I Samuel 15

Na ka mea a Hamuera ki a Haora, I tonoa mai ahau e Ihowa ki te whakawahi i a koe hei kingi mo tana iwi, mo Iharaira: na whakarongo mai ki te reo o nga kupu a Ihowa.
Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin'i Jehovah ianao.
Ko te kupu tenei a Ihowa o nga mano, E whakaaro ana ahau ki ta Amareke i mea ai ki a Iharaira, ki tana whanganga i a ia i te ara i tona haerenga mai i Ihipa.
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hovaliako izay nataon'ny Amalekita tamin'ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta.
Na tikina, patua a Amareke, whakangaromia rawatia a ratou mea katoa, kaua hoki ratou e tohungia; engari whakamatea ngatahitia te tane me te wahine, te potiki me te mea ngote u, te kau me te hipi, te kamera me te kaihe.
Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman'osy, na rameva, na boriky.
Na ka huihuia te iwi e Haora, a taua ana e ia ki Teraimi, e rua rau mano, he hunga haere i raro, me nga tangata hoki o Hura, kotahi tekau mano.
Ary Saoly namory ny olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin'ny Joda.
Na ko te haerenga atu o Haora ki te pa o Amareke, a whakatakoto pehipehi ana i roto i te awaawa.
Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan'ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha.
I mea hoki a Haora ki nga Keni, Whakatika, mawehe atu, haere ki raro i roto i nga Amareki, kei huna tahitia koe e ahau me ratou; i puta hoki ta koutou atawhai ki nga tamariki katoa a Iharaira i to ratou haerenga mai i Ihipa. Heoi ka mawehe nga Ke ni i roto i a Amareki.
Ary hoy Saoly tamin'ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin'ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak'Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin'ny Amalekita ny Kenita.
Na tukitukia ana e Haora nga Amareki i Hawira atu a tae noa koe ki Huru, ki te ritenga atu o Ihipa.
Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin'ny lalana mankany Sora izay tandrifin'i Egypta.
Hopukia oratia ana hoki e ia a Akaka kingi o Amareke, ko te iwi katoa hoki i whakangaromia rawatia e ia ki te mata o te hoari.
Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany tamin'ny lelan-tsabatra.
Otiia i tohungia e Haora ratou ko te iwi a Akaka, me nga mea papai o nga hipi, o nga kau, o nga mea momona hoki, me nga reme, me nga mea pai katoa, kihai hoki i aro ki te whakangaro i a ratou: engari nga mea e whakaparahakotia ana, e rukea ana, k o ena a ratou i whakangaro ai.
Fa Saoly sy ny olona tsy namono an'i Agaga sy izay tsara indrindra tamin'ny ondry aman'osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak'ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany ihany avokoa.
Katahi ka puta te kupu a Ihowa ki a Hamuera, ka mea,
Ary tonga tamin'i Samoela ny tenin'i Jehovah hoe:
Kua puta ke oku whakaaro i meinga ai e ahau a Haora hei kingi; kua hoki atu hoki ia i te whai i ahau, a kihai hoki i whakamana i aku kupu. Na ka oho te riri a Hamuera; a pau katoa taua po i a ia e tangi ana ki a Ihowa.
Manenina Aho noho ny nanaovako an'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin'ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin'i Jehovah mandritra ny alina.
Na ka maranga wawe a Hamuera i te ata ki te whakatau i a Haora; a ka korerotia ki a Hamuera, ka meatia, I te mai a Haora ki Karamere, na whakaturia ana e ia he tohu mana, a haere awhio atu ana, kua pahemo atu, kua riro ki raro, ki Kirikara.
Ary nifoha maraina koa Samoela hitsena an'i Saoly, dia nisy nilaza tamin'i Samoela hoe: Saoly efa tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.
Na ka tae atu a Hamuera ki a Haora, a ka mea a Haora ki a ia, Kia manaakitia koe e Ihowa, kua whakamana e ahau te kupu a Ihowa.
Ary Samoela tonga teo amin'i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin'i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin'i Jehovah aho.
Na ka mea a Hamuera, He aha koia tenei tangi o nga hipi i roto nei i oku taringa, me te tangi o nga kau e rongo nei ahau?
Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman- osy ren'ny sofiko izany sy ny fimàmàn'ny omby reko?
Ano ra ko Haora, He mea mau mai e ratou i nga Amareki: i tohungia hoki e te iwi nga mea papai o nga hipi, o nga kau, hei mea patunga tapu ki a Ihowa, ki tou Atua; a ko te toenga, whakangaromia iho e matou.
Ary hoy Saoly: Avy tany amin'ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman'osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay ihany avokoa.
Katahi ka mea a Hamuera ki a Haora, Kati, kia korerotia e ahau ki a koe ta Ihowa i mea ai ki ahau i tenei po. Ano ra ko tera, Korero.
Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain'i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary.
A ka mea a Hamuera, I a koe e iti ana ki tou whakaaro, kihai ianei koe i meinga hei upoko mo nga iwi o Iharaira, i whakawahia e Ihowa hei kingi mo Iharaira?
Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan'ny firenen'Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely;
Na ka tono a Ihowa i a koe kia haere, ka mea, Tikina, whakangaromia te hunga hara, nga Amareki, whawhai hoki ki a ratou a poto noa ratou.
ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.
He aha koe te whakarongo ai ki te reo o Ihowa, i aurara atu ai ki nga taonga parakete, i mahi ai i te kino i te tirohanga a Ihowa?
Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon'i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin'ny babo ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah?
Na ka mea a Haora ki a Hamuera, Ina, i whakarongo ano ahau ki te reo o Ihowa, i haere i te ara i tonoa ai ahau e Ihowa, kua kawea mai ano hoki e ahau a Akaka kingi o Amareke; ko nga Amareki ano hoki, whakangaromia iho e ahau.
Fa hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nihaino ny feon'i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin'izay nanirahan'i Jehovah ahy ary nitondra an'i Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra.
Na te iwi hoki i tango etahi o nga taonga, o nga hipi, o nga kau, nga mea tino papai o nga mea e whakangaromia ana hei mea patunga tapu ki a Ihowa, ki tou Atua, ki Kirikara.
Nefa nangalan'ny olona ondry aman'osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin'ny zavatra haringana,1 mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala.
Ano ra ko Hamuera, Ki ta Ihowa, he pera ranei te ahuareka o nga tahunga tinana, o nga patunga tapu, me te whakarongo ki te reo o Ihowa? Nana, pai atu te whakarongo i te patunga tapu, te ngakau mahara i te ngako o nga hipi toa.
Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy.
Rite tonu hoki te tutu ki te hara makutu; te whakatuturi ki te kino, ki te karakia whakapakoko. He whakaparahako nau ki te kupu a Ihowa, ka whakaparahako hoki ia ki a koe hei kingi.
Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.
Na ka ki a Haora ki a Hamuera, Kua hara ahau, i ahau i takahi nei i te kupu a Ihowa, i au kupu ano hoki: i wehi hoki ahau i te iwi, i whakarongo ki to ratou reo.
Ary hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin'i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.
Tena ra, whakarerea noatia iho toku hara, kia hoki atu taua, kia koropiko ai ahau ki a Ihowa.
Koa ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah.
Ano ra ko Hamuera ki a Haora, E kore ahau e hoki tahi taua; he mea hoki kua whakaparahako koe ki te kupu a Ihowa, a kua whakaparahako a Ihowa ki a koe hei kingi mo Iharaira.
Fa hoy Samoela tamin'i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin'i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan'ny Isiraely intsony.
A, i te tahuritanga o Hamuera ki te haere, ka mau tera ki te pito o tona kakahu, a kua pakaru.
Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin'i Saoly ny sisin'akanjony ka triatra.
Na ka mea a Hamuera ki a ia, Kua haea mai e Ihowa inaianei tou kingitanga i roto i a Iharaira, kua hoatu ki tou hoa e pai atu ana i a koe.
Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Efa notriarin'i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan'Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.
E kore ano hoki te Kaha o Iharaira e teka; e kore ano hoki e puta ke ona whakaaro; no te mea ehara ia i te tangata e puta ke ai ona whakaaro.
Ary koa, ny Tokin'ny Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina.
Ano ra ko tera, Kua hara ahau: otiia whakahonoretia ahau aianei i te aroaro o nga kaumatua o toku iwi, i te aroaro o Iharaira, kia hoki tahi taua, kia koropiko ai ahau ki a Ihowa, ki tou Atua.
Fa hoy Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa, masìna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan'ny loholoko sy eo anatrehan'ny Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.
Heoi hoki ana a Hamuera i muri i a Haora, a karakia ana a Haora ki a Ihowa.
Ary Samoela dia niverina nanaraka an'i Saoly indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan'i Jehovah.
Katahi a Hamuera ka mea, Kawea mai ki ahau a Akaka kingi o Amareke. Na ka ata hikoi a Akaka ki a ia. A ka mea a Akaka, He pono kua pahemo ke te ngau kino a te mate.
Dia hoy Samoela: Entonareo eto amiko Agaga, mpanjakan'ny Amalekita. Ary Agaga nankeo aminy sady falifaly ka nanao hoe: Lasa tokoa ny fangidian'ny fahafatesana.
Ano ra ko Hamuera, Na tau hoari i kore ai nga uri o nga wahine, ka pena ano tou whaea te urikore i roto i nga wahine. Na haua iho a Akaka e Hamuera i te aroaro o Ihowa i Kirikara.
Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan'ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan'ny reninao zanaka kosa ao amin'ny vehivavy. Dia notetitetehin'i Samoela teo anatrehan'i Jehovah tao Gilgala Agaga.
Katahi ka haere a Hamuera ki Rama; ko Haora ia i haere ki runga ki tona whare, ki Kipea o Haora.
Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin'ny tranony tao Gibean'i Saoly.
Kihai hoki a Haora i tirotirohia e Hamuera i muri iho a taea noatia te ra i mate ai ia: heoi tangihia ana a Haora e Hamuera: i puta ke ano hoki nga whakaaro o Ihowa i meinga ai e ia a Haora hei kingi mo Iharaira.
Ary Samoela tsy namangy an'i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an'i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely.