Romans 16

Indry, Foiby anabavintsika, diakon'ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo,
commendo autem vobis Phoebem sororem nostram quae est in ministerio ecclesiae quae est Cenchris
mba horaisinareo ao amin'ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin'izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin'ny tenako koa.
ut eam suscipiatis in Domino digne sanctis et adsistatis ei in quocumque negotio vestri indiguerit etenim ipsa quoque adstitit multis et mihi ipsi
Veloma amin'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin'i Kristy Jesosy;
salutate Priscam et Aquilam adiutores meos in Christo Iesu
izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin'ny jentilisa koa.
qui pro anima mea suas cervices subposuerunt quibus non solus ego gratias ago sed et cunctae ecclesiae gentium
Ary veloma amin'ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin'i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy.
et domesticam eorum ecclesiam salutate Ephaenetum dilectum mihi qui est primitivus Asiae in Christo
Veloma amin'i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.
salutate Mariam quae multum laboravit in vobis
Veloma amin'i Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin'ny Apostoly sady tao amin'i Kristy talohako.
salutate Andronicum et Iuniam cognatos et concaptivos meos qui sunt nobiles in apostolis qui et ante me fuerunt in Christo
Veloma amin'i Ampliato, malalako ao amin'ny Tompo.
salutate Ampliatum dilectissimum mihi in Domino
Veloma amin'i Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin'i Kristy, sy Staky malalako.
salutate Urbanum adiutorem nostrum in Christo et Stachyn dilectum meum
Veloma amin'i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin'i Kristy. Veloma amin'ny ankohonan'i Aristobolo.
salutate Apellen probum in Christo
Veloma amin'i Herodiona havako. Veloma amin'ny ankohonan'i Narkisa, izay ao amin'ny Tompo.
salutate eos qui sunt ex Aristoboli salutate Herodionem cognatum meum salutate eos qui sunt ex Narcissi qui sunt in Domino
Veloma amin'i Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin'ny Tompo. Veloma amin'i Perysa malala, izay nikely aina fatratra ao amin'ny Tompo.
salutate Tryfenam et Tryfosam quae laborant in Domino salutate Persidam carissimam quae multum laboravit in Domino
Veloma amin'i Rofosy, ilay voafidy ao amin'ny Tompo, ary amin'ny reniny sy reniko.
salutate Rufum electum in Domino et matrem eius et meam
Veloma amin'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin'ny rahalahy ao aminy.
salutate Asyncritum Flegonta Hermen Patrobam Hermam et qui cum eis sunt fratres
Veloma amin'i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masina rehetra izay ao aminy.
salutate Filologum et Iuliam Nereum et sororem eius et Olympiadem et omnes qui cum eis sunt sanctos
Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an'i Kristy manao veloma anareo.
salutate invicem in osculo sancto salutant vos omnes ecclesiae Christi
Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny olona ireny.
rogo autem vos fratres ut observetis eos qui dissensiones et offendicula praeter doctrinam quam vos didicistis faciunt et declinate ab illis
Fa izy ireny tsy mba manompo an'i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon'ny tsy ary saina.
huiusmodi enim Christo Domino nostro non serviunt sed suo ventri et per dulces sermones et benedictiones seducunt corda innocentium
Fa efa niely any amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin'izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin'izay ratsy.
vestra enim oboedientia in omnem locum divulgata est gaudeo igitur in vobis sed volo vos sapientes esse in bono et simplices in malo
Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Deus autem pacis conteret Satanan sub pedibus vestris velociter gratia Domini nostri Iesu Christi vobiscum
Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako.
salutat vos Timotheus adiutor meus et Lucius et Iason et Sosipater cognati mei
Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo.
saluto vos ego Tertius qui scripsi epistulam in Domino
Gaio, ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo.
salutat vos Gaius hospes meus et universae ecclesiae salutat vos Erastus arcarius civitatis et Quartus frater
ei autem qui potens est vos confirmare iuxta evangelium meum et praedicationem Iesu Christi secundum revelationem mysterii temporibus aeternis taciti
quod nunc patefactum est per scripturas prophetarum secundum praeceptum aeterni Dei ad oboeditionem fidei in cunctis gentibus cognito
solo sapienti Deo per Iesum Christum cui honor in saecula saeculorum amen