Romans 6

Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana?
Ha, kia pehea he korero ma tatou? Kia mau tonu oti tatou ki te hara, kia hua ai te aroha noa?
Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
Kahore rapea. Ko tatou kua whakatupapakutia nei ki te hara, me pehea tatou e noho tonu atu ai ano i roto i taua hara?
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany?
Kahore ianei koutou i mohio, ko tatou kua iriiria nei ki roto ki a Karaiti Ihu, kua iriiria ki roto ki tona matenga?
Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.
Na kua tanumia ngatahitia tatou me ia ki roto ki te matenga, he mea na te iriiri: kia rite ai ki a te Karaiti i whakaarahia ake nei i te hunga mate e te kororia o te Matua, waihoki ko tatou kia haere i roto i te houtanga o te ora.
Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany;
Ki te mea hoki kua honoa tatou ki a ia i runga i te ahua o tona matenga, ka honoa ano tatou ki a ia i runga i te ahua o tona aranga:
fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
E mohio ana hoki ki tenei, kua ripekatia ngatahitia me ia to tatou tangata tawhito, kia hemo ai te tinana o te hara, kia mutu ai to tatou ponongatanga ki te hara;
Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.
Ko te mea hoki kua mate, kua mawheto ia i te hara.
Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;
Ki te mea kua mate tahi tatou ko te Karaiti, e whakapono ana tatou e ora tahi ano tatou me ia:
ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
E matau ana hoki tatou, ka ara nei a te Karaiti i te hunga mate, heoi ano ona matenga; kahore he kingitanga o te mate ki a ia a mua tonu atu.
Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy.
Ko tona matenga hoki i mate ai ia, he mate kotahi ki te hara: ko tona oranga ia, he ora ki te Atua.
Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.
Waihoki mahara iho ki a koutou, kua whakatupapakutia koutou ki te hara, e ora ana ia ki te Atua, i roto i a Ihu Karaiti.
Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;
Mo konei ra aua te hara e kingi i roto i to koutou tinana mate, e ngohengohe ai koutou ki ta nga hiahia poke o taua tinana nei:
ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.
Kaua hoki e tukua o koutou wahi ki te hara hei kaimahi i te he: engari tukua atu koutou ki te Atua, he hunga kua ora i roto i te hunga mate, me o koutou wahi hoki hei kaimahi i te tika ki te Atua.
Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.
E kore hoki te hara e waiho hei rangatira mo koutou: ehara i te mea kei raro koutou i te ture, engari kei raro ke i te aroha noa.
Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!
He aha koia? kia hara oti tatou, no te mea ehara tatou i te ture, engari no te aroha noa? Kahore rapea.
Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana?
Kahore oti koutou i matau, ki te tuku koutou i a koutou ki tetahi hei pononga, he pononga koutou na tera kua ngohengohe na koutou ki tana; na te hara ranei, a mate iho, na te ngohengohe ranei, a tika ake?
Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo;
Ko tenei me whakawhetai ki te Atua, ahakoa he pononga koutou na te hara i mua, kua meinga o koutou ngakau kia ngohengohe ki te ako i whakaakona ai koutou;
ary rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana.
Na ka atea nei koutou i te hara, ka meinga koutou he pononga na te tika.
Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
He kupu tangata tenei naku, na te ngoikore o to koutou kikokiko: na i tukua ra o koutou wahi hei pononga ma te poke, ma te tutu, ki te mahi tutu; waihoki me tuku o koutou wahi aianei hei pononga ma te tika, puta ake he tapu.
Fa fony mpanompon'ny ota ianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana.
I a koutou hoki e pononga ana ki te hara, e atea ana koutou i te tika.
Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran'izany zavatra izany.
Na i taua wa he aha nga hua i a koutou o nga mea e whakama na koutou inaianei? he mate hoki te mutunga o aua mea.
Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
Tena ko tenei ka atea nei koutou i te hara, a ka meinga hei pononga ma te Atua, ko nga hua ki a koutou he tapu, a, ko te tukunga iho he ora tonu.
Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
Ko nga utu hoki o te hara he mate; ko ta te Atua ia i homai ai he ora tonu, i roto i a Karaiti Ihu, i to tatou Ariki.