II Kings 18

Na, no te toru o nga tau o Hohea tama a Eraha kingi o Iharaira, i kingi ai a Hetekia tama a Ahata kingi o Hura.
Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Hezekia, zanak'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda.
E rua tekau ma rima ona tau i tona kingitanga, a e rua tekau ma iwa nga tau i kingi ai ia ki Hiruharama; a ko te ingoa o tona whaea ko Api, he tamahine na Hakaraia.
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin'i Zakaria.
Na he tika tana mahi ki te titiro a Ihowa, i rite ki nga mea katoa i mea ai a Rawiri, tona tupuna.
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy.
I whakakahoretia e ia nga wahi tiketike, i tukitukia hoki nga whakapakoko, tuaina ana e ia te Ahera: a mongamonga ana i a ia te nakahi parahi, i hanga nei e Mohi; tahu tonu ai hoki nga tama a Iharaira i te whakakakara ki taua mea a taea noatia ta ua ra; a tapa ana e ia, ko Nehuhatana.
Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa ny Zanak'Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin'iny hatramin'izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana.
I whakawhirinaki hoki ia ki a Ihowa, ki te Atua o Iharaira; na kahore he rite mona o nga kingi katoa o Hura i muri i a ia, o era ranei i mua atu i a ia.
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'izay rehetra mpanjakan'ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany
I piri tonu hoki ia ki a Ihowa, kihai i mahue te whai i a ia, engari i puritia e ia ana whakahau i whakahau ai a Ihowa ki a Mohi.
Fa nifikitra tamin'i Jehovah izy ka tsy niala tamin'ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Na i a ia a Ihowa, a oti pai ana tana i nga wahi katoa i haere ai ia. Na ka whakakeke ia ki te kingi o Ahiria, a kihai i mahi ki a ia.
Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin'izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin'ny mpanjakan'i Asyria izy ka tsy nanompo azy.
I patua e ia nga Pirihitini tae noa ki Kaha, ki ona rohe, i te taumaihi o nga kaitutei ki te pa taiepa.
Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
Na i te wha o nga tau o Kingi Hetekia, ara i te whitu o nga tau o Honea tama a Eraha kingi o Iharaira, ka whakaekea Hamaria e Haramanehere kingi o Ahiria, whakapaea ana e ia.
Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, izany) no niakaran'i Salmanesera mpanjakan'i Asyria, hamely an'i Samaria sy nanaovany fahirano azy.
A, i te mutunga o te toru o nga tau, ka horo a reira i a ratou; ara no te ono o nga tau o Hetekia, koia ra te iwa o nga tau o Hohea kingi o Iharaira, ka horo Hamaria.
Ary nony tapitra ny telo taona, dia afak'ireo ny tanàna; dia tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan'i Hosea, mpanjakan'ny Isiraely, no nahafahana an'i Samaria.
Na ka whakahekea e te kingi o Ahiria a Iharaira ki Ahiria, whakanohoia ana e ia ki Haraha, ki Haporo, ki te taha o te awa o Kotana ki nga pa ano hoki o nga Meri:
Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron'i Habora, onin'i Gozana, ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana,
Mo ratou kihai i rongo ki te reo o Ihowa, o to ratou Atua, engari takahia ana e ratou tana kawenata me nga mea katoa i whakahaua mai e Mohi, e ta Ihowa pononga; kihai i whakarangona, kihai i mahia.
Satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy.
Na no te tekau ma wha o nga tau o Kingi Hetekia ka whakaekea nga pa taiepa katoa o Hura e Henakeripi kingi o Ahiria, a horo ana i a ia.
Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
Na ka unga tangata a Hetekia kingi o Hura ki te kingi o Ahiria ki Rakihi hei mea, Kua hara ahau; hoki atu i ahau: ko tau e whakapikau mai ai ki ahau ka pikaua e ahau. Na whakaritea ana e te kingi o Ahiria ki a Hetekia kingi o Hura kia toru rau t aranata hiriwa, kia toru tekau hoki taranata koura.
Ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan'i Asyria nampandoa an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo.
Na hoatu ana e Hetekia ki a ia te hiriwa katoa i kitea ki te whare o Ihowa, ki nga taonga ano o te whare o te kingi.
Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka.
No taua wa ano ka tapahia e Hetekia te koura o nga tatau o te temepara o Ihowa, o nga pou hoki i whakakikoruatia nei e Hetekia kingi o Hura, a hoatu ana ki te kingi o Ahiria.
Tamin'izany andro izany no nanendahan'i Hezekia ny volamena tamin'ny varavaran'ny tempolin'i Jehovah sy tamin'ny tolana, dia ilay efa napetak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; ary dia nomeny ho an'ny mpanjakan'i Asyria izany.
Na ka unga e te kingi o Ahiria a Taratana, a Rapaharihi, a Rapahake i Rakihi ki a Kingi Hetekia ki Hiruharama, he nui te ope, Na haere ana ratou, ka tae ki Hiruharama. A, i to ratou taenga atu, ka haere ratou, ka tu ki te awakeri o te puna wai o runga, o tera i te huarahi o te mara a te kaihoroi kakahu.
Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an'i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba.
Na, ka karanga ratou ki te kingi, ka puta atu ki a ratou a Eriakimi tama a Hirikia, te rangatira o te whare, a Hepena kaituhituhi, a Ioaha tama a Ahapa te kaiwhakamahara.
Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana.
Na ka mea a Rapahake ki a ratou, Korero atu ainei ki a Hetekia, Ko te kupu tenei a te kingi nui, a te kingi o Ahiria, He aha tenei whakawhirinaki, e whakawhirinaki na koe?
