Zechariah 12

Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan'ny tany ary mamorona ny fanahin'ny olona ao anatiny:
Ko te poropititanga, he kupu na Ihowa mo Iharaira, E ai ta Ihowa, nana nei nga rangi i hora, nana te whenua i whakatu, nana i whai ahua ai te wairua o te tangata i roto i a ia.
Indro, Izaho hanao an'i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an'ny firenena rehetra manodidina; ary ny Joda koa hiharan'izany ny hanaovana fahirano an'i Jerosalema.
Tenei ahau te mea nei i Hiruharama hei kapu wiri ki nga iwi katoa a taka noa; ka pehi ano i a Hura i te whakapaenga o Hiruharama.
Ary amin'izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an'ny ny firenena rehetra, ka harĂ tra dia harĂ tra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin'ny tany.
Na i taua ra ka meinga e ahau a Hiruharama hei kohatu taimaha ki nga iwi katoa: ko te hunga katoa e hapai ana ka maruru rawa, a ka huihui nga iwi katoa o te whenua ki te tu ki a ia.
Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin'ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin'ny fahadalana, hampihiratra ny masoko amin'ny taranak'i Joda Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an'ny firenena amin'ny fahajambana.
I taua ra, e ai ta Ihowa, ka patua e ahau ki te miharo nga hoiho katoa, me o ratou kaieke ki te haurangi: a ka titiro matatau oku kanohi ki te whare o Hura, ka patua ano e ahau nga hoiho katoa o nga iwi ki te matapo.
Ary ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hanao anakampo hoe: Ny mponina any Jerosalema dia heriko ao amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamaniny.
A ka mea nga rangatira o Hura i roto i o ratou ngakau, Ko nga tangata o Hiruharama hei kaha moku i runga i to ratou Atua, i a Ihowa o nga mano.
Amin'izany andro izany ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin'ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin'ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin'ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.
I taua ra ka meinga e ahau nga rangatira o Hura kia rite ki te kanga ahi i roto i nga rakau, kia rite ano ki te rama ahi i roto i te paihere; ka pau hoki i a ratou nga iwi katoa i te taha matau, i te taha maui, a karapoi noa; a tera a Hiruharama e noho ano i runga i tona turanga, ara i Hiruharama.
Ary hovonjen'i Jehovah aloha ny lain'ny Joda, mba tsy hisandratra ambonin'ny Joda intsony ny voninahitry ny taranak'i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema.
Na ka whakaora a Ihowa i nga teneti o Hura i te tuatahi, kei whakapehapeha te kororia o te whare o Rawiri, te kororia ranei o nga tangata o Hiruharama ki a Hura.
Amin'izany andro izany dia harovan'i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin'izany andro izany dia ho tahaka an'i Davida; ary ny taranak'i Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin'i Jehovah eo anoloany.
I taua ra ka tiakina e Ihowa nga tangata o Hiruharama; na, ko te tangata ngoikore i roto i a ratou, ka rite i taua ra ki a Rawiri; ko te whare o Rawiri ki te Atua, ki te anahera a Ihowa i to ratou aroaro.
Amin'izany andro izany dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an'i Jerosalema Aho.
I taua ra ka whai ahau kia whakangaromia nga iwi katoa e haere mai ana ki te whawhai ki Hiruharama.
Ary haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny mponina any Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan'ny olona ny lahimatoany.
Ka ringihia ano e ahau te wairua o te aroha noa, o nga inoi ki runga ki te whare o Rawiri, ki nga tangata o Hiruharama, a ka titiro ratou ki ahau ki ta ratou i wero ai, ka tangi ano ki a ia, me te mea e tangi ana ki tana huatahi, ka pouri ano ki a ia, me te mea e pouri ana ki tana matamua.
Amin'izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin'ny lohasaha Megido.
I taua ra ka nui te tangi i roto i Hiruharama, ka rite ki te tangi i Harararimono i te raorao o Mekirono.
Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian'i Davida mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Natana mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;
A ka tangi te whenua, tenei hapu, tenei hapu, wehe rawa; ko te hapu o te whare o Rawiri wehe rawa, ko a ratou wahine wehi rawa; ko te hapu o te whare o Natana wehe rawa, ko a ratou wahine wehe rawa;
ny fianakavian'ny taranak'i Levy mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Simey mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;
Ko te hapu o te whare o Riwai wehe rawa, ko a ratou wahine wehe rawa; ko te hapu o Himei wehe rawa, ko a ratou wahine wehe rawa,
ny fianakaviana sisa rehetra mitokana isam-pianakaviana, ary ny vadin'ireo mitokana.
Ko nga hapu katoa e toe ana, ko tenei hapu, ko tenei hapu, wehe rawa, me a ratou wahine wehe rawa.