II Samuel 24

Na ka mura ano te riri o Ihowa ki a Iharaira, a ka whakatutehu ia i a Rawiri ki te he mo ratou, ki te mea, Tikina, taua a Iharaira raua ko Hura.
Ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra indray tamin'ny Isiraely, ka dia nanome saina an'i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin'ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda.
Na ko te kianga a te kingi ki a Ioapa ki te rangatira ope, i reira ia i a ia, Tena, haereerea nga iwi katoa o Iharaira mai o Rana a tae noa ki Peerehepa, ka tatau i te iwi, kia mohio ai ahau ki te toputanga o te iwi.
Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba, komandin'ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny firenen'isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany.
Ano ra ko Ioapa ki te kingi, Ma Ihowa, ma tou Atua e mea te iwi kia tatakirau noa atu i to ratou tokomaha i a ratou nei, a kia kite hoki nga kanohi o toku ariki, o te kingi: otiia he aha toku ariki, te kingi i ahuareka ai ki tenei mea?
Fa hoy Joaba amin'ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan'ny mason'ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan'ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
He ahakoa ra, u tonu te kupu a te kingi ki a Ioapa ratou ko nga rangatira ope. Na haere atu ana a Ioapa ratou ko nga rangatira ope i te aroaro o te kingi ki te tatau i te iwi, i a Iharaira.
Nefa tsy azon'i Joaba sy ny komandin'ny miaramila nolavina ny tenin'ny mpanjaka. Ary Joaba sy ny komandin'ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan'ny mpanjaka handamina ny lehilahy amin'ny Isiraely.
Na ka whiti ratou i Horano, ka noho ki Aroere, ki te taha ki matau o te pa i waenganui o te awaawa o Kara, a tae noa ki Iatere:
Ary nita an'i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan'ilay tanàna afovoan'ny lohasahan-driak'i Gada, dia nankany Jazera.
Katahi ka tae ratou ki Kireara, ki te whenua o Tahatimihorohi, a ka tae ki Ranaiaana a awhio haere ana ki Hairona;
Dia tonga tany Gileada izy, tany amin'ny tamin'i Tatima-hodsy, dia tonga tany Danajana izy, ka nanodidina hatrany Sidona,
A ka tae ki te pa kaha ki Taira, ki nga pa katoa o nga Hiwi, o nga Kanaani: a puta ana ratou ki te tonga o Hura, ki Peerehepa.
ary tonga tao Tyro, tanàna mimanda, sy tany amin'ny tanànan'ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary dia nankany amin'ny tany atsimo izay an'ny Joda hatrany Beri-sheba izy.
Na, ka oti te whenua katoa te haereere e ratou, ka tae ratou ki Hiruharama i te paunga o nga marama e iwa, o nga ra e rua tekau.
Ary nony efa nitety ny tany rehetra izy, dia tonga tany Jeroselama, rehefa afaka sivy volana sy roa-polo andro.
Na ka homai e Ioapa te toputanga o te iwi i taua ki te kingi: a e waru rau mano nga marohirohi i roto i a Iharaira, he hunga mau hoari; a e rima rau mano nga tangata o Hura.
Dia natolotr'i Joaba ny mpanjaka ny isan'ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra tamin'ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin'ny Joda.
Na ka patu te ngakau o Rawiri i a ia i muri i tana tauanga i te iwi. A ka mea a Rawiri ki a Ihowa, Nui atu toku hara i taku i mea nei: na, tena, kia whakarerea noatia iho, e Ihowa, te he o tau pononga; nui atu hoki te kuware o taku i mea ai.
Ary ny eritreritr'i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin'i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
Na, i te marangatanga ake o Rawiri i te ata, ka puta te kupu a Ihowa ki a Kara poropiti, ki ta Rawiri matakite, i mea ia,
Ary raha nifoha maraina Davida, dia tonga tamin'i Gada mpaminany, mpahitan'i Davida, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
Haere, mea atu ki a Rawiri, ko te kupu tenei a Ihowa, E toru nga mea ka whakaaria e ahau ki a koe; whiriwhiria e koe tetahi o aua mea, a ka meatia e ahau ki a koe.
Mandehana, ka lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
Heoi ka tae a Kara ki a Rawiri, a ka korero ki a ia, ka mea, Kia tae atu ranei ki a koe etahi tau matekai e whitu ki tou whenua? kia toru ranei nga marama e rere ai koe i te aroaro o ou hoariri, me ta ratou whai ano i a koe? kia toru ranei nga r a o te mate uruta ki tou whenua? Na whakaaroa e koe kia kitea ai taku kupu e whakahoki ai ki toku kaitono mai.
