Psalms 48

Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan'Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina.
canticum psalmi filiorum Core magnus Dominus et laudabilis nimis in civitate Dei nostri in monte sancto suo
Avo mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, tanànan'ny Mpanjaka lehibe.
specioso germini gaudio universae terrae monti Sion lateribus aquilonis civitatulae regis magni
Andriamanitra ao an-tranon'andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.
Deus in domibus eius agnitus est in auxiliando
Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.
quia ecce reges congregati sunt venerunt simul
Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;
ipsi videntes sic obstipuerunt conturbati sunt admirati sunt
Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka.
horror possedit eos ibi dolor quasi parturientis
Amin'ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon'i Tarsisy.
in vento uredinis confringes naves maris
Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao an-tanànan'Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay.
sicut audivimus ita vidimus in civitate Dei exercituum in civitate Dei nostri Deus fundavit eam usque in aeternum semper
Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin'ny tempolinao.
aestimavimus Deus misericordiam tuam in medio templi tui
Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin'ny faran'ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
secundum nomen tuum Deus sic laus tua usque ad extremum terrae iustitia repleta est dextera tua
Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin'Joda, noho ny fitsaranao.
laetetur mons Sion exultent filiae Iudae propter iudicia tua
Manodidina an'i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,
circumdate Sion et circumite eam numerate turres eius
Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon'andrianany, mba hambaranareo amin'ny taranaka mandimby.
ponite cor vestrum in moenibus separate palatia eius ut narretis in generatione novissima
Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin'ny fahafatesana aza.
quia ipse Deus Deus noster in saeculum et in perpetuum ipse erit dux noster in morte