II Samuel 1

Na i muri iho i te matenga o Haora, i te mea kua hoki mai a Rawiri i te patunga i nga Amareki, a kua rua nga ra o Rawiri e noho ana ki Tikiraka:
Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy.
I te toru o nga ra, na ko tetahi tangata e haere mai ana i te puni i a Haora, he mea haehae ona kakahu, he oneone i runga i tona matenga: a, no tona taenga mai ki a Rawiri, ka hinga ia ki te whenua, a ka piko.
Ary tamin'ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin'ny miaramilan'i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin'i Davida izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nitsaoka.
Na ka mea a Rawiri ki a ia, I haere mai koe i hea? Ka mea tera ki a ia, I mawhiti mai ahau i te puni o Iharaira.
Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin'ny tobin'ny Isiraely aho.
Ano ra ko Rawiri ki a ia, I pehea te mea ra? tena, korerotia mai ki ahau. Na ka mea ia, Kua whati te iwi i te whawhai, he tokomaha hoki o te iwi i hinga, i mate; kua mate hoki a Haora raua ko tana tama, ko Honatana.
Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin'ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany.
Ano ra ko Rawiri ki te tamaiti nana nei i korero ki a ia, I mohiotia e koe ki te aha kua mate a Haora raua ko tana tama ko Honatana?
Ary hoy Davida tamin'ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany.
Na ka mea taua tamaiti nana nei i korero ki a ia, I tupono noa ahau ki runga i Maunga Kiripoa, na, ko Haora e okioki ana ki tana tao; na, e whai tata ana i a ia nga hariata me nga kaieke hoiho.
Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin'ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.
Na, i tona tahuritanga ki muri, ka kite i ahau, a ka karanga ki ahau. Na ka mea ahau, Tenei ahau.
Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho.
Ano ra ko ia ki ahau, Ko wai koe? Ano ra ko ahau ki a ia, He Amareki ahau.
Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho.
Na ka mea ia ki ahau, Tena, e tu ki toku taha, whakamatea hoki ahau, kua mau pu hoki ahau i te pouri; no te mea kei te toitu tonu te ora i roto i ahau.
Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko.
Heoi tu ana ahau ki tona taha, whakamatea ana ia e ahau; i mohio hoki ahau e kore rawa ia e ora ake i te mea ka hinga nei ia. Na tangohia ana e ahau te karauna i tona matenga, me te poroporo i tona ringa, a kawea mai ana e ahau ki konei ki toku ariki.
Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny, ka nentiko etỳ amin'ny tompoko izany.
Katahi a Rawiri ka mau ki ona kakahu, a haehaea ana e ia; a i pera hoki ona hoa katoa:
Dia noraisin'i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
Na ka uhunga ratou, ka tangi, ka nohopuku a ahiahi noa, mo Haora, mo tana tama, mo Honatana, mo te iwi ano a Ihowa, mo te whare hoki o Iharaira, i hinga nei i te hoari.
Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan'ny andro izy noho ny amin'i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon'i Jehovah ary ny taranak'Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny.
Na ka mea a Rawiri ki te tamaiti nana nei i korero ki a ia, No hea koe? Ano ra ko tera, He tama ahau na tetahi manene, na tetahi Amareki.
Ary hoy Davida tamin'ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho.
Ano ra ko Rawiri ki a ia, He aha koe te wehi ai? he aha i totoro ai tou ringa ki te huna i ta Ihowa i whakawahi ai?
Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr'i Jehovah?
Katahi a Rawiri ka karanga ki tetahi o ana taitama, ka mea, Whakatata atu, e rere ki runga ki a ia. Na patua ana ia e ia, mate ake.
Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty.
I mea ano a Rawiri ki a ia, Hei runga i tou matenga ou toto; kua whakaatu mai na hoki tou waha i tou he, kua mea, Naku i whakamate ta Ihowa i whakawahi ai.
ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin'ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr'i Jehovah.
Na ka waiatatia e Rawiri tenei apakura mo Haora raua ko tana tama, ko Honatana:
Ary Davida nisaona an'i Saoly sy Jonatana zanany tamin'izao hira fisaonana izao
I mea hoki ia kia whakaakona nga tama a Hura ki te waiata o te kopere: e mau na te tuhituhi ki te pukapuka a Iahera.
(ary nasainy nampianarina ny taranak'i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin'ny Bokin'i Jasara izany):
Tukitukia ana tou ataahua, e Iharaira, ki ou wahi teitei. Ano te hinganga o nga marohirohi!
Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin'ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery!
Kaua e korerotia ki Kata; kaua e kauwhautia ki nga huarahi o Ahakerono; kei koa nga tamahine a nga Pirihitini, kei whakamanamana nga tamahine a te kokotikore.
Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben'i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin'ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin'ny tsy mifora.
E nga maunga o Kiripoa, kati rawa he tomairangi mo koutou, he ua, he mara e tukua ai te whakahere; i akiritia kinotia hoki ki reira te pukupuku o te marohirohi, te pukupuku o Haora, me te mea kihai i whakawahia ki te hinu.
Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman'orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan'ny mahery, Dia ny ampingan'i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo.
He toto tena no te hunga i tu, he ngako tena no nga marohirohi, kahore he whakahokinga mai o te kopere a Honatana, kihai ano te hoari a Haora i hoki kau mai.
Ny tsipìkan'i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran'ny maty sy ny tavin'ny mahery; ary ny sabatr'i Saoly tsy mba niverina foana.
Ko Haora, ko Honatana, he aroha, he whakaahuareka i to raua oranga; kihai hoki i wehea i to raua matenga; nui atu to raua tere i to nga ekara, to raua kaha i to nga raiona.
Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin'ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona.
E nga tamahine a Iharaira, tangihia a Haora, nana nei o koutou kakahu ngangana i huatau ai, nana nei i piri ai nga whakapaipai koura ki o koutou weruweru.
Ry zanakavavin'Isiraely, mitomania an'i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo.
Ano te hinganga o nga marohirohi i waenganui o te tatauranga! E Honatana, i werohia na i runga i ou wahi teitei.
Endrey! lavo teo amin'ny ady ny mahery voalefona teo amin'ny havoananao Jonatana.
Mamae ana ahau, he whakaaro ki a koe, e toku tuakana, e Honatana; nui atu toku whakaahuareka ki a koe: he hanga whakamiharo tou aroha ki ahau, nui atu i to nga wahine aroha.
Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan'ny vehivavy.
Ano te hinganga o nga marohirohi: ano te korenga o nga patu o te pakanga!
Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!