II Kings 21

Kotahi tekau ma rua nga tau o Manahi i tona kingitanga, a e rima tekau ma rima nga tau i kingi ai ia ki Hiruharama; a ko te ingoa o tona whaea ko Hepetipa.
Roa ambin'ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hefziba.
A he kino tana mahi ki te titiro a Ihowa, i rite tonu ki nga mea whakarihariha a nga tauiwi i peia nei e Ihowa i te aroaro o nga tama a Iharaira.
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
I hanga ano hoki e ia nga wahi tiketike i whakakorea ra e Hetekia, e tona papa i whakaarahia ake ana e ia he aata ki a Paara, hanga ana e ia he Ahera, pera ana me ta Ahapa kingi o Iharaira i mea ai, a koropiko ana ki te ope katoa o te rangi, mahi ana ki a ratou.
Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy ka nanompo ireny,
I hanga hoki e ia etahi aata ki te whare o Ihowa, ki ta Ihowa i ki ra, Ko Hiruharama hei waihotanga mo toku ingoa.
sady nanao alitara tao an-tranon'i Jehovah koa izy, dia tao amin'izay nolazain'i Jehovah hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.
I hanga ano e ia etahi aata mo te ope katoa o te rangi ki nga marae e rua o te whare o Ihowa.
Fa nanao alitara teo anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy.
A meatia ana e ia tana tama kia tika na waenganui i te ahi, rapua ana e ia he tohu i nga kapua, i nga nakahi, i whai hoki ia ki nga atua maori, ki nga mata maori; nui atu tana kino i mahi ai ki te titiro a Ihowa hei whakapataritari i a ia.
Ary ny zanany nampamakiny ny afo, sady nanandro sy nanao sikidy izy ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, ary nahery nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
A i whakaturia e ia he whakapakoko no Ahera, i mahia e ia ki te whare i ki ra a Ihowa ki a Rawiri raua ko tana tama ko Horomona, Hei tenei whare, hei Hiruharama i whiriwhiria nei e ahau i roto i nga iwi katoa o Iharaira ahau waiho ai i toku ingoa a ake ake.
Ary ny sarin'i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin'ny trano nolazain'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
A heoi aku whakanekehanga i nga waewae o Iharaira i te whenua i hoatu e ahau ki o ratou matua: ki te mau raia ratou ki te mahi i nga mea katoa i whakahaua e ahau ki a ratou, kia rite ki te ture katoa i whakahaua e Mohi, e taku pononga ki a ratou.
Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay nomeko ny razany Aho, raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy araka ny lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy mpanompoko azy ihany izy.
Otiia kihai ratou i rongo: i takina ketia ratou e Manahi kia nui atu ta ratou mahi kino i ta nga iwi i huna nei e Ihowa i te aroaro o nga tama a Iharaira.
Nefa tsy nihaino izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon'ny jentilisa, izay naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
I korero ano a Ihowa, ara ana pononga, nga poropiti, i mea,
Ary Jehovah nampilaza ny mpaminany mpanompony hoe:
Kua mahi nei a Manahi kingi o Hura i enei mea whakarihariha, kino atu tana i nga mea katoa i mea ai nga Amori i mua i a ia; a kua mea nei ia i a Hura kia hara ki ana whakapakoko;
Satria Manase, mpanjakan'ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon'ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin'ny sampiny,
Mo reira ko te kupu tenei a Ihowa, a te Atua o Iharaira, Tenei ahau te kawe nei i te kino ki Hiruharama raua ko Hura, e paorooro ai nga taringa e rua o nga tangata e rangona ai.
dia izao kosa no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin'i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
Ka whakamarokia e ahau te aho o Hamaria ki runga ki Hiruharama, me te parameti o te whare o Ahapa; a ka horoia e ahau a Hiruharama, ka peratia me ta te tangata horoi i te rihi; horoia ana e ia, hurihia ana ko tua.
Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan'i Samaria sy ny pilaon'ny taranak'i Ahaba; ary hamaoka an'i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa.
A ka rukea atu e ahau te toenga o toku wahi tupu, ka hoatu ki nga ringa o o ratou hoariri; a hei taonga parau ratou, hei mea parakete ma o ratou hoariri katoa;
Ary hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho babon'ny fahavalony rehetra izy,
Mo ratou i mahi i te kino ki taku titiro, i whakapataritari hoki i ahau, mai o te ra i puta mai ai o ratou matua i Ihipa a taea noatia tenei ra.
satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin'ny andro nivoahan'ny razany avy any Egypta ka mandraka androany.
I whakahekea ano hoki e Manahi he toto harakore, tona nui, a ki noa i a ia Hiruharama i tetahi pito ki tetahi; tapiritia ana tenei e ia ki tona hara i hara ai a Hura, i mea ai i te kino ki te titiro a Ihowa.
Ary na dia ny rà marina aza dia nalatsak'i Manase be dia be mandra-pamenony an'i Jerosalema rehetra, ho fanampin'ny ota izay nampanotany ny Joda tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah.
Na, ko era atu meatanga a Manahi me ana mahi katoa, me tona hara i hara ai ia, kihai ianei ena i tuhituhia ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Hura?
Ary ny tantaran'i Manase sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny fahotana izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
Na ka moe a Manahi ki ona matua, a tanumia ana ki te kari o tona whare, ki te kari a Uha: a ko tana tama, ko Amono, te kingi i muri i a ia.
Ary Manase lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina teo an-tanimboly eo ala-tranony amin'ny sahan'i Oza; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
E rua tekau ma rua nga tau o Amono i tona kingitanga, a e rua nga tau i kingi ai ia ki Hiruharama: a ko te ingoa o tona whaea ko Mehuremete, he tamahine na Harutu, no Iotopa.
Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Mesolemeta, zanakavavin'i Haroza, avy any Jotba.
A he kino tana mahi ki te titiro a Ihowa, rite tonu tana mahi ki ta tona papa, ki ta Manahi.
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy tahaka ny nataon'i Manase rainy.
I haere hoki ia i nga ara katoa i haere ai tona papa, i mahi ki nga whakapakoko i mahi ai tona papa, a koropiko ana ia ki aua mea.
Fa nandeha tamin'ny lalana rehetra izay efa nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin-drainy sady niankohoka teo anatrehany.
I whakarerea e ia a Ihowa, te Atua, o ona matua, kihai i haere i te ara o Ihowa.
Ary nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin'ny lalan'i Jehovah.
Na ka whakatupu nga tangata a Amono i te mate mona, a patua iho e ratou te kingi ki roto ano i tona whare.
Ary ny mpanompon'i Amona mpanjaka nikomy taminy ka namono azy tao an-tranony.
Otiia i patua e nga tangata o te whenua te hunga katoa nana i whakatupu te he mo Kingi Amono; a meinga ana e nga tangata o taua whenua a Hohia, tana tama, hei kingi i muri i a ia.
Ary ny vahoaka namono izay rehetra nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.
Na, ko era atu meatanga i mea ai a Amono, kahore ianei i tuhituhia ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Hura?
Ary ny tantaran'i Amona sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
A i tanumia ia ki tona tanumanga ki te kari a Uha, a ko Hohia, ko tana tama, te kingi i muri i a ia.
Ary nalevina tao amin'ny fasany tao amin'ny sahan'i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka nandimby azy.