Dia hoy Rabsake tamin'ireo: Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona izato itokianao?
E mea na koe, otiia he mea ngutu kau, Tenei te ngarahu tika, te kaha mo te whawhai. Na e whakawhirinaki ana koe ki a wai, i whakakeke ai koe ki ahau?
Hoy ianao (nefa teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
Nana, e whakawhirinaki ana koe ki tena kakaho pepe hei tokotoko, ki a ngoto ki roto ki tona ringa, na, kua tu. Ka pera ano a Parao kingi o Ihipa ki te hunga katoa e okioki ana ki a ia.
Fa, indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy.
Otiia ki te mea mai koutou ki ahau, Ko Ihowa, ko to matou Atua ta matou e whakawhirinaki nei: he teka ianei ko ia tena, nana nei nga wahi tiketike, me nga aata i whakakahoretia atu nei e Hetekia, a kua mea ia ki a Hura raua ko Hiruharama, Hei mu a i tenei aata i Hiruharama koutou koropiko ai?
Ary raha hoy ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman'alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
Na homai aianei he utu pupuri ki toku ariki, ki te kingi o Ahiria, a ka hoatu e ahau ki a koe etahi hoiho, kia rua mano, ki te taea e koe te whakanoho kaieke ki runga.
Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
A me pehea e taea ai e koe te pare atu te kanohi o tetahi rangatira kotahi o nga iti rawa o nga pononga a toku ariki, a ka whakawhirinaki koe ki Ihipa hei hariata, hei kaieke hoiho mau?
Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.
I haere kau mai ranei ahau, kahore a Ihowa, ki te huna i tenei wahi? I mea a Ihowa ki ahau, Haere ki te whenua ra huna ai.
Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy.
Katahi ka mea a Eriakimi tama a Hirikia ratou ko Hepena, ko Ioaha, ki a Rapahake, Korero koa ki au pononga i te reo Hiriani; e matau ana hoki matou ki tena reo; kaua e korero mai ki a matou i te reo Hurai i te mea e whakarongo ana te iwi i runga i te taiepa.
Dia hoy Eliakima, zanak'i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny mànda.
Ano ra ko Rapahake ki a ratou, I unga mai ranei ahau e toku ariki ki tou ariki, a ki a koe, hei korero i enei kupu? He teka ianei i unga mai ahau e ia ki nga tangata e noho ana i runga i te taiepa, kia kainga e ratou to ratou paru, kia inumia to ratou mimi, ara e koutou tahi?
Fa hoy Rabsake taminy: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan'ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo?
Katahi a Rapahake ka tu, a he nui tona reo ki te karanga i te reo Hurai; i korero ia, i mea, Whakarongo ki te kupu a te kingi nui, a te kingi o Ahiria.
Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria:
Ko te kupu tenei a te kingi Kei tinihangatia koutou e Hetekia; e kore hoki koutou e taea te whakaora e ia i tona ringa:
Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety ho fitahin'i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin'ny tanako izy tsy akory.
Kei meinga hoki koutou e Hetekia kia whakawhirinaki ki a Ihowa, i a ia e ki na, He pono, tera tatou e whakaorangia e Ihowa, e kore hoki tenei pa e tukua ki te ringa o te kingi o Ahiria.
Ary aza mety hampahatokin'i Hezetia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
Kaua e rongo ki a Hetekia; ko te kupu tenei a te kingi o Ahiria, Houhia ta koutou rongo ki ahau, ka haere mai ki waho ki ahau; ka kai ai koutou i nga hua o tana waina, o tana waina, o tana piki, o tana piki, ka inu ano i te wai o tana puna, o ta na puna:
Aza mihaino an'i Hezekia; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadanana, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
Kia tae atu ra ano ahau ki te tiki atu i a koutou ki te whenua penei i to koutou nei whenua, ki te whenua witi, waina, ki te whenua taro, mara waina, ki te whenua hinu oriwa, honi hoki, kia ora ai koutou, kei mate; kaua hoki e whakarongo ki a He tekia, i a ia e tohe na ki a koutou, e mea na, Ma Ihowa tatou e whakaora.
mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo, fa tsy ho faty, ary aza mihaino an'i Hezekia, raha izy manome vohony anareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika.
I ora ranei i tetahi o nga atua o nga tauiwi tona whenua i te ringa o te kingi o Ahiria?
Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena?
Kei hea nga atua o Hamata, o Arapara? kei hea nga atua o Heparawaima, o Hena, o Iwa? i whakaorangia ranei e ratou a Hamaria i toku ringa?
Aiza moa ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ireo andriamanitr'i Sefarvaima sy Hena ary Iva? Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako va ireo andriamaniny?
Ko wai o nga atua katoa o nga whenua, kua whakaorangia e ratou to ratou whenua i toku ringa, e whakaorangia ai e Ihowa a Hiruharama i toku ringa?
Iza moa amin'ny andriamanitra rehetra amin'ny tany no efa nahavonjy ny taniny tamin'ny tanako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?
Otiia whakarongo kau ana tera te iwi, kihai i whakahoki kupu ki a ia; ko ta te kingi hoki tena i ako ai, i ki ai, Kaua e whakahoki kupu atu ki a ia.
Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
Katahi ka haere a Eriakimi tama a Hirikia, te rangatira o te whare, a Hepena te kaituhituhi, a Ioaha tama a Ahapa te kaiwhakamahara ki a Hetekia, he mea haehae o ratou kakahu, a korerotia ana e ratou ki a ia nga kupu a Rapahake.
Ary Eliakima, zanak'i Hilkia izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.