I Kings 2

Na kua tata nga ra o Rawiri e mate ia; a ka ako ia i tana tama, i a Horomona, ka mea,
Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe:
E haere ana tenei ahau i te ara o te whenua katoa: na kia kaha, whakatane:
Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.
A kia mau ki te whakahau a Ihowa, a tou Atua, kia haere i ana ara, kia mau ki ana tikanga, ki ana whakahau, ki ana whakaritenga, ki ana whakaaturanga, ki nga mea kua oti te tuhituhi ki te ture a Mohi, kia tika ai tau i nga mea katoa e mea ai koe, i nga wahi katoa e tahuri ai koe:
Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
Kia mana ai i a Ihowa tana kupu i korero ai ia moku, i mea ia, Ki te tupato au tamariki ki to ratou ara, ki te whakapaua katoatia o ratou ngakau, o ratou wairua, ki te haere i toku aroaro i runga i te pono, e kore e whakakorea, e ai ki tana, teta hi tangata mau mo te torona o Iharaira.
mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.
Na e mohio ana hoki koe ki ta Ioapa tama a Teruia i mea ai ki ahau, ki tana i mea ai ki nga rangatira ope tokorua o Iharaira, ki a Apanere tama a Nere, ki a Amaha tama a Ietere, i patua ra e ia, a whakahekea ana nga toto o te whawhai i te wa o te rangimarie, whakahekea ana nga toto o te whawhai ki tona whitiki i tona hope, ki ona hu i ona waewae.
Ary ianao koa mahalala izay nataon'i Joaba, zanak'i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin'izy roa lahy komandin'ny miaramilan'ny Isiraely, dia tamin'i Abnera, zanak'i Nera, sy tamin'i Amasa, zanak'i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin'ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin'ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.
Na kia rite tau e mea ai ki tau i matau ai, a kaua e tukua tona upoko hina kia heke atu ki te rua i runga i te rangimarie.
Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'ny fiadanana ny volo fotsiny.
Kia puta ia tou aroha ki nga tama a Paratirai Kireari, kia uru hoki ratou ki te hunga e kai ana ki tau tepu: i pera hoki ratou, i whakatau ki ahau i toku rerenga i tou tuakana, i a Apoharama.
Fa ny zanak'i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan'izay mihinana eo amin'ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan'ireo tany amiko, fony nandositra an'i Absaloma rahalahinao aho.
Na kei a koe na a Himei tama a Kera o Pineamine, o Pahurimi, tera i kanga ra ki ahau, kino atu te kanga, i te ra i haere ai ahau ki Mahanaima: otiia i haere mai ki ahau ki raro, ki Horano ki te whakatau i ahau, a oatitia ana a Ihowa e ahau ki a i a; i mea ahau, E kore ahau e whakamate i a koe ki te hoari.
Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak'i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin'ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin'ny sabatra ianao.
Na kaua ia e meinga he harakore, he tangata mohio hoki koe, a e matau ana ki tau e mea ai ki a ia; engari kia heke tona upoko hina ki te rua i runga i te toto.
Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin'ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin'ny fiainan-tsi-hita.
Na moe ana a Rawiri ki ona matua, a tanumia ana ki te pa o Rawiri.
Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany ka nalevina ao an-Tanànan'i Davida.
Ko nga ra i kingi ai a Rawiri ki a Iharaira, e wha tekau tau: e whitu nga tau i kingi ai ia ki Heperona, e toru tekau ma toru ano nga tau i kingi ai ki Hiruharama.
Ary ny andro nanjakan'i Davida tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
Na noho ana a Horomona i runga i te torona o Rawiri, o tona papa, a u rawa tona kingitanga.
Ary Solomona nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida rainy; ary ny fanjakany dia niorina tsara
Na ka haere a Aronia tama a Hakiti ki a Patehepa whaea o Horomona. A ka mea tera, I haere mai ranei koe i runga i te pai? A ka mea ia, I runga ano i te pai.
Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nankany amin'i Batseba, renin'i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
A i mea ano ia, He kupu taku ki a koe. A ka mea tera, Korero.
Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary.
Na ka mea ia, E mohio ana koe, i ahau te kingitanga, i anga mai ano nga kanohi o Iharaira katoa ki ahau hei kingi: heoi kua kauparea ketia nei te kingitanga, a riro ana i toku teina: nona hoki, na Ihowa mai.
Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan'ny rahalahiko, fa azony avy tamin'i Jehovah.
Na kotahi tenei tono aku ki a koe: kaua e whakakahoretia taku. A ka mea tera ki a ia, Korero.
Koa ankehitriny zavatra iray loha no mba angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao ary.
Na ka mea ia, Tena, korero ki a Kingi Horomona, e kore hoki ia e whakakahore ki tau, kia homai e ia a Apihaka Hunami hei wahine maku.
Dia hoy izy: Masìna ianao, mitenena amin'i Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy). mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita.
Na ka mea a Patehepa, E pai ana, me korero tau e ahau ki te kingi.
Ary hoy Batseba: Eny ary, fa izaho dia hilaza ny teninao amin'ny mpanjaka.
Heoi haere ana a Patehepa ki a Kingi Horomona ki te korero ki a ia i ta Aronia. A whakatika ana te kingi ki te whakatau ki a ia, piko ana ki a ia, a ka noho iho ano ki tona torona; a ka meinga e ia kia whakaturia he torona mo te whaea o te kingi, a noho ana tera ki tona ringa matau.
Ary Batseba nankany amin'i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin'i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an'i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an'ny renin'ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin'ny ankavanany izy.
Katahi ka mea ia, Kotahi tenei mea iti hei tononga maku ki a koe: kaua taku e whakakahoretia. A ka mea te kingi ki a ia, Tonoa, e toku whaea; e kore hoki ahau e whakakahore ki tau.
Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry ineny, fa tsy handà anao aho.
A ka mea tera, Kia hoatu a Apihaka Hunami hei wahine ma tou tuakana, ma Aronia.
Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin'i Adonia rahalahinao.
Na ka whakahoki a Kingi Horomona, ka mea ki tona whaea, He aha i tonoa ai e koe a Apihaka Hunami ma Aronia? Tonoa ano hoki te kingitanga mona; ko ia hoki toku tuakana; mona, mo Apiatara tohunga, mo Ioapa tama a Teruia.
Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an'i Abisaga Sonemita ho an'i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an'i Joaba, zanak'i Zeroia.
Katahi ka oatitia a Ihowa e Kingi Horomona, ka mea, Kia meatia mai tenei e te Atua ki ahau, me tetahi atu mea ano, mehemea ehara i te kupu whakamate mona ano tenei i korerotia nei e Aronia.
Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin'i Jehovah hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.
Tena ra, e ora ana a Ihowa i whakapumau nei i ahau, i whakanoho nei i ahau ki te torona o Rawiri, o toku papa, i mea nei hoki i tetahi whare moku, i te pera me tana i korero ai, ko aianei pu mate ai a Aronia.
Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.
Na ka tonoa e Kingi Horomona a Penaia tama a Iehoiara; a rere ana tera ki runga ki a ia, na kua mate.
Ary Solomona mpanjaka naniraka an'i Benaia, zanak'i Joiada; ary izy namely azy ho faty.
Na ka mea te kingi ki te tohunga ki a Apiatara, Haere ki Anatoto, ki au mara; e tika ana hoki te mate mou: otiia e kore ahau e whakamate i a koe i tenei ra, no te mea nau i mau te aaka a te Ariki, a Ihowa, i mua i a Rawiri, i toku papa, i mate a no hoki koe i nga mate katoa o toku papa.
Ary Abiatara mpisorona dia nilazan'ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin'izao andro izao. satria nitondra ny fiaran'i Jehovah Tompo teo alohan'i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin'ny raiko tamin'izay rehetra nampahoriana azy.
