I Samuel 30

A, no ka tae a Rawiri ratou ko ana tangata ki Tikiraka i te toru o nga ra, na kua huaki nga Amareki ki te tonga, ki Tikiraka ano, patua ana a Tikiraka e ratou, tahuna ake ki te ahi;
Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin'ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an'i Ziklaga sy nandoro azy tamin'ny afo;
Whakaraua ana hoki e ratou nga wahine me nga mea o reira, te iti, te rahi; kihai i whakamatea tetahi, engari i kahakina atu, a haere ana i to ratou ara.
ary efa namabo ny vehivavy sy izay rehetra tao izy, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny na dia iray aza; fa nentiny ho babo ireo, ka lasa nandeha izy.
Heoi, i te taenga o Rawiri ratou ko ana tangata ki te pa, kua oti te tahu ki te ahi, a kau whakaraua atu a ratou wahine, a ratou tama, a ratou tamahine.
Ary Davida sy ny olony tonga tao amin'ny tanàna, ary, indro, efa levon'ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo.
Katahi ka puaki te reo o Rawiri ratou ko ana tangata, tangi ana ratou, a kahore noa o ratou kaha ki te tangi.
Ary Davida sy ny mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony izy.
I riro whakarau ano nga wahine tokorua a Rawiri, a Ahinoama o Ietereere, raua ko Apikaira wahine a Napara o Karamere.
Ary voababo koa izy roa vavy vadin'i Davida, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita.
Na mamae rawa a Rawiri, no te mea i kupukupu te nuinga kia akina ia ki te kohatu; i mamae hoki te ngakau o te iwi katoa, o tera, o tera, ki a ratou tama, ki a ratou tamahine: ko Rawiri ia i whakapakari i a ia i roto i a Ihowa, i tona Atua.
Ary ory indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin'i Jehovah Andriamaniny.
Na ka mea a Rawiri ki a Apiatara tohunga, tama a Ahimereke, Tena, maua mai te epora ki ahau. Na maua ana te epora e Apiatara ki a Rawiri.
Ary hoy Davida tamin'i Abiatara mpisorona, zanak'i Ahimeleka: Masìna ianao, ento etỳ amiko ny efoda. Dia nentin'i Abiatara teo amin'i Davida ny efoda.
Na ka ui a Rawiri ki a Ihowa, ka mea, Ki te whai ahau i tenei taua e mau ranei ratou i ahau? Na ka mea ia, Whaia; ka mau pu hoki ratou i a koe, a ka riro katoa mai au i a koe.
Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao.
Heoi haere ana a Rawiri ratou ko ana tangata e ono rau, kua tae ki te awa, ki Pehoro, ki te wahi i noho ai te hunga i mahue iho.
Dia lasa Davida sy ny enin-jato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin'ny renirano Besora, ary teo no nijanonan'ny sasany.
Otiia whai tonu ana a Rawiri ratou ko nga tangata e wha rau: e rua hoki nga rau i noho; i ruha rawa hoki, te whiti ai i te awa, i Pehoro.
Ary Davida sy ny efa-jato lahy no nanenjika; fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy afaka nita ny renirano Besora, dia nijanona tany aoriana.
Na ka tupono atu ratou ki tetahi tangata o Ihipa i te parae, a kawea ana ia ki a Rawiri. Na ka hoatu he taro mana, a kai ana ia; i whakainu ano ratou i a ia ki te wai.
Ary nahita lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin'i Davida; ary nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy.
I hoatu ano e ratou tetahi wahi o te keke piki me etahi tautau karepe e rua, na ka kai ia, a ka hoki tona wairua ki a ia; e toru hoki nga ra, e toru nga po ona kihai nei ia i kai i te kai, kihai i inu i te wai.
Ary nomeny ampempan'aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan'andro sy hateloan'alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
Na ka mea a Rawiri ki a ia, Na wai koe? no hea hoki koe? Ano ra ko ia, He tamaiti ahau no Ihipa, he pononga na tetahi Amareki; i whakarerea hoki ahau e toku ariki, he panga noku e te mate ka toru enei ra.
Ary hoy Davida taminy: An'iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana, mpanompon'ny Amalekita anankiray, aho; ary narian'ny tompoko aho, fa narary afaka omaly.
I huakina e matou te tonga o nga Kereti, me te wahi i a Hura, me te tonga o Karepe; i tahuna ano e matou a Tikiraka ki te ahi.
Izahay efa nanafika ny tany atsimo izay an'ny Keretita sy ny an'i Joda ary ny tany atsimo izay an'i Kaleba ary nandoro an'i Ziklaga tamin'ny afo.
Na ka mea a Rawiri ki a ia, E taea ranei ahau te kawe e koe ki raro, ki te ope ra? Ano ra ko ia, Oati mai ki ahau ki te Atua hoki, e kore ahau e whakamatea e koe, e kore e tukua ki nga ringa o toku rangatira, a ka kawea koe e ahau ki raro ki tau a ope.
Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy midina ho amin'izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin'Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho eo an-tànan'ny tompoko, dia hitondra anao midina ho amin'izany jirika izany aho.
A, no tana kawenga i a ia ki raro, kua wawa noa atu ratou ki te mata o te whenua katoa, e kai ana, e inu ana, e kanikani ana, mo nga taonga nui katoa, taonga parakete, i riro i a ratou i te whenua o nga Pirihitini, i te whenua hoki o Hura.
Ary nony nentiny nidina izy, indreo, miely eran'ny tany izy ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben'ny babo rehetra izay azony tamin'ny tanin'ny Filistina sy ny tanin'ny Joda.
Na patua iho ratou e Rawiri i te puaotanga a taea noatia te ahiahi o te aonga ake: kihai hoki tetahi o ratou i mawhiti, heoi ano ko etahi taitamariki e wha rau i eke ki nga kamera, a rere ana.
Ary Davida namely azy tamin'iny takariva iny ka hatramin'ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra.
I riro ano hoki i a Rawiri nga mea katoa i tangohia e nga Amareki: i riro ano i a Rawiri ana wahine tokorua.
Dia rarak'i Davida izay rehetra efa nobaboin'ny Amalekita; ary dia azon'i Davida koa ny vadiny roa.
Kihai hoki i ngaro tetahi o a ratou mea; te iti, te rahi, nga tama, nga tamahine, nga taonga parakete, nga mea katoa i tangohia e ratou; i hoki katoa mai a Rawiri.
Ary tsy nisy zavatra tsy azony, na kely na be, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona tamin'izay nobaboin'ireny; izany rehetra izany dia azon'i Davida avokoa.
I mau ano i a Rawiri nga hipi katoa me nga kahui; a ka arahina e ratou i mua i era atu karerehe, i mea, Ko te taonga parakete tenei a Rawiri.
Ary Davida naka ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon'i Davida.
A ka tae a Rawiri ki nga tangata e rua rau i ruha nei, kihai nei i aru i a Rawiri, i meinga ra kia noho ki te awa, ki Pehoro: ka puta ratou ki te whakatau i a Rawiri, ki te whakatau hoki i te iwi i a ia: a ka tata a Rawiri ki aua tangata, ka oha ia ki a ratou.
Ary Davida tonga teo amin'ny roan-jato lahy, izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy, fa najanony teo amin'ny renirano Besora; ary dia nandeha ireo hitsena an'i Davida sy ny olona nanaraka azy; ary nony tonga teo akaikin'ny olona Davida, dia nanontany izay toeny.
Katahi ka oho ake te hunga kino katoa, nga tangata o Periara i roto i te hunga i haere tahi ratou ko Rawiri, ka mea, Kihai ratou i haere tahi tatou, na, e kore e hoatu ki a ratou etahi o nga taonga i rio mai i a tatou, heoi ano ko te wahine me n ga tamariki a tenei, a tenei, na ma ratou e arahi atu, e haere.
Dia niteny ny olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an'i Davida ka nanao hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho entiny, dia handeha izy.
Katahi a Rawiri ka mea, Kaua e pena, e oku teina, ki ta Ihowa i homai ai ki a tatou; nana nei hoki tatou i tiaki, a homai ana e ia ki a tatou ringa taua ope i haere ake ra ki a tatou.
Fa hoy Davida: Aza manao izany amin'izay nomen'i Jehovah antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika Izy, ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika.
Ko wai hoki hei whakarongo ki tenei mea a koutou? Ko te wahi hoki a te tangata i haere ki te whawhai kia rite ki te wahi a te tangata i noho ki nga mea: kia rite tonu te wahi ma ratou.
Koa iza no hanaiky anareo amin'izany? Fa tahaka ny anjaran'izay nidina hiady ihany no ho anjaran'izay nitoetra tamin'ny entana: hiara-misalahy izy.
Na waiho tonu iho e ia tena hei tikanga, hei ritenga mo Iharaira no taua rangi a tuku iho ki tenei ra.
Dia izany no fanao hatramin'izany andro izany, ka dia natao didy sy lalàna tamin'ny Isiraely izany ambaraka androany.
A, i te taenga o Rawiri ki Tikiraka, ka tonoa e ia etahi o nga taonga ki nga kaumatua o Hura, ki ona hoa, a ka mea, Tena tetahi manaaki mo koutou no nga taonga a nga hoariri o Ihowa;
Ary raha tonga tao Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an'ny loholon'ny Joda sakaizany ny babo ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin'ny babo azo tamin'ny fahavalon'i Jehovah,
Ki nga tangata hoki o Peteere, ki o Ramoto ki te tonga, ki era hoki i Iatiri;
dia ho an'izay ao Betela sy izay any Ramata amin'ny tany atsimo sy ho an'izay ao Jatira
Ki a Aroere, ki o Hipimoto, ki o Ehetemoa.
sy ho an'izay ao Aroera sy ho an'izay ao Sifmota sy ho an'izay ao Estemoa
Ki o Rakara, ki o nga pa o nga Ierameeri, ki o nga pa o nga Keni;
sy ho an'izay ao Rakala sy ho an'izay any an-tanànan'ny Jeramelita sy ho an'izay any an-tanànan'ny Kenita
Ki o Horema, ki o Korahana, ki o Ataka;
sy ho an'izay ao Horma sy ho an'izay ao Korasana sy ho an'izay ao Ataka
Ki o Heperona, ki o nga wahi katoa i haereere ai a Rawiri ratou ko ana tangata.
sy ho an'izay ao Hebrona ary ho an'izay any amin'ny tany rehetra nandehandehanan'i Davida sy ny olony.