II Chronicles 32

I muri i enei mea, i te mea ka ata takoto, ka haere mai a Henakeripi kingi o Ahiria, tae tonu mai ki Hura, whakapaea ana e ia nga pa taiepa; i mea hoki ia kia riro atu i a ia.
Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy.
A, no te kitenga o Hetekia kua tae mai a Henakeripi, e anga ana hoki ki te whawhai ki Hiruharama,
Ary nony hitan'i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an'i Jerosalema,
Ka whakatakoto whakaaro ki ana rangatira, ki ana marohirohi, kia purua nga wai o nga puna i waho o te pa; a ko ratou ona hoa mahi.
dia niara-nihevitra tamin'ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin'ny loharano eny ivelan'ny tanàna; ary nanampy azy ireo.
Heoi nui atu te iwi i huihui mai, a purua ana e ratou nga puna katoa, me te awa e rere ana i waenganui o te whenua; i ki hoki ratou, He aha kia haere mai nga kingi o Ahiria, kia nui te wai e kitea e ratou?
Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan'ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan'i Asyria, raha avy?
Na ka whakapakari ia, a hanga ana e ia te taiepa katoa i pakaru, a eke noa ki nga pourewa; me tetahi atu taiepa ano i waho, i whakakahangia ano e ia a Miro i te pa o Rawiri: a he tini nga pere me nga whakangungu rakau i hanga e ia.
Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin'ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an'i Milo tao an-tanànan'i Davida sady nanao lefona aman'ampinga betsaka izy.
I whakaritea ano e ia he rangatira whawhai mo te iwi; a ka huihui i a ratou ki a ia ki te wahi whanui i te kuwaha o te pa. Na ka korero whakamarie ia ki a ratou, ka mea,
Ary nanendry mpifehy miaramila hifehy ny olona izy ka nampiangona azy hankeo aminy teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'ny tanàna, dia nanao teny famporisihana taminy hoe:
Kia kaha, kia maia, kaua e wehi, kaua e pawera ki te kingi o Ahiria, ki tana ope katoa: hira ake hoki to tatou i tona.
Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan'i Asyria sy ny hamaroan'ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
Ko tona he ringa kikokiko; ko to tatou ia, ko Ihowa, ko to tatou Atua hei awhina mo tatou, hei whawhai i ta tatou whawhai. Na okioki tonu te iwi ki nga kupu a Hetekia kingi o Hura.
Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin'ny tenin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ny olona.
I muri i tenei ka unga mai ana tangata e Henakeripi kingi o Ahiria ki Hiruharama: ko ia hoki i te whakapae i Rakihi, a ko tona kingitanga katoa i a ia; hei mea ki a Hetekia kingi o Hura, ki a Hura katoa ano i Hiruharama,
Rehefa afaka izany, dia nirahin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an'i Lakisy tamin'izay) ho any amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ho any amin'ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe:
Ko te kupu tenei a Henakeripi kingi o Ahiria, E whakawhirinaki ana koutou ki te aha, i a koutou e whakapaea na i Hiruharama?
Izao nolazain'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo ?
He teka ianei he whakapati ta Hetekia i a koutou, he mea kia tukua ai koutou ki te mate i te kore kai, i te kore wai, i a ia e ki ra, Tera tatou e whakaorangia e Ihowa, e to tatou Atua i te ringa o te kingi o Ahiria?
Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanole-tena ho faty mosary sy hetaheta ka .anao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria?
He teka ianei na taua Hetekia nei i whakakore ona wahi tiketike, me ana aata, a ki ana ia ki a Hura, ki Hiruharama, mea ana, Hei mua i te aata kotahi koutou koropiko ai, ki runga ano i tenei koutou tahu ai i te whakakakara?
Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan'ny alitara iray no iankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra ?
Kahore ranei koutou e mohio ki nga mea i mea ai ahau me oku matua ki nga iwi katoa o nga whenua nei? i taea ranei e nga atua o nga iwi o aua whenua te whakaora to ratou whenua i toku ringa?
Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin'ny firenena rehetra tany amin'ny tany hafa ? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin'iny tanako?
Ko wai o nga atua o enei iwi i huna nei e oku matua i kaha ki te whakaora i tana iwi i roto i toku ringa, e kaha ai to koutou Atua ki te whakaora i a koutou i roto i toku ringa?
Iza amin'ny andriamanitr'ireo firenena efa naringan'ny razako ireo no nahavonjy ny olony tamin'ny tanako, ka dia hahavonjy anareo amin'ny tanako va ny Andriamanitrareo?
Na kei tinihangatia koutou e Hetekia, kei whakapati hoki ia i a koutou, kei pera me tana na; kaua hoki e whakapono ki a ia; no te mea kihai i kaha te atua o tetahi iwi, o tetahi kingitanga ranei ki te whakaora i tana iwi i roto i toku ringa, i t e ringa ano o oku matua; e kore rawa to koutou Atua e whakaora i a koutou i roto i toku ringa.
Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin'ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin'ny tanako sy ny tanan'ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin'ny tanako?
Tera atu ano ta ana tangata i korero kino ai mo te Atua, mo Ihowa, mo tana tangata ano, mo Hetekia.
Ary ny mpanompon'i Sankeriba mbola niteny ratsy an'i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony,
I tuhituhia ano e ia etahi pukapuka hei whakakorekore mo Ihowa, mo te Atua o Iharaira, hei korero kino mona; i ki ia, Kihai nei nga atua o nga iwi o nga whenua i kaha ki te whakaora i o ratou iwi i roto i toku ringa, e kore ano hoki te Atua o He tekia e whakaora i tana iwi i roto i toku ringa.
sady nanoratra taratasy hihaika an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien'ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ny olony tamin'ny tanako no tsy hahavonjen'ny Andriamanitr'i Hezekia ny olony koa amin'ny tanako.
