Psalms 125

Fihirana fiakarana. Izay matoky an'i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.
RAB’be güvenenler Siyon Dağı’na benzer, Sarsılmaz, sonsuza dek durur.
Tahaka ny tendrombohitra manodidina an'i Jerosalema No anodidinan'i Jehovah ny olony Hatramin'izao ka ho mandrakizay
Dağlar Yeruşalim’i nasıl kuşatmışsa, RAB de halkını öyle kuşatmıştır, Şimdiden sonsuza dek.
Fa tsy hitoetra eo amin'ny anjaran'ny marina ny tehim-panjakan'ny ratsy fanahy, Fandrao ny marina haninjitra ny tànany hanendry zava-dratsy.
Kalmayacak kötülerin asası, Doğruların payına düşen toprakta, Yoksa doğrular haksızlığa el uzatabilir.
Jehovah ô, manaova soa amin'ny tsara Sy ny mahitsy fo.
İyilik et, ya RAB, İyilere, yüreği temiz olanlara.
Fa izay mivily ho amin'ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin'i Jehovah miaraka amin'ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
Ama kendi halkından eğri yollara sapanları, RAB kötü uluslarla birlikte kovacak. İsrail’e esenlik olsun!