I Kings 5

Ary Solomona nanjaka tamin'ny fanjakana rehetra hatramin'ny Ony sy ny tanin'ny Filistina ka hatramin'ny sisin'i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an'i Solomona tamin'ny andro rehetra niainany.
А Соломон панував над усіма царствами від Річки аж до филистимського краю та аж до границі Єгипту. Вони приносили дари та служили Соломонові по всі дні його життя.
Ary ny fihinan'i Solomona isanandro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora,
І була Соломонова пожива на один день: тридцять корів пшеничної муки, а шістдесят корів іншої муки.
sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman'osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy.
Десятеро з великої ситої худоби, і двадцятеро з худоби великої з паші та сотня худоби дрібної, окрім оленя, і сарни, і антилопи та ситих гусок.
Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ an-dafin'ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin'ny mpanjaka rehetra etỳ an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.
Бо він панував по всій цій стороні Річки від Тіфсаху та аж до Аззи над усіма царями по цей бік Річки. І був у нього мир зо всіх сторін його навколо.
Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin'ny andron'i Solomona rehetra, samy teny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
І безпечно сидів Юда та Ізраїль, кожен під своїм виноградником та під своєю фіґою від Дану й аж до Беер-Шеви всі дні Соломона.
Ary Solomona nanana efi-trano efatra alina, fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy, ary soavaly fitaingina roa arivo amby iray alina.
І було в Соломона сорок тисяч стійлів для коней колесниць його та дванадцять тисяч верхівців.
Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain'i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin'ny : latabatr'i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin'ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
І годували ці намісники царя Соломона та кожного, хто приходив до столу царя Соломона, кожен свій місяць, і не було недостачі ні в чому.
Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an'ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin'ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy.
А ячменю та соломи для коней та для румаків спроваджували до місця, де хто був, кожен за постановою для нього.
Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.
І дав Бог Соломонові дуже багато мудрости та розуму, а широкість серця як пісок, що на березі моря.
Ary ny fahendren'i Solomona nihoatra noho ny fahendren'ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren'ny Egyptiana rehetra.
І збільшилася Соломонова мудрість над мудрість усіх синів сходу та над усю мудрість Єгипту.
Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak'i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin'ny firenena rehetra manodidina.
І був він мудріший від усякого чоловіка, від Етана езрахітського, і Гемана, і Калкола та Дарди, Махолових синів. А ім'я його було славне серед усіх людей навколо.
Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo.
І він проказав три тисячі приказок, а пісень його було тисяча й п'ять.
Ary nilaza ny amin'ny hazo hatramin'ny hazo sedera any Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry eny amin'ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.
І говорив він про дерева, від кедру, що на Ливані, й аж до ісопу, що росте на стіні. І говорив про худобу, і про птаства, і про плазуюче та про риб.
Ary dia nisy tonga avy tany amin'ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren'i Solomona, dia avy amin'ny mpanjakan'ny tany rehetra izay efa nahare ny amin'ny fahendreny.
І приходили від усіх народів, щоб послухати Соломонову мудрість, від усіх царів краю, що чули про мудрість його.
Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin'i Solomona, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa Hirama dia sakaizan'i Davida hatrizay ela izay.
І послав Хірам, цар Тиру, своїх слуг до Соломона, бо почув, що його помазали на царя на місце батька його, бо Хірам був приятелем Давидовим по всі дні.
Ary Solomona naniraka tany amin'i Hirama hanao hoe:
І послав Соломон до Хірама, говорячи:
Fantatrao fa Davida raiko tsy nahavita trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamaniny noho ny ady nanodidina azy, ambara-panaon'i Jehovah ireo ho eo ambanin'ny faladiany.
Ти знаєш мого батька Давида, що не міг він збудувати дому для Імени Господа, Бога свого, через війни, що оточували його, аж поки Господь не віддав їх, ворогів, під стопи ніг його.
