Matthew 1

Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, zanak'i Davida zanak'i Abrahama.
Книга родоводу Ісуса Христа, Сина Давидового, Сина Авраамового:
Abrahama niteraka an'i Isaka; ary Isaka niteraka an'i Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy avy;
Авраам породив Ісака, а Ісак породив Якова, а Яків породив Юду й братів його.
ary Joda niteraka an'i Fareza sy Zara tamin'i Tamara; ary Fareza niteraka an'i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama;
Юда ж породив Фареса та Зару від Тамари. Фарес же породив Есрома, а Есром породив Арама.
ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona;
А Арам породив Амінадава, Амінадав же породив Наассона, а Наассон породив Салмона.
ary Salmona niteraka an'i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an'i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an'i Jese;
Салмон же породив Вооза від Рахави, а Вооз породив Йовіда від Рути, Йовід же породив Єссея.
ary Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria;
А Єссей породив царя Давида, Давид же породив Соломона від Урієвої.
ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an'i Abia; ary Abia niteraka an'i Asa;
Соломон же породив Ровоама, а Ровоам породив Авію, а Авія породив Асафа.
ary Asa niteraka an'i Josafata; ary Josafata niteraka an'i Jorama; ary Jorama niteraka an'i Ozia;
Асаф же породив Йосафата, а Йосафат породив Йорама, Йорам же породив Озію.
ary Ozia niteraka an'i Jotama; ary Jotama niteraka an'i Ahaza; ary Ahaza niteraka an'i Hezekia;
Озія ж породив Йоатама, а Йоатам породив Ахаза, Ахаз же породив Єзекію.
ary Hezekia niteraka an'i Manase; ary Manase niteraka an'i Amona; ary Amona niteraka an'i Josia;
А Єзекія породив Манасію, Манасія ж породив Амоса, а Амос породив Йосію.
ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona.
Йосія ж породив Йоякима, Йояким породив Єхонію й братів його за вавилонського переселення.
Ary taorian'ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an'i Sealtiela; ary Sealtiela niteraka an'i Zerobabela;
А по вавилонськім переселенні Єхонія породив Салатіїля, а Салатіїль породив Зоровавеля.
ary Zerobabela niteraka an'i Abihoda; ary Abihoda niteraka an'i Eliakima; ary Eliakima niteraka an'i Azora;
Зоровавель же породив Авіюда, а Авіюд породив Еліякима, а Еліяким породив Азора.
ary Azora niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Akima; ary Akima niteraka an'i Elihoda;
Азор же породив Садока, а Садок породив Ахіма, а Ахім породив Еліюда.
ary Elihoda niteraka an'i Eleazara; ary Eleazara niteraka an'i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;
Еліюд же породив Елеазара, а Елеазар породив Маттана, а Маттан породив Якова.
ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.
А Яків породив Йосипа, мужа Марії, що з неї родився Ісус, званий Христос.
Ary ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babylona ka hatramin'i Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo.
А всіх поколінь від Авраама аж до Давида чотирнадцять поколінь, і від Давида аж до вавилонського переселення чотирнадцять поколінь, і від вавилонського переселення до Христа поколінь чотирнадцять.
Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.
Народження ж Ісуса Христа сталося так. Коли Його матір Марію заручено з Йосипом, то перш, ніж зійшлися вони, виявилося, що вона має в утробі від Духа Святого.
Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
А Йосип, муж її, бувши праведний, і не бажавши ославити її, хотів тайкома відпустити її.
Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,
Коли ж він те подумав, ось з'явивсь йому Ангол Господній у сні, промовляючи: Йосипе, сину Давидів, не бійся прийняти Марію, дружину свою, бо зачате в ній то від Духа Святого.
ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.
І вона вродить Сина, ти ж даси Йому йменна Ісус, бо спасе Він людей Своїх від їхніх гріхів.
Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe:
А все оце сталось, щоб збулося сказане пророком від Господа, який провіщає:
Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
Ось діва в утробі зачне, і Сина породить, і назвуть Йому Ймення Еммануїл, що в перекладі є: З нами Бог.
Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.
Як прокинувся ж Йосип зо сну, то зробив, як звелів йому Ангол Господній, і прийняв він дружину свою.
Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.
І не знав він її, аж Сина свого первородженого вона породила, а він дав Йому ймення Ісус.