II Chronicles 25

E rua tekau ma rima nga tau o Amatia i tona kingitanga, a e rua tekau ma iwa nga tau i kingi ai ia ki Hiruharama: a ko te ingoa hoki o tona whaea, ko Iehoarana, no Hiruharama.
Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
Na he tika tana mahi ki te titiro a Ihowa, engari kihai i tapatahi te ngakau
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin'ny fony rehetra.
A, ka pumau tona kingitanga, katahi ka whakamatea e ia ana tangata, nana nei i patu tona papa, te kingi.
Ary nony tafapetraka tsara tamin'ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
Ko a raua tama ia kihai i whakamatea; engari i rite tana ki te mea i tuhituhia i te ture i te pukapuka a Mohi, ki ta Ihowa i whakahau ra, Kaua nga matua e mate mo to nga tamariki; kaua hoki nga tamariki e mate mo to nga matua; engari me mate tene i mo tona hara, tenei mo tona hara.
Nefa ny zanak'ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna. dia ao amin'ny bokin'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy, fa samy ho faty amin'ny fahotany avy ny olona.
Na i huihuia hoki e Amatia a Hura, a whakaritea ana he rangatira mano, he rangatira rau mo nga whare o o ratou matua, puta noa i a Hura katoa raua ko Pineamine. A taua ana ratou e ia, te hunga e rua tekau, he maha ake hoki, nga tau, a ka kitea e toru rau mano, whiriwhiri rawa, he hunga haere ki te whawhai, he hunga hapai i te tao, i te whakangungu rakau.
Ary novorin'i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
I utua ano hoki e ia etahi o Iharaira, kotahi rau mano, he marohirohi, he maia, kotahi rau taranata hiriwa.
Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin'ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato.
Na, ko te taenga mai o tetahi tangata a te Atua ki a ia, ka mea E te kingi, kaua te taua a Iharaira e haere tahi koutou, no te mea kahore a Ihowa i a Iharaira, ara i nga tama katoa a Eparaima.
Nefa nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan'ny Isiraely; fa tsy omban'i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak'i Efraima rehetra.
Otiia ki te haere koe, kia toa, kia kaha ki te whawhai; ma Ihowa ano koe e turaki i te aroaro o te hoariri; he kaha hoki to te Atua ki te awhina, ki te turaki.
Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin'ny ady; fa hataon'Andriamanitra lavo eo anoloan'ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
Na ka mea atu a Amatia ki te tangata a te Atua, Ha, me pehea nga taranata kotahi rau i hoatu e ahau ki te taua a Iharaira? Ano ra ko te tangata a te Atua, E ahei ana i te Atua te homai ki a koe kia rahi noa ake i tenei.
Fa hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin'ny talenta zato nomeko ny miaramilan'ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin'Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
Katahi ratou ka wehea atu e Amatia, ara te taua i haere mai ki a ia i Eparaima, kia hoki ki to ratou na wahi. Na mura rawa to ratou riri ki a Hura, a hoki ana ki to ratou wahi, mura tonu te riri.
Dia navahan'i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin'ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran'ireo tamin'ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra.
Na ka whakapakari a Amatia i a ia, a arahina ana e ia tona iwi, haere ana ki Raorao Tote, patua iho e ia nga tama a Heira, kotahi tekau mano.
Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin'ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin'ny taranak'i Seira izy.
Na, ko era atu mano, kotahi tekau, i ora nei, whakaraua ana e nga tama a Hura, kawea ana ki te tihi o te kamaka, maka atu ana i te tihi o te kamaka, a mongamonga noa ratou katoa.
Ary ny iray alina sisa nataon'ny taranak'i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon'ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
Otiia, ko nga tangata o te taua i whakahokia nei e Amatia, kei haere tahi ratou ki te whawhai, whakaekea ana e ratou nga pa o Hura, o Hamaria mai ano a tae noa ki Petehorono, patua iho etahi o ratou, e toru mano, nui atu hoki te taonga i pahuati a e ratou.
Fa ireo miaramila izay nampodin'i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan'ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.
A, muri i te taenga mai o Amatia i te patunga i nga Eromi, ka mauria mai e ia nga atua o nga tama a Heira, na ka whakaturia e ia hei atua mona, koropiko ana ia ki mua i a ratou, tahuna ana e ia he whakakakara ki a ratou.
Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak'i Seira ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
Na reira ka mura te riri o Ihowa ki a Amatia, a unga ana mai e ia he poropiti ki a ia, hei korero ki a ia, He aha koe i rapu ai i ta nga atua o te iwi na? kihai na hoki to ratou iwi i whakaorangia e ratou i tou ringa.
Dia nirehitra tamin'Amazia ny fahatezeran'i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin'ny tananao aza?
Na, i a ia e korero ana ki a ia, ka mea te kingi ki a ia, Kua waiho ranei koe hei kaiwhakatakoto whakaaro mo te kingi? Kati tau; mo te aha koe kia patua? Na mutu ake ta te poropiti; otiia i ki ano ia, E mohio ana ano ahau kua takoto to te Atua w hakaaro mou, kia ngaro, mo tau meatanga i tenei, mou hoki kihai i rongo ki toku whakaaro.
Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian'ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
Katahi a Amatia kingi o Hura ka whakatakoto whakaaro, a unga tangata ana ki a Ioaha tama a Iehoahata tama a Iehu kingi o Iharaira, hei ki atu, Tena, taua ka titiro tetahi ki te kanohi o tetahi.
Ary Amazia. mpanjakan'ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
Na ka unga tangata a Ioaha kingi o Iharaira ki a Amatia kingi o Hura, hei ki atu, i tono karere te tataramoa i Repanona ki te hita i Repanona, hei ki atu, Homai tau tamahine hei wahine ma taku tama. Na ko te haerenga atu o tetahi kirehe i Repano na, takahia iho e ia taua tataramoa.
Fa Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
E ki ana koe, Na, kua patua e koe Eroma; a kua whakanekehia ake koe e tou ngakau kia whakapehapeha. E noho ra ki tou whare: he aha koe ka whakapataritari ai, e kino ai koe, e hinga ai koe, a koe na, koutou tahi ko Hura?
Lazainao fa namely an'i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
Otiia kihai a Amatia i rongo; na te Atua hoki tena, kia hoatu ai ratou e ia ki te ringa o o ratou hoariri, mo ratou i rapu tikanga i nga atua o Eroma.
Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin'Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan'ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.
Heoi haere ana a Ioaha kingi o Iharaira, a ka titiro raua ko Amatia kingi o Hura, tetahi ki te kanohi o tetahi, ki Petehemehe o Hura.
Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an'i Joda.
Na kua patua a Hura i te aroaro o Iharaira, a rere ana ratou, tena ki tona teneti, tena ki tona teneti.
Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
I mau ano a Amatia kingi o Hura tama a Ioaha tama a Iehoahata i a Ioaha kingi o Iharaira ki Petehemehe, a kawea ana ia ki Hiruharama, wawahia ana e ia te taiepa o Hiruharama, i te kuwaha mai ano o Eparaima taea noatia te kuwaha o te koki, e wha rau whatianga.
Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'Joasy, zanak'i Joahaza, dia nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan'i Joasy efa-jato hakiho ny mandan'i Jerosalema hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady anjorony.
Na, ko te koura katoa, ko te hiriwa, me nga oko katoa i kitea ki te whare o te Atua, ki a Opereeroma, me nga taonga o te whare o te kingi, me etahi tangata hei taumau, tangohia ake e ia, a hoki ana ki Hamaria.
Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon'Andriamanitra tao amin'i Obed-edoma sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona natao antoka koa, ka dia niverina ho any Samaria izy.
A tekau ma rima nga tau i ora ai a Amatia tama a Ioaha kingi o Hura i muri i te matenga o Ioaha tama a Iehoahata kingi o Iharaira.
Ary ny andro niainan'i Amazia zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.
Na, ko era atu meatanga a Amatia, o mua, me o muri, nana, kahore ianei i tuhituhia ki te pukapuka o nga kingi o Hura, o Iharaira?
Ary ny tantaran'i Amazia sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely va izany?
Na no muri i te wa i mahue ai i a Amatia te whai i a Ihowa, ka whakatupuria he he mona ki Hiruharama, a rere ana ia ki Rakihi. Otiia ka unga tangata ratou ki te whai i a ia ki Rakihi, a whakamatea iho ia ki reira.
Ary hatramin'ny andro nihemoran'i Amazia tsy nanaraka an'i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany.
A mauria ana mai i runga hoiho, tanumia ana ki te taha o ona matua, ki te pa o Hura.
Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin'ny razany tao an-tanànan'ny Joda.