Revelation of John 5

Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
A i kite ano ahau i te ringa matau o tera e noho ra i runga i te torona, he pukapuka kua oti te tuhituhi a roto, a tua hoki, he mea hiri ki nga hiri e whitu.
Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
A i kite ahau i tetahi anahera kaha e karanga ana, he nui te reo, Ko wai e tika ana hei whakatuwhera i te pukapuka, hei wawahi i ona hiri?
Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
A kihai i taea e tetahi i te rangi, i te whenua ranei, i raro ranei i te whenua, te whewhera i te pukapuka, te titiro ranei ki reira.
Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
Na nui atu toku tangi, no te mea kihai i kitea tetahi e tika ana hei whewhera i te pukapuka, hei titiro iho ranei ki reira:
Ary ny anankiray tamin'ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.
Na ka mea mai tetahi o nga kaumatua ki ahau, Kaua e tangi, na, kua riro te wikitoria i te Raiona o te hapu o Hura, i te Putake o Rawiri, mana e whakatuwhera te pukapuka, e wawahi ona hiri e whitu.
Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra.
A i kite ano ahau, na, i waenganui o te torona, o nga mea ora hoki e wha, i waenganui ano hoki o nga kaumatua, he Reme e tu ana, te ahua kei to te mea i whakamatea, e whitu ona haona, e whitu nga kanohi; ko nga Wairua e whitu enei o te Atua, kua tonoa nei puta noa i te ao.
Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
Na ka haere atu ia, ka tango i te pukapuka i roto i te matau o tera e noho ra i runga i te torona.
Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany.
A, no ka tango ia i te pukapuka, ka hinga iho nga mea ora e wha, me nga kaumatua e rua tekau ma wha, ki te aroaro o te Reme, he hapa i tetahi, i tetahi o ratou, me nga oko koura ki tonu i nga mea kakara, ko nga inoi era a te hunga tapu.
Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra;
Na ka waiata ratou i te waiata hou, ka mea, Pai tonu koe hei tango i te pukapuka, hei wahi i ona hiri: i whakamatea hoki koe, a hokona ana matou e koe hei hunga ma te Atua ki ou toto, i roto i nga hapu, i nga reo, i nga huihuinga tangata, i nga i wi katoa;
Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy.
A meinga ana ratou e koe hei kingi, hei tohunga ki to matou Atua: ka kingi ano ratou ki runga ki te whenua.
Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina ary ny loholona, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo,
Na i kite ahau, i rongo hoki ahau i te reo o nga anahera maha i nga taha katoa o te torona, o nga mea ora hoki, o nga kaumatua: na ko to ratou tokomaha kei nga mano tekau mano tekau, me nga mano mano;
nanao tamin'ny feo mahery hoe: Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
Nui atu to ratou reo ki te mea mai, Pai tonu te Reme i whakamatea hei tango i te kaha, i te taonga, i te matauranga, i te mana, i te honore, i te kororia, i te whakapai.
Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
I rongo ano ahau ki nga mea hanga katoa o te rangi, o te whenua, i raro ano hoki i te whenua, ki era hoki i te moana, ki nga mea katoa o reira, e mea ana, Waiho atu i tenei e noho nei i runga i te torona, i te Reme hoki, te whakapai, te honore, te kororia, te kaha a ake ake.
Ary ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.
Na ka mea nga mea ora e wha, Amine. A ka hinga iho nga kaumatua, ka koropiko.