I Chronicles 2

Izao no zanakalahin'Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Zebolona
filii autem Israhel Ruben Symeon Levi Iuda Isachar et Zabulon
sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera.
Dan Ioseph Beniamin Nepthali Gad Aser
Ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak'i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason'i Jehovah Era, lahimatoan'i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.
filii Iuda Her Aunan Sela tres nati sunt ei de filia Sue Chananitidis fuit autem Her primogenitus Iuda malus coram Domino et occidit eum
Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an'i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin'i Joda rehetra.
Thamar autem nurus eius peperit ei Phares et Zara omnes ergo filii Iuda quinque
Ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
filii autem Phares Esrom et Hamul
Ary ny zanakalahin'i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.
filii quoque Zarae Zamri et Ethan et Eman Chalchal quoque et Darda simul quinque
Ary ny zanakalahin'i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin'ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona.
filii Carmi Achar qui turbavit Israhel et peccavit in furto anathematis
Ary ny zanakalahin'i Etana dia Azaria.
filii Ethan Azarias
Ary ny zanakalahin'i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay;
filii autem Esrom qui nati sunt ei Ieremahel et Ram et Chalubi
ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona, lohan'ny taranak'i Joda;
porro Ram genuit Aminadab Aminadab autem genuit Naasson principem filiorum Iuda
ary Nasona niteraka an'i Salma; ary Salma niteraka an'i Boaza;
Naasson quoque genuit Salma de quo ortus est Boez
ary Boaza niteraka an'i Obeda; ary Obeda niteraka an'i Jese;
Boez vero genuit Obed qui et ipse genuit Isai
ary Jese niteraka an'i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,
Isai autem genuit primogenitum Heliab secundum Abinadab tertium Samaa
sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,
quartum Nathanahel quintum Raddai
sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy;
sextum Asom septimum David
Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin'i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;
quorum sorores fuerunt Sarvia et Abigail filii Sarviae Abisai Ioab et Asahel tres
ary Abigaila niteraka an'i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain'i Amasa.
Abigail autem genuit Amasa cuius pater fuit Iether Ismahelites
Ary Kaleba, zanakalahin'i Hezrona, niteraka tamin'i Azoba vadiny sy tamin'i Jeriota. Izao no zanakalahin'i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.
Chaleb vero filius Esrom accepit uxorem nomine Azuba de qua genuit Ierioth fueruntque filii eius Iesar et Sobab et Ardon
Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain'i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an'i Hora taminy;
cumque mortua fuisset Azuba accepit uxorem Chaleb Ephrath quae peperit ei Ur
ary Hora niteraka an'i Ory; ary Ory niteraka an'i Bezalila.
porro Ur genuit Uri et Uri genuit Beselehel
Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin'ny zanakavavin'i Makira, rain'i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an'i Segoba taminy ravehivavy;
post haec ingressus est Esrom ad filiam Machir patris Galaad et accepit eam cum esset annorum sexaginta quae peperit ei Segub
ary Segoba niteraka an'i Jaira, izay nanana tanàna madinika telo amby roa-polo tany amin'ny tany Gileada.
sed et Segub genuit Iair et possedit viginti tres civitates in terra Galaad
Ary nalain'i Gesora sy Arama tamin'ny Jairita ny tanàna madinika an'i Jaira mbamin'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an'ny zanak'i Makira, rain'i Gileada.
cepitque Gessur et Aram oppida Iair et Canath et viculos eius sexaginta civitatum omnes isti filii Machir patris Galaad
Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin'i Hezrona, dia niteraka an'i Asora, razamben'ny any Tekoa, taminy.
cum autem mortuus esset Esrom ingressus est Chaleb ad Ephrata habuit quoque Esrom uxorem Abia quae peperit ei Assur patrem Thecue
Ary ny zanakalahin'i Jeramela, lahimatoan'i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia.
nati sunt autem filii Hieramehel primogeniti Esrom Ram primogenitus eius et Buna et Aran et Asom et Ahia
Jeramela nanana vady hafa koa atao hoe Atara; izy no renin'i Onama.
duxit quoque uxorem alteram Hieramehel nomine Atara quae fuit mater Onam
Ary ny zanakalahin'i Rama, lahimatoan'i Jeramela, dia Maza sy Jamina ary Ekera.
sed et filii Ram primogeniti Hieramehel fuerunt Moos et Iamin et Achar
Ary ny zanakalahin'i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin'i Samay dia Nadaba sy Abisora.
Onam autem habuit filios Semmei et Iada filii autem Semmei Nadab et Abisur
Ary ny anaran'ny vadin'i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an'i Abana sy Molida taminy.
nomen vero uxoris Abisur Abiail quae peperit Ahobban et Molid
Ary ny zanakalahin'i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda.
filii autem Nadab fuerunt Saled et Apphaim mortuus est autem Saled absque liberis
Ary ny zanakalahin'i Apaima dia Jisy Ary ny zanakalahin'i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin'i Sesana dia Ahelay.
filius vero Apphaim Iesi qui Iesi genuit Sesan porro Sesan genuit Oholi
Ary ny zanakalahin'i Jada, rahalahin'i Samay, dia Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera.
filii autem Iada fratris Semmei Iether et Ionathan sed et Iether mortuus est absque liberis
Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo no zanakalahin'i Jeramela.
porro Ionathan genuit Phaleth et Ziza isti fuerunt filii Hieramehel
Ary Sesana tsy nanana zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no anarany.
Sesan autem non habuit filios sed filias et servum aegyptium nomine Ieraa
Ary ny zananivavy nomen'i Sesana ho vadin'i Jara mpanompony; ary izy niteraka an'i Atahy taminy.
deditque ei filiam suam uxorem quae peperit ei Eththei
Ary Atahy niteraka an'i Natana; ary Natana niteraka an'i Zabada;
Eththei autem genuit Nathan et Nathan genuit Zabad
ary Zabada niteraka an'i Efiala; ary Efiala niteraka an'i Obeda;
Zabad quoque genuit Ophlal et Ophlal genuit Obed
ary Obeda niteraka an'i Jeho; ary Jeho niteraka an'i Azaria;
Obed genuit Ieu Ieu genuit Azariam
ary Azaria niteraka an'i Haleza; ary Haleza niteraka an'i Elasa;
Azarias genuit Helles Helles genuit Elasa
ary Elasa niteraka an'i Sismay; ary Sismay niteraka an'i Saloma;
Elasa genuit Sisamoi Sisamoi genuit Sellum
ary Saloma niteraka an'i Jekamia; ary Jekamia niteraka an'i Elisama.
Sellum genuit Icamian Icamian genuit Elisama
Ary ny zanakalahin'i Kaleba, rahalahin'i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben'ny any Zifa, sy ny zanakalahin'i Maresa, razamben'ny any Hebrona.
filii autem Chaleb fratris Hieramehel Mosa primogenitus eius ipse est pater Ziph et filii Maresa patris Hebron
Ary ny zanakalahin'i Hebrona dia Kora sy Tapoa sy Rakema ary Sema.
porro filii Hebron Core et Thapphu et Recem et Samma
Ary Sema niteraka an'i Rahama, rain'i Jorkeama, ary Rakema niteraka an'i Samay;
Samma autem genuit Raam patrem Iercaam et Recem genuit Semmei
ary ny zanakalahin'i Samay dia Maona, ary Maona no razamben'ny any Beti-zora;
filius Semmei Maon et Maon pater Bethsur
ary Efaha, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana niteraka an'i Gazeza.
Epha autem concubina Chaleb peperit Arran et Musa et Gezez porro Arran genuit Gezez
Ary ny zanakalahin'i Jeday dia Ragema sy Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa.
filii Iadai Regom et Iotham et Gesum et Phaleth et Epha et Saaph
Maka, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Sabera sy Tirana.
concubina Chaleb Maacha peperit Saber et Tharana
Izy koa niteraka an'i Safa, razamben'ny any Madmana, sy Seva, razamben'ny any Makbena sady razamben'ny any Gibea; ary ny zanakavavin'i Kaleba dia Aksa.
genuit autem Saaph pater Madmena Sue patrem Machbena et patrem Gabaa filia vero Chaleb fuit Achsa
Izao no zanakalahin'i Kaleba, zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata: Sobala, razamben'ny any Kiriata-Jearima,
hii erant filii Chaleb filii Ur primogeniti Ephrata Sobal pater Cariathiarim
Salma, razamben'ny any Betlehema, Harefa, razamben'ny any Beti-gadera.
Salma pater Bethleem Ariph pater Bethgader
Ary Sobala, razamben'ny any Kiriata Zarima, nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota
fuerunt autem filii Sobal patris Cariathiarim qui videbat dimidium requietionum
ary ny fokon'i Kiriata-Jearima koa, dia ny Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misraita; avy tamin'ireo no nihavian'ny Zoraita sy ny Estaolita.
et de cognatione Cariathiarim Iethrei et Apphutei et Semathei et Maserei ex his egressi sunt Saraitae et Esthaolitae
Ny zanakalahin'i Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zoraita
filii Salma Bethleem et Netophathi coronae domus Ioab et dimidium requietionis Sarai
ary ny fokon'ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin'i Hamata, rain'ny taranak'i Rekaba.
cognationes quoque scribarum habitantium in Iabis canentes atque resonantes et in tabernaculis commorantes hii sunt Cinei qui venerunt de calore patris domus Rechab