fa amin'ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay, dia amin'ny faharetana be, amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana,
αλλα εν παντι συνιστωντες εαυτους ως υπηρεται Θεου, εν υπομονη πολλη, εν θλιψεσιν, εν αναγκαις, εν στενοχωριαις,
tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
ως λυπουμενοι παντοτε ομως χαιροντες, ως πτωχοι πολλους ομως πλουτιζοντες, ως μηδεν εχοντες και τα παντα κατεχοντες.
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina?
Μη ομοζυγειτε με τους απιστους διοτι τινα μετοχην εχει η δικαιοσυνη με την ανομιαν; τινα δε κοινωνιαν το φως προς το σκοτος;
Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12).
Τινα δε συμβιβασιν ο ναος του Θεου με τα ειδωλα; διοτι σεις εισθε ναος Θεου ζωντος, καθως ειπεν ο Θεος οτι θελω κατοικει εν αυτοις και περιπατει, και θελω εισθαι Θεος αυτων, και αυτοι θελουσιν εισθαι λαος μου.