I Kings 19

Na ka korerotia e Ahapa ki a Ietepere nga mea katoa i mea ai a Iraia, me nga meatanga katoa i tana whakamatenga i nga poropiti katoa ki te hoari.
Dia nolazain'i Ahaba tamin'i Jezebela izay rehetra nataon'i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin'ny sabatra.
Katahi a Ietepere ka tono tangata ki a Iraia hei ki atu, Kia meatia tenei ki ahau e nga atua, me etahi atu mea, ki te kahore ahau e mea i a koe i tenei takiwa apopo kia rite te mate ki tetahi o ratou i mate ra.
Ary Jezebela naniraka olona tany amin'i Elia hanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain'ny anankiray amin'ireny ny ainao raha maraina toy izao.
A ka kite ia, na whakatika ana, haere ana, he mea kei mate, a ka tae ki Peerehepa o Hura. Na ka whakarerea e ia tana tangata ki reira.
Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.
Ko ia ia i haere ki te koraha, kotahi te ra ki te ara, a ka tae, ka noho i raro i tetahi hunipa: a ka inoi ia mona kia mate ia; a ka mea, Heoi ra, inaianei, e Ihowa, tangohia atu toku wairua; kahore hoki ahau i pai ake i oku matua.
Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin'ny anjavidy anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô. fa tsy tsara noho ny razako aho.
Na ka takoto ia, ka moe i raro i tetahi hunipa; na, ko tetahi anahera e papaki ana i a ia, e mea ana ki a ia, Maranga ki te kai.
Ary raha nandry natory teo ambanin'ny anjavidy anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka homàna.
Na titiro rawa ake ia, ko tetahi keke, he mea tunu ki te pungarehu, me tetahi ipu wai i tona urunga. Na kai ana ia, inu ana, a takoto iho ana ano.
Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan'ny lohany nisy mofo voaendy tamin'ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
Na ka hoki mai ano te anahera a Ihowa, a ka papaki i a ia, ka mea, Maranga ki te kai; he roa rawa hoki te ara mou, e kore e taea e koe.
Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.
Na maranga ana ia, a kai ana, inu ana, a haere ana, me te mau ano te mana o taua kai, e wha tekau nga ra, e wha tekau nga po a tae noa ki Horepa, ki te maunga o te Atua.
Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin'ny tanjaka azony tamin'izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.
Na haere ana ia ki reira ki tetahi ana, a moe ana i reira. Na ka puta mai te kupu a Ihowa ki a ia; i mea ia, E aha ana koe i konei, e Iraia?
Ary niditra tao anatin'ny zohy izy ka nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Manao inona atỳ ianao, ry Elia?
A ka mea tera, Nui atu toku hae mo Ihowa, mo te Atua o nga mano; kua whakarerea hoki tau kawenata e nga tama a Iharaira, a ko au aata, wahia iho e ratou, patua iho hoki e ratou au poropiti ki te hoari; a ko ahau, ko ahau rawa anake i mahue; a ke i te rapu ratou i ahau kia whakamatea.
Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
Na ka mea ia, Puta mai, ka tu ki te maunga ki te aroaro o Ihowa. Na ko te haerenga atu o Ihowa, he nui ano te hau, he kaha, e whakakoara ana i nga maunga, e wahi ana i nga kohatu i te aroaro o Ihowa; otiia kahore a Ihowa i roto i te hau: a muri iho i te hau ko te ru; otiia kahore a Ihowa i roto i te ru:
Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin'ny tendrombohitra eo anatrehan'i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan': Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin'ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin'ny horohoron-tany;
A i muri o te ru ko te ahi; otiia kahore a Ihowa i roto i te ahi: a i muri i te ahi ko te reo ngawari, he mea iti.
ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin'ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.
A, no te rongonga o Iraia ka hipokina e ia tona mata ki tona koroka, a haere ana, tu ana i te kuwaha o te ana. Na ko te putanga mai o tetahi reo ki a ia, ka mea, E aha ana koe i konei, e Iraia?
Ary raha ren'i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ ianao ry Elia ?
Ano ra ko tera, Nui atu toku hae mo Ihowa, mo te Atua o nga mano; kua whakarerea hoki tau kawenata e nga tama a Iharaira, ko au aata, wahia iho e ratou, patua iho e ratou au poropiti ki te hoari; a ko ahau, ko ahau rawa anake i mahue; a kei te r apu ratou i ahau kia whakamatea.
Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa. nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
Na ka mea a Ihowa ki a ia, Haere, e hoki i tou ara ki te koraha o Ramahiku; a ka tae koe, whakawahia a Hataere hei kingi mo Hiria.
Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin'ny nalehanao ho any amin'ny efitr'i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan'i Syria;
A whakawahia a Iehu tama a Nimihi hei kingi mo Iharaira; me whakawahi ano a Eriha tama a Hapata o Aperemehora hei poropiti i muri i a koe.
Ary Jeho,zanak'i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan'ny Isiraely; ary Elisa, zanak'i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao.
Na, ko te hunga e mawhiti i te hoari a Hataere ma Iehu e whakamate; ko te hunga e mawhiti i te hoari a Iehu ma Eriha e whakamate.
Ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Hazaela dia hovonoin'i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Jeho kosa dia hovonoin'i Elisa.
Otiia ka whakatoea e ahau maku e whitu nga mano i roto i a Iharaira, ko nga turi katoa kihai ano i tuturi ki a Paara, me nga mangai katoa kihai i kihi i a ia.
Nefa hamela fito arivo ao amin'ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin'i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
Heoi haere atu ana ia i reira, a ka tupono ki a Eriha tama a Hapata, e parau ana ia, me nga kau i nga ioka kotahi tekau ma rua i tona aroaro, ko ia i te tekau ma rua: na haere ana a Iraia i tona taha, a maka ana e ia tona koroka ki runga ki a ia.
Ary niala teo Elia ka nahita an'i Elisa, zanak'i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin'ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy.
Na whakarerea ake e tera nga kau, a rere ana ki te whai i a Iraia, a ka mea, Tukua ahau kia kihi i toku papa, i toku whaea, ka haere ai ki te whai i a koe. Ano ra ko tera ki a ia, Haere, e hoki: i aha hoki ahau ki a koe?
Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an'i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka an'ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?
Na hoki ana tera i te whai i a ia, a ka mau ki nga kau o tetahi ioka, patua iho, kohuatia iho o raua kikokiko ki nga mea o nga kau, hoatu ana e ia te kikokiko ki nga tangata, a kainga ana e ratou. Na whakatika ana ia, haere ana ki te whai i a Ir aia, a mahi ana ki a ia.
Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.