Numbers 17

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
І Господь промовляв до Мойсея, говорячи:
Mitenena amin'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin'ny may ny fitondran'afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masina ireny;
Скажи до Елеазара, сина священика Аарона, і нехай він позбирає ті кадильниці з-посеред погорілища, а огонь повикидає геть, бо вони освятилися,
ary ny fitondran'afon'ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin'ny alitara; fa nateriny teo anatrehan'i Jehovah ireny ka masina; ary ho famantarana ho an'ny Zanak'Isiraely ireny.
кадильниці тих грішників, їхньою смертю. І нехай і вони зроблять із них биті бляхи на покриття для жертівника, бо приносили їх перед Господнє лице, і вони освятилися. І будуть вони знаком для Ізраїлевих синів.
Ary nalain'i Eleazara mpisorona ny fitondran'afo varahina, izay efa nanateran'ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin'ny alitara
І взяв священик Елеазар мідяні кадильниці, що приносили їх ті, що спалені, і перекували їх на покриття для жертівника,
ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak'i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah; fandrao ho tahaka an'i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
пам'ятка для Ізраїлевих синів, щоб чужий чоловік, хто не з Ааронового насіння, не наближався кадити кадило перед Господнім лицем, щоб не сталося з ними, як із Кореєм та з громадою його, як Господь говорив йому через Мойсея.
Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin'i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon'i Jehovah.
А назавтра вся громада Ізраїлевих синів нарікали на Мойсея та на Аарона, говорячи: Ви повбивали Господній народ!
Ary raha niangona hanome tsiny an'i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr'i Jehovah.
І сталося, коли громада збиралася на Мойсея та на Аарона, то обернулися вони до скинії заповіту, аж ось покрила її хмара, і показалася слава Господня!
Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana.
І ввійшли Мойсей та Аарон до переду скинії заповіту.
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
І Господь промовляв до Мойсея, говорячи:
Mialà amin'io fiangonana io handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.
Вийдіть з-посеред цієї громади, а Я винищу їх умить! І вони попадали на обличчя свої.
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Alao ny fitondran'afo, ka asio afo avy eo ambonin'ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin'ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin'i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
І сказав Мойсей до Аарона: Візьми кадильницю, і поклади на неї огню від жертівника, і поклади кадила, та й понеси швидко до громади, та й очисть її, бо вийшов гнів від Господнього лиця, і розпочалася поразка.
Dia nalain'i Arona izany, araka izay nandidian'i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan'ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin'ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an'ny olona.
І взяв Аарон, як говорив Мойсей, і побіг до середини зборів, аж ось розпочалася поразка народу! І він поклав кадила, і очистив народ.
Dia nijanona teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana. Ary izay efa matin'ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin'i Kora. Ary Arona niverina ho eo amin'i Mosesy teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan'ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin'ny folo; ary samy soraty eo amin'ny tehiny avy ny anaran'izy rehetra. Fa ny anaran'i Arona no hosoratanao amin'ny tehin'i Levy; fa tehina iray avy no ho an'ny lohan'ny fianakaviany. Dia hataonao ao amin'ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan'ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo. Ary ny tehin'ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo. Ary Mosesy dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, ka ny lohan'ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo; ary ny tehin'i Arona dia teo afovoan'ireo tehiny ireo. Dia napetrak'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah, dia tao amin'ny trano lain'ny Vavolombelona ireo tehina ireo. Ary nony ampitso dia niditra tao amin'ny trano-lain'ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin'i Arona, izay ho an'ny taranak'i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala. Dia nentin'i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan'i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin'ny Zanak'Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy. Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Avereno ny tehin'i Arona ho eo anoloan'ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an'ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy. Dia nataon'i Mosesy izany; araka izay efa nandidian'i Jehovah azy no nataony. Dia niteny tamin'i Mosesy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra. Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin'i Jehovah; ho lany maty va izahay?
І став він поміж умерлими та поміж живими, і затрималась та поразка. І було померлих поразкою чотирнадцять тисяч і сімсот, окрім померлих у справі Корея. І вернувся Аарон до Мойсея до входу скинії заповіту, а поразка припинилася. І Господь промовляв до Мойсея, говорячи: Промовляй до Ізраїлевих синів, і візьми від них по одній палиці для батьківського дому, від усіх їхніх начальників для дому їхніх батьків, дванадцять палиць; і напиши ймення кожного на палиці його. А Ааронове ймення напишеш на Левієвій палиці, бо одна палиця для голови дому батьків їх. І покладеш їх у скинії заповіту перед ковчегом свідоцтва, де Я, за умовою, буду являтися вам. І станеться, той чоловік, що Я виберу його, його палиця зацвіте. І Я відхилю від Себе нарікання Ізраїлевих синів, що вони нарікають на вас. І Мойсей промовляв до Ізраїлевих синів, і дали йому всі їхні начальники по палиці від кожного начальника для дому їхніх батьків, дванадцять палиць. А палиця Ааронова серед їхніх палиць. І поклав Мойсей ті палиці перед Господнім лицем у скинії заповіту. І сталося назавтра, і ввійшов Мойсей до скинії заповіту, аж ось зацвіла Ааронова палиця для Левієвого дому, і пустила пуп'янки, і зацвіла квіткою, і випустила дозрілі мигдалі! І виніс Мойсей усі ті палиці з-перед Господнього лиця до всіх Ізраїлевих синів, і вони побачили, і взяли кожен свою палицю. І сказав Господь до Мойсея: Верни Ааронову палицю до ковчегу свідоцтва, щоб берегти на ознаку для неслухняних синів, і спиниш їхні нарікання проти Мене, щоб не повмирали вони. І зробив так Мойсей, як Господь наказав був йому, так він і зробив. І сказали Ізраїлеві сини до Мойсея, говорячи: Тож ми повмираємо, погинемо, усі ми погинемо! Кожен, хто наблизиться до Господньої скинії, помре. Чи ж ми дорешти вимремо?