Revelation of John 20

Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany;
A ka kite ahau i tetahi anahera e heke iho ana i te rangi, kei a ia te ki o te poka torere, me tetahi mekameka nui i tona ringaringa.
dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona,
Na ka mau ia ki te tarakona, ki te nakahi onamata, ko te Rewera nei ia, ko Hatana hoki, ka herehere i a ia kotahi mano nga tau;
dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
Ka maka i a ia ki te poka torere, uakina ana, whakapiri rawa te hiri ki runga ki a ia, kei whakapohehe ia i nga tauiwi i muri iho, kia taka ra ano nga tau kotahi mano: a muri iho i enei mea me wewete ia, he taima iti kau ia.
Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona.
I kite ano ahau i nga torona, e noho ana hoki ratou i runga, i hoatu ano hoki te whakawa ki a ratou: i nga wairua hoki o te hunga i poutoa mo te whakaaturanga i a Ihu, mo te kupu hoki a te Atua, te hunga kahore i koropiko ki te kararehe, ki tona whakapakoko ranei, kihai hoki i meatia te tohu ki o ratou rae, ki o ratou ringaringa; na ka ora ratou, ka kingi tahi me te Karaiti, kotahi mano tau.
Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
Kihai ia i ora ake te toenga o nga tupapaku, a taka noa nga tau kotahi mano. Ko te aranga tuatahi tenei.
Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
Hari tonu, tapu tonu te tangata he wahi nei tona i te aranga tuatahi: e kore te matenga tuarua e whai mana ki a ratou; engari hei tohunga ratou ma te Atua, ma te Karaiti hoki, a kotahi mano nga tau e kingi tahi ai ratou me ia.
Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany
A, no ka pahemo nga tau kotahi mano, ka wetekina a Hatana i roto i tona whare herehere.
ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.
A ka haere ia ki te whakapohehe i nga tauiwi i nga pito e wha o te whenua, i a Koka raua ko Makoka, e huihui ai ratou ki te taua: ko te tokomaha o ratou rite tonu ki te onepu o te moana.
Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy.
Na haere ana ratou ki te whanui o te whenua, karapotia ana e ratou te nohoanga o te hunga tapu, me te pa e arohaina ana: na ko te hekenga iho o te kapura i te Atua i te rangi, pau ake ratou.
Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo.
Na, ko te rewera i whakapohehe nei i a ratou, panga ana ia ki te roto kapura whanariki, ki te wahi kei reira nei te kararehe me te poropiti teka, a ka whakamamaetia ratou i te ao, i te po, ake ake.
Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
A ka kite ahau i tetahi torona nui, ma, i tetahi hoki e noho ana i runga, rere ana te whenua me te rangi i tona kanohi; kahore hoki i kitea he wahi mo raua.
Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany.
I kite ano ahau i te hunga mate, i te hunga nunui, i te hunga ririki, e tu ana i mua o te torona; na kua whakatuwheratia nga pukapuka; kua whakatuwheratia ano hoki tetahi atu pukapuka, ko te pukapuka o te ora: kei nga mea hoki i tuhituhia ki aua pukapuka he whakawa mo te hunga mate, he mea whakarite tonu ki a ratou mahi.
Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.
I tukua mai ano e te moana te hunga mate i roto i a ia; i tukua mai hoki e te mate, e te po, te hunga mate i roto i a raua: na ka whakawakia tena tangata, tena, he mea whakarite ki a ratou mahi.
Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.
Na ka panga te mate me te po ki te roto ahi. Ko te tuarua tenei o nga mate, ara ko te roto ahi.
Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
A, ki te kitea tetahi kihai i tuhituhia ki te pukapuka o te ora, i panga ia ki te roto ahi.