Ary Gada nankany amin'i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin'ny taninao? Sa handositra telo volana eo anoloan'ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto amin'ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any amin'izay naniraka ahy.
Ano ra ko Rawiri ki a Kara, he noa iho oku whakaaro: na kia taka tatou aianei ki roto ki te ringa o Ihowa, he nui hoki ana mahi tohu; a kaua ahau e taka ki te ringa o te tangata.
Dia hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.
Heoi whakapangia ana e Ihowa he mate uruta ki a Iharaira, o te ata iho ano a taea noatia te wa i whakaritea: a mate ake o te iwi, o Rana a tae noa ki Peerehepa, e whitu tekau mano tangata.
Ka dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin'ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
A, no te toronga atu o te ringa o te anahera ki Hiruharama whakangaro ai, ka puta ke to Ihowa whakaaro mo te kino, a ka mea ia ki te anahera e whakangaro ana i te iwi, Kua nui tenei: kati tou ringa. A, i te patunga witi a Arauna Iepuhi, te anahe ra a Ihowa.
Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
I korero hoki a Rawiri ki a Ihowa i tona kitenga i te anahera i patua ai te iwi, i mea, Ina, kua hara ahau, kua mahi i te mahi he: ko enei hipi ia, i aha ratou? Tena, kia pa tou ringa ki ahau, ki te whare ano o toku papa.
Ary nony hitan'i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin'i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko.
Na ka haere a Kara ki a Rawiri i taua ra, a ka mea ki a ia, Haere ki runga, whakaarahia he aata ki a Ihowa ki te patunga witi a Arauna Iepuhi.
Ary Gada nankany amin'i Davida tamin'izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka manangàna alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
Na whakatika ana a Rawiri, pera ana me te kupu a Kara, me ta Ihowa i whakahau ai.
Koa dia niakatra Davida araka ny tenin'i Gada, araka izay nandidian'i Jehovah.
A ka titiro atu a Arauna, ka kite i te kingi ratou ko ana tangata e haere mai ana ki a ia: na ka puta atu a Arauna, piko ana ki te kingi, ahu ana tona mata ki te whenua.
Ary Araona nitsirika ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy, dia nivoaka izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka.
Na ka mea a Arauna, He aha toku ariki, te kingi, i haere mai ai ki tana pononga? Na ka mea a Rawiri, Ki te hoki i tau patunga witi, kia hanga ai he aata ki a Ihowa, kia mutu ai te whiunga o te iwi.
Ary hoy Araona: Ahoana no ahatongavan'ny mpanjaka tompoko atỳ amin'ny mpanompony? Dia hoy Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an'i Jehovah hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
Na ka mea a Arauna ki a Rawiri, Me tango e toku ariki, e te kingi, me whakaeke te mea e pai ana ki tana titiro: nana, nga kau hei tahunga tinana, me nga patu witi, me nga mea o nga kau hei wahie!
Fa hoy Araona tamin'i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanatitra izany. Indreo ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin'ny omby hatao kitay.
Ko enei katoa, e te kingi, e hoatu ana e Arauna ki te kingi. I mea ano a Arauna ki te kingi, Kia manako a Ihowa, tou Atua ki a koe
Izany rehetra izany, ry mpanjaka, dia omen'i Araona ny mpanjaka. Ary hoy Araona tamin'ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hankasitraka anao.
Na ka mea te kingi ki a Arauna, Kahore, engari me ata hoki e ahau tou wahi ki te utu, e kore hoki e whakaherea e ahau he tahunga tinana ki a Ihowa, ki toku Atua, kahore i utua e ahau. Heoi hokona ana e Rawiri taua patunga witi me nga kau ki te h iriwa, e rima tekau hekere.
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra fanatitra dora na ho an'i Jehovah Andriamanitro amin'izay azoko fotsiny aho. Ka dia novidin'i Davida sekely volafotsy dimam-polo ny famoloana sy ny omby.
A hanga ana e Rawiri he aata ki reira ma Ihowa, whakaekea ana e ia etahi tahunga tinana me etahi whakahere mo te pai. Heoi ka marie a Ihowa ki te whenua, a ka mutu te mate uruta ki a Iharaira.
Ary Davida nanao alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken'i Jehovah ny fifonana natao ho an'ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.