Ecclesiastes 3

He taima ano kua takoto mo nga mea katoa, me te wa mo nga meatanga katoa i raro i te rangi:
Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra:
He wa e whanau ai, he wa e mate ai; he wa e whakato ai, he wa e hutia ai te mea i whakatokia;
Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena;
He wa e patu ai, he wa e rongoa ai; he wa e wawahi iho ai, he wa e hanga ake ai;
Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;
He wa e tangi ai, he wa e kata ai; he wa e aue ai, he wa e kanikani ai;
Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;
He wa e akiritia atu ai nga kohatu, he wa e kohikohia ai nga kohatu; he wa e awhi ai, he wa e kore ai e awhi;
Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona;
He wa e rapu ai, he wa e ngaro ai; he wa e tiaki ai; he wa e akiri atu ai;
Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;
He wa e haehae ai, he wa e tuitui ai; he wa e whakarongo puku ai, he wa e korero ai;
Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;
He wa e aroha ai, he wa e mauahara ai; he wa e whawhai ai, he wa e mau ai te rongo.
Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.
He aha te pai ki te kaimahi i tana mea i mauiui ai ia?
Inona no soa azon'ny miasa amin'izay isasarany?
Kua kite ahau i te raruraru e homai ana e te Atua ki nga tama a te tangata hei whakararu i a ratou.
Efa hitako ny asa mampahory izay nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona hisasarany.
I hanga e ia nga mea katoa kia ataahua i tona wa ano: a i whakanohoia e ia te ao ki o ratou ngakau, engari kia kaua te tangata e kite i ta te Atua mahi i mahi ai, mai i te timatanga a taea noatia te mutunga.
Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.
E mohio ana ahau kahore he mea pai atu mo ratou i te ngakau hari, i te mahi i te pai i a ratou e ora ana.
Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy.
A he mea hoki na te Atua kia kai nga tangata katoa, kia inu, kia kite ano hoki i te pai o to ratou mauiui katoa.
Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
E mohio ana ahau ko nga mea katoa e hanga ana e te Atua, ka mau tonu a ake ake: e kore tetahi mea e honoa mai, e kore ano hoki tetahi wahi e tangohia atu: i meatia hoki e te Atua kia wehi ai nga tangata i tona aroaro.
Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.
Ko to mua mea koia ano tenei inaianei; na, ko te mea e puta mai a mua kua puta noa ake; e rapua ana ano e te Atua te mea onamata.
Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin'Andriamanitra indray izay efa lasa.
Na i kitea ano e ahau i raro i te ra, ko te wahi o te whakawa i reira ia te kino; a ko te wahi o te tika ko te kino i reira.
Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro: ny fitoeran'ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.
Ka mea ahau i roto i toku ngakau, Tera e whakawakia e te Atua te tangata tika raua ko te tangata kino: no te mea kua takoto te wa i reira mo nga meatanga katoa, mo nga mahi katoa.
Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain'Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
I mea ahau i roto i toku ngakau, Na te mea mo nga tama a te tangata, he mea na te Atua hei whakaatu i a ratou, kia kite ai ratou he pera noa iho ratou i te kararehe.
Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.
Ko te mea hoki e pa ana ki nga tama a te tangata, e pa ana ki nga kararehe; kotahi tonu te mea e pa ana ki a ratou; ko te matenga o tetahi rite tonu ki te matenga o tetahi; ae ra, kotahi tonu ano manawa o ratou katoa; kihai hoki te tangata i hip a ake i te kararehe; he horihori hoki te katoa.
Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak'olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin'izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan'ny iray no ahafatesan'ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan'izy rehetra; ary tsy misy ihoaran'ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.
E haere ana te katoa ki te wahi kotahi; no te puehu nei te katoa, ka hoki ano te katoa ki te puehu.
Izy rehetra samy mankamin'ny fitoerana iray: avy tamin'ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray izy rehetra.
Ko wai e matau ana ki te wairua o te tangata, e haere ana ranei ki runga, ki te wairua ranei o te kararehe, mehemea ranei e heke iho ana ki raro ki te whenua?
Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia?
Na ka kite ahau kahore he pai nui atu i tenei, ara kia koa te tangata ki ana mahi; ko te wahi hoki tera mana: ma wai ia e whakahoki mai, e mea kia kite i nga mea e puta mai i muri i a ia?
Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?