Heoi peia ana a Apiatara e Horomona i te mahi tohunga ki a Ihowa; kia tutuki ai te kupu a Ihowa i korero ai ki Hiro mo te whare o Eri.
Ary Solomona dia nanongana an'i Abiatara tsy ho mpisoron'i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin'i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin'ny taranak'i Ely, izy.
Na ka tae te rongo ki a Ioapa: i anga hoki a Ioapa ki te whai i a Aronia, engari kahore i tahuri ki a Apoharama. Na rere ana a Ioapa ki te tapenakara o Ihowa, kei te pupuri i nga haona o te aata.
Ary ren'i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an'i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an'i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin'ny trano-lain'i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.
A ka korerotia ki a Kingi Horomona, Kua rere a Ioapa ki te tapenakara o Ihowa, na, kei te taha o te aata. Katahi ka unga a Penaia tama a Iehoiara e Horomona, a ka mea ia, Haere, e rere ki runga i a ia.
Ary nambara tamin'i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin'ny trano-lain'i Jehovah, ka, indro, eo anilan'ny alitara izy. Dia nirahin'i Solomona Benaia, zanak'i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy.
Na ka tae a Penaia ki te tapenakara o Ihowa, ka mea ki a ia, Ko te kupu tenei a te kingi, Puta mai ki waho. Ano ra ko tera, Kahore, engari kia mate ahau ki konei. Na ka whakahokia te korero e Penaia ki te kingi; i mea ia, Ko te kupu tenei a Ioap a, ko tana tenei i whakahoki ai ki ahau.
Ary Benaia tonga tao amin'ny tranolain'i Jehovah ka nanao tamin'i Joaba hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin'ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain'i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
Ano ra ko te kingi ki a ia, Meatia tana i korero ai; rere atu ki runga ki a ia, ka tanu i a ia; kia whakakahoretia atu ai e koe i ahau, i te whare hoki o toku papa, nga toto i whakahekea noatia e Ioapa.
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin'ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak'i Joaba.
A ka whakahokia iho e Ihowa ona toto ki runga ano ki tona matenga, nana hoki i rere ki runga i nga tangata tokorua, ki nga tangata e tika ake ana, e pai ake ana i a ia, a patua iho ki te hoari, kihai ano hoki toku papa, a Rawiri i mohio, ara ki a Apanere tama a Nere, ki te rangatira o te ope o Iharaira, raua ko Amaha tama a Ietere, rangatira o te ope o Hura.
Dia hatsingerin'i Jehovah ho amin'ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin'ny sabatra, dia Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'ny Isiraely sy Amasa, zanak'i Jatera, komandin'ny miaramilan'ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory
Heoi ka hoki iho o raua toto ki runga ki te matenga o Ioapa, ki runga ano ki te matenga o ona uri a ake ake; ki a Rawiri ia, ratou ko ona uri, ko tona whare, ko tona torona, ka mau ta Ihowa rongo a ake ake.
Eny, ny ran'izy roa lahy ireo hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny lohan'ny taranany mandrakizay; fa amin'i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin'ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin'i Jehovah.
Na ko te haerenga o Penaia tama a Iehoiara ki runga, a rere ana ki runga ki a ia, whakamatea iho; a tanumia iho ia ki tona whare, ki te koraha.
Dia niakatra Benaia, zanak'i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin'ny fonenany tany an-efitra izy.
A meinga ana e te kingi a Penaia tama a Iehoiara hei rangatira ope i muri i a ia; i meinga e te kingi a Haroko tohunga hei whakakapi mo Apiatara.
Ary Benaia, zanak'i Joiada, no notendren'ny mpanjaka ho solony ho komandin'ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren'ny mpanjaka ho solon'i Abiatara.
Na ka tono tangata te kingi ki te karanga i a Himei, a ka mea ki a ia, Hanga he whare mou ki Hiruharama, hei reira noho ai; kaua hoki e haere atu i reira ki hea, ki hea.
Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory.
Ko a te ra hoki e puta ai koe ki waho, e whiti ai i te awa i Kitirono, kia tino mohio koe, ko te mate kau mou; hei runga ano i tou matenga ou toto.
Fa amin'izay andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao; ny rànao ho amin'ny lohanao ihany.
Na ka mea a Himei ki te kingi, He pai tena kupu; ka pena tau pononga me ta toku ariki, me ta te kingi i korero mai na. Na he maha nga ra i noho ai a Himeiki Hiruharama.
Ary hoy Simey tamin'ny mpanjaka: Tsara izany teny izany; araka izany nolazain'ny mpanjaka tompoko Izany no hataon'ny mpanomponao. Ary Simey nitoetra ela tany Jerosalema.
A i te mutunga o nga tau e toru ka tahuti nga pononga tokorua a Himei ki a Akihi tama a Maaka kingi o Kata. A ka korerotia ki a Himei, Nana, ko au pononga tera, kei Kata.
Ary nony afaka telo taona mipaka, dia nisy roa lahy mpanompon'i Simey, nandositra ho any amin'i Akisy, zanak'i Maka mpanjakan'i Gata. Ary nisy nanambara tamin'i Simey hoe: Indreo, any Gata ny mpanomponao.
Na ko te whakatikanga o Himei, whakanohoia ana tana kaihe, a haere ana ki Kata, ki a Akihi, ki te rapu i ana pononga: heoi haere ana a Himei, a kawea ana mai e ia ana pononga i Kata.
Dia nitsangana Simey nanisy lasely ny borikiny ka nankany Gata ho any amin'i Akisy hitady ny mpanompony, dia lasa nody Simey nitondra ny mpanompony avy tany Gata.
Na ka korerotia ki a Horomona, i haere atu a Himei i Hiruharama ki Kata, a kua hoki mai ano.
Ary nambara tamin'i Solomona ny nialan'i Simey tany Jerosalema hankany Gata sy ny niveranany indray.
Na ka tono tangata te kingi ki te karanga i a Himei, a ka mea ki a ia, Kahore ianei koe i whakaoatitia e ahau ki a Ihowa, me taku whakaatu ano ki a koe, me taku ki atu ano, Ko te ra e puta ai koe ki waho, e haere ai ki hea ranei, ki hea ranei, k ia tino mohio koe, ko te mate kau mou? I mea mai ano koe ki ahau, He pai te kupu i rongo ai ahau.
Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin'i Jehovah va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin'izay andro hivoahanao sy handehananao na ho aiza na ho aiza akory dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko any.
He aha ra koe te pupuri ai i te oati a Ihowa, i te whakahau i whakahaua ai koe e ahau?
Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin'i Jehovah sy ny didy izay nandidiako anao?
I mea ano te kingi ki a Himei, E mohio ana koe, e mohio ana ano tou ngakau, ki te kino katoa, ki tau i mea ai ki toku papa, ki a Rawiri. Na ka whakahokia nei e Ihowa tou kino ki runga ki tou matenga:
Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'i Simey: ianao mahalala ny ratsy rehetra nataonao tamin'i Davida raiko, eny, tsaroan'ny fonao izany, ka dia hatsingerin'i Jehovah amin'ny lohanao ny haratsianao.
Ka manaakitia ia a Kingi Horomona, ka pumau tonu ano te torona o Rawiri i te aroaro o Ihowa a ake ake.
Fa hotahina kosa Solomona mpanjaka, ary ny seza fiandrianan'i Davida hampitoerina eo anatrehan'i Jehovah mandrakizay.
Heoi ka whakahau te kingi ki a Penaia tama a Iehoiara, haere ana tera ki waho, rere ana ki runga ki a ia, na kua mate. Na kua pumau te kingitanga i te ringa o Horomona.
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Benaia, zanak'i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an'i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan'i Solomona.