Fa ankehitriny Jehovah Andriamanitro efa nanome ahy fitsaharana amin'ny manodidina, ka tsy misy fahavalo na loza manjo intsony. Ary, indro, izaho mikasa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro, araka ilay nolazain'i Jehovah tamin'i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an'ny anarako. Roa dia mba asaovy misy mikapa hazo sedera any Libanona ho ahy; ary ny vahoakako hiarata amin'ny vahoakanao, ka ny karaman'ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona atỳ aminay mahay mikapa hazo tahaka ny Sidoniana. Ary rehefa ren'i Hirama ny tenin'i Solomona, dia faly indrindra izy ka nanao hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho Davida hanapaka izao olona betsaka izao. Ary Hirama naniraka tany amin'i Solomona hanao hoe: Efa reko ny nanirahanao tatỳ amiko; koa izaho dia hanao izay rehetra irinao ny amin'ny hazo sedera sy ny hazo kypreso. Ny vahoakako hitondra azy midina avy any Libanona ho any amin'ny ranomasina, ary hofeheziko ka hampandehaniko mitsinkafona amin'ny rano ho any amin'izay hotononinao, ary any vao hoberahiko izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao izay iriko amin'ny fanomezan-kanina ho an'ny ankohonako. Ary Hirama dia nanome hazo sedera sy hazo kypreso ho an'i Solomona araka izay rehetra nilainy. Ary Solomona kosa nanome an'i Hirama vary tritika roa alina kora ho an'ny ankohonany ary diloilo roa-polo kora avy amin'ny oliva voatoto; izany no nomen'i Solomona an'i Hirama isan-taona isan-taona. Ary Jehovah nanome fahendrena an'i Solomona, araka izay nolazainy taminy; ary nihavana Hirama sy Solomona, ka nanao fanekena izy roa lahy. Ary Solomona mpanjaka naka olona tamin'ny Isiraely rehetra hanao fanompoana, ka olona telo alina no nalainy. Ary nirahiny nankany Libanona ireny, dia iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana izy no tany Libanona, ary roa volana kosa mba tany an-tranony; ary Adonirama no nifehy azy rehetra. Ary Solomona nanana mpitondra entana fito alina sy tambato valo alina teny an-tendrombohitra, afa-tsy ny lehiben'ireo olona voatendrin'i Solomona ireo, izay nitandrina ny raharaha, dia telonjato amby telo arivo lahy izay nifehy ny mpiasa. Ary ny mpanjaka dia nandidy hanamboatra vato vaventy tsara sady voapaika hatao fanorenan'ny trano. Ary ny mpiasan'i Solomona sy Hirama (indrindra fa ny avy any Gebala) no nipaika sy nanamboatra ny hazo sy ny vato hatao trano.
А тепер Господь, Бог мій, дав мені відпочинок навколо, нема противника, і нема злого випадку. І ото я маю на думці збудувати дім Імени Господа, Бога мого, як Господь говорив був моєму батькові Давидові, кажучи: Син твій, якого дам замість тебе на трон твій, він збудує той дім для Ймення Мого. А тепер накажи, і нехай зітнуть мені кедри з Ливану, а раби мої будуть із рабами твоїми, а в нагороду за твоїх рабів я дам тобі все, що скажеш, бо ти знаєш, що серед нас немає нікого, хто вмів би стинати дерева, як сидоняни. І сталося, як почув Хірам Соломонові слова, то дуже зрадів та й сказав: Благословенний Господь сьогодні, що дав Давидові мудрого сина над цим великим народом! І послав Хірам до Соломона, говорячи: Почув я про те, про що посилав ти до мене. Я виконаю все бажання твоє, щодо дерева кедрового та дерева кипарисового. Мої раби спустять із Ливану до моря, а я їх поскладаю в плоти, і відправлю морем аж до місця, про яке пошлеш мені звістку, і порозбиваю їх там, і ти забереш. А ти виконаєш моє бажання, дати хліба для мого дому. І давав Хірам Соломонові дерева кедрові та дерева кипарисові, усе за бажанням його. А Соломон давав Хірамові двадцять тисяч корів пшениці, живність для дому його, та двадцять тисяч корів товченої оливи. Так давав Соломон Хірамові рік-у-рік. А Господь дав Соломонові мудрість, як обіцяв був йому. І був мир між Хірамом та між Соломоном, і обидва вони склали умову. А Соломон зібрав данину робітників зо всього Ізраїля, і була та данина тридцять тисяч чоловіка. І він посилав їх до Ливану, по десять тисяч на місяць, напереміну: місяць були вони на Ливані, два місяці у домі своїм; а Адонірам доглядав над робітниками. І було в Соломона сімдесят тисяч тягарових носіїв та вісімдесят тисяч ламачів у горах, окрім трьох тисяч і трьох сотень керівників, що настановив Соломон над працею, вони правили над народом, що робили працю. І цар наказав, і вони ламали велике каміння, каміння дороге, щоб закласти дім із тесаного каміння. І їх отесували будівничі Соломонові й будівничі Хірамові та ґівляни, і наготовили дерева та каміння на збудування храму.