Acts 9

Ko Haora ia kei te kupukupu tonu i te whakawehi, i te mate mo nga akonga a te Ariki, a haere ana ki te tohunga nui,
Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy
Kei te tono pukapuka i a ia ki nga whakaminenga i Ramahiku, ina kitea e ia tetahi no te huarahi, ahakoa tane, wahine ranei, kia mauria hereheretia mai e ia ki Hiruharama.
ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.
Na, i a ia e haere ana, ka whakatata ia ki Ramahiku; na, ohorere ana te whitinga mai ki a ia, huri noa, o tetahi marama no te rangi:
Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy;
A hinga ana ia ki te whenua, ka rongo ake i tetahi reo e mea ana ki a ia, E Haora, e Haora, he aha tau e whakatoi nei i ahau?
dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
Ano ra ko ia, Ko wai koe, e te Ariki? Ka mea ia, Ko Ihu ahau, e whakatoia nei e koe: ehara tau, te whana ki nga koikoi.
Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
Na wiri ana ia, ihiihi ana, ka mea, E te Ariki, kia aha ahau? Ano ra ko te Ariki ki a ia, Whakatika, tomo atu ki te pa, a ka korerotia ki a koe tau e mea ai.
fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.
Na, ko nga tangata i haere tahi i a ia, tu reokore ana, rongo kau ana ki te reo, kahore ia i kite tangata.
Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona.
Na ka whakatika ake a Haora i te whenua, a, i te tuwheratanga o ona kanohi, kihai rawa ia i kite aha: na arahina a ringatia ana ia e ratou, mauria ana ia ki Ramahiku.
Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
A e toru ona ra e kore ana e kite, kihai hoki i kai, kihai i inu.
Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
Na i Ramahiku tetahi akonga, ko Anania te ingoa; ka mea te Ariki ki a ia, he kite, E Anania. Ka mea tera, Tenei ahau, e te Ariki.
Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
Ano ra ko te Ariki ki a ia, Whakatika, haere ki te ara e kiia nei ko Torotika, ka ui te whare o Hura mo tetahi ko Haora te ingoa, no Tarahu: na, kei te inoi ia.
Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy;
A kua kite ia i tetahi tangata, ko Anania te ingoa, e tomo mai ana, e whakapa ana i ona ringa ki a ia, kia kite ai ia.
ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony.
Otira ka whakahoki a Anania, E te Ariki, he tokomaha aku i rongo ai mo tenei tangata, ki te nui o te kino i mea ai ia ki tau hunga tapu i Hiruharama:
Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema.
A tenei ano kei a ia he mana na nga tohunga nui, kia herea te hunga katoa e karanga ana ki tou ingoa.
Ary manana fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
Heoi ka mea te Ariki ki a ia, haere: no te mea he kaupapa whiriwhiri ia naku, hei mau i toku ingoa ki te aroaro o nga Tauiwi, o nga kingi, o nga tama hoki a Iharaira:
Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely;
Ka whakakitea hoki e ahau ki a ia te nui o nga mea e mamae ai ia mo toku ingoa.
fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
Na haere ana a Anania, tomo ana ki roto ki te whare; ka whakapa i ona ringa ki a ia, ka mea, E toku teina, e Haora, na te Ariki, na Ihu, i puta ra ki a koe i te ara i haere mai na koe, nana ahau i tono mai, kia kite ai koe, a kia ki ai hoki i te Wairua Tapu.
Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.
Na marere tonu iho etahi mea, ano he unahi, i ona kanohi, a kite ana ia, ka whakatika, ka iriiria.
Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
Na ka kai ia, ka whai kaha. Na noho ana a Haora ki nga akonga i Ramahiku mo etahi ra.
ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy.
A reira tonu kauwhautia ana e ia a te Karaiti i roto i nga whare karakia, ko te Tama ia a te Atua.
Ary niaraka tamin'izay dia nitory teo amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa Zanak'Andriamanitra.
A miharo ana te hunga katoa i rongo, ka mea, Ehara ianei tenei i te kaitukino o te hunga i karanga ki tenei ingoa i Hiruharama? a, ko te mea ano tenei i haere mai ai ia, kia herea ratou, kia arahina ki nga tohunga nui?
Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin'ny mpisoronabe.
Ko Haora ia ka nui haere ke atu tona kaha, a whakapororarutia ana e ia nga Hurai e noho ana i Ramahiku, i a ia e whakakite ana ko te Karaiti tenei.
Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.
A, ka maha nga ra ka pahure, ka runanga nga Hurai kia whakamatea ia:
Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;
Heoi i matau a Haora ki ta ratou whakapapanga mona. A whanga ana ratou ki nga tatau i te ao, i te po, kia whakamatea ia:
nefa fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman'alina hamonoany azy.
Otiia i mau nga akonga ki a ia i te po, tukua iho ana e ratou ra te taiepa i roto i te kete.
Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin'ny sobiky avy eo amin'ny mànda.
A, no tona taenga mai ki Hiruharama, ka whai ia kia uru atu ia ki nga akonga; heoi wehi katoa ana ratou i a ia, kihai i whakapono he akonga ia.
Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
Ko Panapa ia i tango i a ia, a mauria ana ia ki nga apotoro, korerotia ana e ia ki a ratou tona kitenga i te Ariki i te ara, tana korerotanga ki a ia, tona maia hoki ki te kauwhau i Ramahiku i runga i te ingoa o Ihu.
Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy.
Na ka noho ia ki a ratou, haereere atu ana, haereere mai ana i Hiruharama,
Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo tany Jerosalema,
Me te maia hoki ki te kauwhau i runga i te ingoa o te Ariki: a korero ana ia, totohe ana ki nga Hurai Kariki: otira ka whakangakau ratou kia whakamatea ia.
sady nitory tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin'ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.
No te mohiotanga o nga tuakana, ka mauria ia e ratou ki raro ki Hiharia, a tonoa atu ana ia ki Tarahu.
Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
Na ka whai tanga manawa te hahi, puta noa i Huria katoa, i Kariri, i Hamaria, a tupu ana; haere ana i runga i te wehi o te Ariki, i te whakamarie hoki a te Wairua Tapu, no ka whakatupu ake.
Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny Fanahy ka nihamaro.
Na, i a Pita e haereere ana puta noa nga wahi katoa, ka tae iho hoki ia ki te hunga tapu e noho ana i Raira.
Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin'ny olona masina nonina tany Lyda koa.
Ka kitea e ia i reira tetahi tangata ko Inia te ingoa, kua waru ona tau e takoto ana i runga i tona moenga; he pararutiki hoki ia.
Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.
Na ko te meatanga a Pita ki a ia, E Inia, ka ora koe i a Ihu Karaiti: whakatika, wharikitia tou moenga. Na whakatika tonu ake ia.
Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy.
I kite katoa hoki ia i te hunga e noho ana i Raira, i Harona, a tahuri ana ki te Ariki.
Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.
Na tera tetahi akonga i Hopa e noho ana, ko Tapita te ingoa, ko te whakamaoritanga ko Roka: he wahine tenei i aro nui ki nga mahi pai, ki nga mahi atawhai rawakore.
Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany.
A i aua ra ka turorotia ia, ka mate: a ka oti ia te horoi e ratou, ka whakatakotoria ia ki tetahi ruma i runga.
Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.
Na, i te mea e tata atu ana a Raira ki Hopa, ka rongo nga akonga kei reira a Pita, a ka tonoa e ratou tokorua nga tangata ki a ia, hei mea, Kaua e whakaroa te haere mai ki a matou.
Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.
Na whakatika ana a Pita, haere ana i a raua. A, i tona taenga atu ka arahina e ratou ki te ruma i runga: a tu ana nga pouaru katoa i tona taha, tangi ana, ka whakakite ki a ia i nga koti, i nga kakahu i hanga e Roka, i a ia e noho ana i a ratou.
Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony.
Otiia ka tonoa ratou katoa e Pita ki waho, ka tuku ia i ona turi, ka inoi; katahi ka tahuri ake ia ki te tupapaku, ka mea, Tapita, e ara. Na ka titiro ona kanohi: a, i tona kitenga i a Pita, ka noho ia ki runga.
Ary navoak'i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina.
Katahi ka hoatu e ia tona ringa ki a ia, ka whakaara ake i a ia; a karangatia ana e ia te hunga tapu me nga pouaru, a tukua oratia atu ana ia.
Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.
A i mohiotia tenei mea puta noa i Hopa katoa: he tokomaha hoki i whakapono ki te Ariki.
Ary dia fantatra eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.
A he maha ona ra i noho ai ia ki Hopa, ki a Haimona kaimahi hiako.
Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.