ka niteny taminy tao Silo tao amin'ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an'i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an'ny biby fiompinay.
та й говорили до них у Шіло в ханаанському Краї, кажучи: Господь наказав був через Мойсея дати нам міста на сидіння, а їхні пасовиська для нашої худоби.
Dia nahazo loka ny fokon'ny Kehatita; ary ny loka azon'ny taranak'i Arona mpisorona isan'ny Levita dia tanàna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Joda sy ny firenen'i Simeona ary ny firenen'i Benjamina.
І вийшов жеребок для родів кегатеянина. І були синам священика Аарона з Левитів від племени Юдиного, і від племени Симеонового, і від племени Веніяминового тринадцять міст.
Ary ny loka azon'ny taranak'i Kehata sisa dia tanàna folo, avy tamin'ny fokon'ny firenen'i Efraima sy ny firenen'i Dana ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.
А Кегатовим синам, що позосталися з родів племени Єфремового й з племени Данового та з половини племени Манасіїного жеребком дісталося десять міст.
Ary ny loka azon'ny taranak'i Gersona dia tanàna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny fokon'ny firenen'Isakara sy ny firenen'i Asera sy ny firenen'i Naftaly ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase any Basana.
А для Ґершонових синів від родів Іссахарового племени, і від Асирового племени, і від Нефталимового племени, і від половини Манасіїного племени в Башані жеребком дісталося тринадцять міст.
Ary ny loka azon'ny taranak'i Merary isam-pokony dia tanàna roa ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.
Мерарієвим синам за їхніми родами дісталося від племени Рувимового, і від племени Ґадового, і від племени Завулонового дванадцять міст.
Dia nomeny ny taranak'i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy
А синам священика Аарона дали місто сховища вбійника: Хеврон та його пасовиська, і Лівну та її пасовиська,
ary Aina sy ny tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy: tanàna sivy avy tamin'ireo firenena roa ireo;
і Аїн та його пасовиська, і Ютту та її пасовиська, Бет-Шемеш та його пасовиська, дев'ять міст від двох тих племен.
Dia nomeny azy Sekema sy ny tany manodidina azy any amin'ny tany havoan'i Efraima, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy
І дали їм місто сховища вбійника: Сихем та його пасовиська, на Єфремовій горі, і Ґезер та його пасовиська.
Ary izao no azon'ny taranak'i Gersona isan'ny fokon'ny Levita; avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna roa;
А для Ґершонових синів з Левієвих родів від половини Манасіїного племени місто сховища вбійника: Ґолан у Башані та його пасовиська, і Беештера та її пасовиська, міст двоє.
ary avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany manodidina azy ary Kanana sy ny tany manodidina azy. dia tanàna telo.
А від Нефталимового племени місто сховища вбійника: Кедеш у Ґаліл та його пасовиська, і Хаммот-Дор та його пасовиська, і Картан та його пасовиська, міст троє.
Ary izao no azon'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay Levita sisa: avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Jokneama sy ny tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina azy,
А для родів Мерарієвих синів, Левитів, позосталих від племени Завулонового: Йокнеам та його пасовиська, Карта та її пасовиська.
ary avy tamin'ny firenen'i Gada dia Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy
А від Ґадового племени місто сховища вбійника: Рамот у Ґілеаді та його пасовиська, і Маханаїм та його пасовиська,
Dia nomen'i Jehovah fitsaharana amin'ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin'ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin'ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr'i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra.
І Господь дав їм мир навколо, усе так, як присягнув був їхнім батькам. І ніхто зо всіх їхніх ворогів на встояв перед ними, усіх їхніх ворогів Господь дав у їхню руку.