nga kawanatanga katoa ano, i nga pa katoa i nga wahi i tae ai te kupu a te kingi me tana ture, he hari, he koa to nga Hurai, he kai hakari, he ra pai. A he tokomaha o nga iwi o te whenua i mea i a ratou hei Hurai; i tau hoki te wehi o nga Hura i ki a ratou.
Ary teo amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.