II Kings 19

Na, I te rongonga o Kingi Hetekia, ka haea e ia ona kakahu, ka hipoki i a ia ki te kakahu taratara, haere ana ki te whare o Ihowa.
Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,
I unga hoki e ia a Eriakimi, te rangatira o te whare, ratou ko Hepena kaituhituhi, ko nga kaumatua o nga tohunga, he mea hipoki ki te kakahu taratara, ki a Ihaia poropiti tama a Amoho.
Ary izy naniraka an'i Eliatima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza.
A ka mea ratou ki a ia, Ko te kupu tenei a Hetekia, Ko tenei ra, he ra no te raruraru, no te whakatuma, no te kohukohu: kua tae hoki nga tamariki ki te whanautanga, heoi kahore he kaha e whanau ai.
Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
Tera pea ka rongo a Ihowa, tou Atua ki nga kupu katoa a Rapahake i unga mai nei e tona ariki, e te kingi o Ahiria, hei whakorekore ki te Atua ora; a ka riri ki nga kupu i rongo ai a Ihowa, tou Atua. Na kia ara tau inoi mo nga toenga e noho nei.
Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa.
Heoi kua tae nga tangata a Kingi Hetekia ki a Ihaia.
Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
A ka mea a Ihaia ki a ratou, Kia penei ta koutou korero ki to koutou ariki, Ko te kupu tenei a Ihowa, Kaua e wehi i nga kupu i rongo na koe, ki ena i kohukohu mai na nga tangata a te kingi o Ahiria ki ahau.
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.
Nana, ka hoatu e ahau he wairua ki roto ki a ia, a tera ia e rongo i tetahi rongo, ka hoki ki tona whenua, a ka meinga ia e ahau kia hinga i te hoari i tona ake whenua.
Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin'ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
Na ka hoki a Rapahake, a rokohanga atu e whawhai ana te kingi o Ahiria ki Ripina: i rongo hoki ia kua maunu mai ia i Rakihi.
Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
A, no tona rongonga ki a Tirihaka kingi o Etiopia, ki te korero, Nana, kei te haere mai ia ki te whawhai ki a koe: ka unga tangata ano ia ki a Hetekia, hei mea atu,
Ary nony ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin'i Hezekia izy nanao hoe:
Kia penei ta koutou ki atu ki a Hetekia kingi o Hura, mea atu, Kei tinihangatia koe e tou Atua, e okioki atu na koe, i a ia e ki na, E kore a Hiruharama e hoatu ki te ringa o te kingi o Ahiria.
Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
Nana, tena koe kua rongo ki ta nga kingi o Ahiria i mea ai ki nga whenua katoa, ki ta ratou hunanga i a ratou: a e ora ranei koe?
Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy?
I ora ranei i o ratou atua nga tauiwi i huna ra e oku matua, a Kotana, a Harana, a Retepe, me nga tama a Erene, i Terahara ra?
Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena, izay tao Telasara?
Kei hea te kingi o Hamata, te kingi o Arapara, te kingi o te pa o Heparawaima, o Hena, o Iwa?
Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada ary ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
Na ka riro mai i a Hetekia te pukapuka i te ringa o nga karere, a ka korerotia e ia: na haere ana a Hetekia ki runga, ki te whare o Ihowa, wherahia ana e ia ki te aroaro o Ihowa.
Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.
Na ka inoi a Hetekia ki te aroaro o Ihowa, ka mea, E Ihowa, e te Atua o Iharaira, e noho mai na i runga o nga kerupima, ko koe te Atua, ko koe anake, o nga kingitanga katoa o te whenua; nau i hanga te rangi me te whenua.
Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Tahuri mai tou taringa, e Ihowa, whakarongo mai; titiro mai ou kanohi, e Ihowa, kia kite koe; whakarongo ki nga kupu a Henakeripi, i unga mai nei i tenei hei whakorekore mo te Atua ora.
Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin'i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an'Andriamanitra velona.
He tika ano e Ihowa, kua kore i nga kingi o Ahiria nga iwi me o ratou whenua,
Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny
Kua makaia atu hoki o ratou atua ki roto ki te ahi: ehara hoki era i te atua, engari he mahi na te ringa tangata, he rakau, he kohatu; koia i huna ai e ratou.
ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.
Tena ra, e Ihowa, e to matou Atua, whakaorangia matou i tona ringa, kia mohio ai nga kingitanga katoa o te whenua ko Ihowa koe, ko te Atua, ko koe anake.
Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin'ny tànany, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.