Na nui atu ta ratou karanga i te reo Hurai ki te iwi o Hiruharama i runga i te taiepa hei whakawehi i a ratou, hei whakararuraru i a ratou, he mea kia riro ai i a ratou te pa.
Dia niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan'ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin'ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna.
Na, ko ta ratou korero mo te Atua o Hiruharama, rite tonu ki ta ratou mo nga atua o nga iwi o te whenua, mo nga mahi a te ringa tangata.
Ary Andriamanitr'i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny, izay asan'tànan'olona ihany.
Na kei te inoi, kei te karanga ki te rangi a Kingi Hetekia raua ko te poropiti, ko Ihaia tama a Amoho, mo tenei mea.
Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, ka nitaraina tamin'ny lanitra.
Na ko te tukunga mai a Ihowa i te anahera, hautopea atu ana e ia nga toa marohirohi katoa ratou ko nga rangatira, ko nga tangata nunui, i te puni o te kingi o Ahiria. Heoi hoki ana ia ki tona whenua; whakama ana tona mata. Haere ana ia ki te wha re o tona atua, na patua iho ia i reira ki te hoari e te hunga i puta i ona whekau.
Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin'ny sabatra ny zanany naterany.
Heoi whakaorangia ake a Hetekia me nga tangata o Hiruharama e Ihowa i te ringa o Henakeripi kingi o Ahiria, i te ringa ano o era katoa, a arahina ana ratou e ia i tetahi taha, i tetahi taha.
Toy izany no namonjen'i Jehovah an'i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin'ny tànan'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, sy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin'ny manodidina rehetra Izy.
A he tokomaha ki te kawe i te hakari ki a Ihowa, ki Hiruharama, i nga mea utu nui ano ki a Hetekia kingi o Hura; na kake tonu ake ia i reira i te tirohanga a nga iwi katoa.
Ary ny maro nitondra fanatitra ho an'i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; dia nalaza teo imason'ny firenena rehetra izy hatramin'izany.
I aua ra ka mate a Hetekia, whano marere. Na ko tana inoinga ki a Ihowa, ka korero tera ki a ia, ka homai ano i te tohu ki a ia.
Tamin'izany andro izany dia narary efa saiky maty Hezekia, koa dia nivavaka tamin'i Jehovah izy, ary Jehovah niteny taminy ka nanome azy famantarana.
Otiia kihai i rite ki te atawhainga ki a ia ta Hetekia utu: i whakakake hoki tona ngakau; na kua takoto he riri mona, mo Hura, mo Hiruharama.
Fa Hezekia tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona ny fony, dia niharan'ny fahatezerana izy mbamin'ny Joda sy Jerosalema.
Otiia i whakaiti a Hetekia i a ia, mo tona ngakau i whakakake ra, a ia, me nga tangata ano o Hiruharama, a kihai te riri o Ihowa i puta ki a ratou i nga ra o Hetekia.
Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan'ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan'ny fahatezeran'i Jehovah ireo fahavelon'i Hezekia.
Na nui atu te taonga me te kororia i a Hetekia: a hanga ana e ia he toa taonga mo te hiriwa, mo te koura, mo nga kohatu utu nui, mo nga mea kakara, mo nga whakangungu rakau, mo nga mea katoa e matenuitia ana;
Ary Hezekia nanana harena sy voninahitra be indrindra; dia nanao trano firaketana izy hitehirizany ny volafotsy sy ny volamena sy ny vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga mbamin'izay fanaka tsara rehetra,
He toa ano mo nga hua o te witi, o te waina, o te hinu, me nga tunga mo ia kararehe, mo ia kararehe, me nga taiepa mo nga kahui hipi.
ary tanàna fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran'ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran'ny ondry aman'osy.
I hanga ano e ia etahi pa mona, a he tini ano nga kahui hipi, kau hoki: nui atu hoki te taonga i homai e te Atua ki a ia.
Ary nanao tanàna maro ho azy koa izy sady nanana ondry aman'osy ary omby betsaka, fa nomen'Andriamanitra fananana be indrindra izy.
Na taua Hetekia ano i puru to runga putanga o te wai o Kihona; whakatikaia tonutia iho e ia ki te taha ki te hauauru o te pa o Rawiri. Oti pai ana hoki i a Hetekia ana mahi katoa.
Ary notampenan'io Hezekia io ny fivoahan'ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin'ny tany hidina mahitsy ho any andrefan'ny Tanànan'i Davida izany. Ary nambinina tamin'ny asany rehetra Hezekia.
I nga karere ia a nga rangatira o Papurona i unga mai nei ki a ia ki te ui ki te merekara i puta ki te whenua, i mahue ia i te Atua, kia whakamatauria ai ia, kia mohiotia ai nga mea katoa i tona ngakau.
Nefa noho ny amin'ny irak'ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin'ny zava-mahagaga natao teo amin'ny tany, dia nilaozan'Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony.
Na, ko era atu meatanga a Hetekia, me ana mahi atawhai, nana, kua oti te tuhituhi ki te kite a Ihaia poropiti tama a Amoho, ki te pukapuka o nga kingi o Hura, o Iharaira.
Ary ny tantaran'i Hezekia sisa mbamin'ny soa nataony, indro, efa voasoratra ao amin'ny fahitan'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, sy ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely izany.
Na kua moe a Hetekia ki ona matua, a tanumia iho ki to runga rawa o nga urupa o nga tama a Rawiri: a i tona matenga ka whakakororiatia ia e Hura katoa, ratou ko nga tangata o Hiruharama; a ko tana tama, ko Manahi, te kingi i muri i a ia.
Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny fiakarana ho any amin'ny fasan'ny zanak'i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin'ny nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy.