Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
А скинію зробиш із десяти покривал із суканого віссону, і блакиті, і пурпуру та з червені. Херувими мистецькою роботою зробиш ти їх.
Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin'ny ambainy iray, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin'ny ambainy farany, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.
І поробиш блакитні петельки на краю одного покривала з кінця в спинанні. І так само зробиш на краю кінцевого покривала в спинанні другім.
Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana.
П'ятдесят петельок поробиш у покривалі однім, і п'ятдесят петельок поробиш на кінці покривала, що в другім спинанні. Ті петельки протилеглі одна до однієї.
Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray hiorenan'ny lahiny roa.
І сорок срібних підстав поробиш під тими двадцятьма дошками, дві підставі під однією дошкою для двох ручок її, і дві підставі під дошкою другою для двох ручок її.
Ary hakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin'ny zorony roa no hisy izany.
І нехай вони будуть поєднані здолу, і нехай разом будуть поєднані на верху її до однієї каблучки. Так нехай буде для обох них; нехай вони будуть для обох кутів.
Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin'ny farango; ary ampidiro ao anatin'ny efitra lamba ny fiaran'ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo.
І повісь ту завісу під гачками, і внесеш туди за завісу ковчега свідоцтва. І ця завіса буде відділяти вам між святинею й між Святеє Святих!
Ary apetraho eo ivelan'ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin'ny latabatra amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin'ny lafiny avaratra.
І поставиш стола назовні завіси, а свічника навпроти столу на боці скинії на південь, а стола поставиш на боці півночі.
Ary manaova varavarana lamba ho eo amin'ny lay, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
І зробиш заслону входу скинії з блакиті, і пурпуру, і червені та з суканого віссону, робота гаптівника.