Katahi a Ihaia tama a Amoho ka unga tangata ki a Hetekia, hei mea, Ko te kupu tenei a Ihowa, a te Atua o Iharaira, I inoi mai na koe ki ahau mo Henakeripi kingi o Ahiria, na kua rongo ahau ki a koe.
Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia efa nohenoiko.
Ko ta Ihowa kupu tenei i korero ai mona, Kua whakahawea te tamahine wahine a Hiona ki a koe, kua kataina koe e ia; kua ruru te matenga o te tamahine a Hiruharama ki a koe.
Koa izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
Ko wai tau i whakorekore na, i kohukohu na? ki a wai tou reo i whakarahia na, tou mata i kake na ki runga? ki te Mea Tapu o Iharaira.
Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
Na au karere i whakorekore ai koe i te Ariki, kua mea na koe, Kake ana ahau, me aku tini hariata, ki nga wahi tiketike o nga maunga, ki nga taha rawa o Repanona; a ka tuaina e ahau nga hita raroa o reira me o reira kauri papai; a ka tomo ahau ki te whare tira haere o tona wahi whakamutunga mai, ki te ngahere o tona mara hua.
Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka.
Kua keria e ahau, kua inumia ano nga wai ke, a ka maroke i te kapu o toku waewae nga awa katoa o Ihipa.
Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin'ny lahin-drano rehetra any Egypta.
Kahore ranei koe i rongo naku tena i mea i mua noa atu, a naku tena i hanga o nga ra onamata? no naianei kua meinga e ahau, ko koe hei mea i nga pa taiepa hei puranga rukerukenga.
Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.
Koia i iti ai te kaha o o reira tangata; wehi ana ratou, pororaru ana; rite tonu ratou ki te tarutaru o te parae, ki te otaota matomato, ki te taru i runga i nga tuanui, ki te witi i ngingio i te mea kiano i ata tupu noa.
Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
Otiia e matau ana ahau ki tou nohoanga iho, ki tou haerenga atu, ki tou haerenga mai, me tau nananga ki ahau.
Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
Mo tau nananga ki ahau, a mo tau whakakake kua tae mai nei ki oku taringa, mo reira ka kuhua e ahau taku matau ki tou ihu, taku paraire ki ou ngutu, a ka whakahokia koe na te ara i haere mai na koe.
Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao, ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
A ko te tohu tenei ki a koe: ka kai koutou i tenei tau i nga mea tupu noa ake, a i te rua o nga tau ko nga tupu noa ake o te tau: na hei te toru o nga tau koutou whakato ai, kokoti ai, whakato ai i nga mara waina, kai iho ai i nga hua.
Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin'ny voa mihintsana ianareo iray taona, ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
Na, tera e hou ano whakararo nga pakiaka o nga morehu i mawhiti o te whare o Hura, a ka hua nga hua whakarunga.
Ary izay sisa amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
No te mea tera e puta ake he toenga i Hiruharama, he oranga i maunga Hiona: e taea hoki tenei e te ngakau nui o Ihowa.
Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.
Na ko ta Ihowa kupu tenei mo te kingi o Ahiria, E kore ia e haere mai ki tenei pa, e kore ano e perea mai he pere e ia ki konei, e kore ano e maua mai e ia he whakangungu rakau ki mua i tenei pa, e haupuria ranei he puke hei whawhaitanga ki kone i.
Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity.
Ko te ara i haere mai ai ia, ka hoki ano ia ma reira: e kore hoki ia e tae mai ki tenei pa, e ai ta Ihowa.
Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
Ka tiakina hoki e ahau tenei pa, kia ora ai; he whakaaro ki ahau, ki taku pononga ano ki a Rawiri.
Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
Na i taua po ka puta te anahera a Ihowa, a patua iho e ia i te puni o nga Ahiriana kotahi rau e waru tekau ma rima mano: a, i te marangatanga ake i te ata, nana, o ratou tinana! he tupapaku katoa ratou.
Ary tamin'ny alin'io dia avy ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
Heoi turia atu ana e Henakeripi kingi o Ahiria, haere ana, hoki ana, noho rawa atu kei Ninewe.
Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
A, i a ia e koropiko ana i roto i te whare o tona atua, o Nitiroko, ka patua e ana tama, e Ataramereke raua ko Haretere ki te hoari: a mawhiti atu ana raua ki te whenua o Ararata. A ko Etara Harono, ko tana tama, te kingi i muri i a ia.
Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nasian'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra nankany amin'ny tany Ararata izy mirahalahy. Ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.