Revelation of John 18

Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny.
A muri iho i enei mea ka kite ahau i tetahi atu anahera e heke iho ana i te rangi, he mana nui tona; marama tonu hoki te ao i tona kororia.
Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren'ny fanahy maloto rehetra ary akanin'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.
He nui hoki tona reo ki te karanga, ki te mea, Kua horo, kua horo a Papurona nui, kua meinga hei kainga rewera, hei whare herehere hoki mo nga wairua poke katoa, hei whare herehere mo nga manu poke katoa, mo nga manu whakarihariha.
Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan'ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena.
Na te waina hoki o te riri o tona moepuku i horo ai nga tauiwi katoa; i moepuku hoki nga kingi o te whenua ki a ia, a kua whiwhi nui nga kaihoko o te ao i te taonga i te nui o ana mea whakaahuareka.
Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.
I rongo ano ahau i tetahi atu reo i te rangi, e mea ana, Puta mai koutou i roto i a ia, e toku iwi, kei uru tahi koutou ki ona hara, kei pangia koutou e ona whiu:
Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.
Kua tutuki hoki ona hara ki te rangi, kua mahara te Atua ki ana mahi he.
Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy; ny kapoaka izay nofenoiny, dia fenoy indroa heny ho azy.
Hoatu ki a ia tana i homai ai ki a koutou, takiruatia nga mea mona, kia rite ki ana mahi: ko te kapu i whakakiia e ia kia rua a koutou whakakinga mona.
Toraka itsy niderany tena sy nivelomany tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho;
Na kia rite ki tana whakanuinga i a ia, ki tona toreretanga ki ana mea whakaahuareka, kia pera ano te mamae me te pouri e hoatu e koutou ki a ia: e mea ana hoki ia i tona ngakau, E noho ana ahau hei kuini, ehara hoki ahau i te pouaru, e kore ano hoki ahau e kite i te pouri.
koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon'ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.
Mo konei ano ka tae mai ona whiu i te ra kotahi, te mate, te pouri, te matekai; a ka tahuna ia kia pau rawa i te ahi: he kaha hoki te Ariki, te Atua, e whakawa nei i a ia.
Ary ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany ary, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;
A, ko nga kingi o te ao i moepuku nei ki a ia, i torere ngatahi nei ki ana mea whakaahuareka, tera e tangi ki a ia, e aue ki a ia, ina kite ratou i te paoa o tona tahunga;
eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Babylona, izay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin'ny ora izay monja dia tonga ny fitsarana anao.
Ka tu mai ratou i tawhiti i te wehi ki tona whakamamae, ka mea, Aue, aue, te pa nui, Papurona, te pa kaha! kua tae mai hoki tou whakawa i te haora kotahi.
Ary ny mpandranto amin'ny tany dia hitomany sy hisaona azy; fa tsy hisy mpividy intsony ny entany:
Ka tangi ano hoki nga kaihoko o te whenua, ka aue ki a ia; no te mea kahore atu he tangata hei hoko i ta ratou utanga;
dia entana volamena sy volafotsy sy vato soa sy perila sy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy landy sy jaky sy hazo mani-pofona, sy ny fanaka ivory rehetra mbamin'ny fanaka rehetra amin'ny hazo saro-bidy indrindra sy varahina sy vy ary vato sanga,
I te utanga o te koura, o te hiriwa, o te kohatu utu nui, o te peara, o te rinena pai, o te papura, o te hiraka, o te kahu whero; me nga rakau taina katoa, me nga tini oko rei, me nga tini oko rakau utu nui whakaharahara, oko parahi, rino, maper e,
sy havozomamy sy zavatra mani-pofona sy ditin-kazo sy menaka manitra sy ditin-kazo mani-pofona, sy divay sy diloilo sy lafarina tsara toto sy vary tritika sy omby sy ondry sy soavaly sy kalesy ary tena sy ain'olona.
Me te hinamona, me nga mea kakara, me te hinu kakara, me te parakihe, me te waina, me te hinu, me te paraoa pai, me te witi, me nga kararehe, me nga hipi; me te utanga o nga hoiho, o nga hariata, o nga pononga; me nga wairua tangata.
Ary ny vokatra soa nirin'ny fanahinao dia efa niala taminao, ary ny zava-tsoa rehetra sy ny zava-malaza rehetra dia efa levona tsy ho anao, ary tsy ho hita intsony mandrakizay ireo.
Heoi ko nga hua i matea nuitia e tou ngakau kua mawehe atu i a koe, a kua mahue hoki koe i nga mea reke katoa, i nga mea papai, a heoi ano te kitenga o aua mea e te tangata.
Ny mpandranto izany zavatra izany, izay efa tonga mpanankarena taminy, dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hitomany sy hisaona
Ko nga kaihoko o enei mea, kua whai taonga nei i a ia, ka tu mai ratou i tawhiti i te wehi ki tona whakamamae, me te tangi, me te aue ano ratou,
ary hanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila!
Me te ki, Aue, aue, te pa nui, i kakahuria ki te rinena pai, ki te papaura, ki te whero, i tataitia ki te koura, ki te kohatu utu nui, ki nga peara!
Fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany. Ary ny mpitondra sambo rehetra sy izay rehetra mandeha eny ambonin'ny ranomasina sy ny matilo ary izay rehetra manao raharaha any an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny,
Kotahi tonu hoki te haora a moti rawa iho taua taonga nui. Na ko nga rangatira kaipuke katoa, ko te hunga katoa e rere ana ra te kaipuke ki ia wahi, ko nga kaiwhakatere kaipuke, me te hunga katoa ano kei te moana a ratou mahi, tu mai ana ratou i tawhiti,
ary raha nahita ny setroky ny fandoroana ary, dia niantso nanao hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe izany?
Me te karanga ano ratou i to ratou kitenga i te paoa o tona tahunga, me te ki, Ko tehea pa i rite ki tenei pa nui?
Ary nanopy vovoka hiraraka tamin'ny lohany izy, dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin'ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana izany.
Opehia ana hoki e ratou he puehu ki a ratou mahunga, kei te karanga ratou, me te tangi, me te aue, kei te mea, Aue, aue, te pa nui, i whai taonga ai i ona utu nui te hunga katoa he kaipuke a ratou i te moana! kotahi tonu nei hoki te haora a moti rawa iho.
Mifalia noho izay zavatra nanjo azy ianao. ry lanitra, sy ianareo olona masina sy ianareo Apostoly, ary ianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo.
Kia hari ki a ia, e te rangi, e te hunga tapu, e nga apotoro, e nga poropiti ano hoki; kua whakaritea nei hoki e te Atua ta koutou whakawa i a ia.
Ary nisy anjely mahery anankiray nibata vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an'i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.
Katahi ka hapaingia ake e tetahi anahera kaha he kamaka i rite nei ki tetahi kamaka rahi no te mira, a maka ana e ia ki te moana, me te ki ano ia, Ka peneitia a Papurona, te pa nui, ka maka whakareretia atu, e kore ano hoki e kitea i muri nei.
Ary ny feon'ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony; ary ny mpiasa rehetra mahay zavatra na inona na inona tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon'ny vato fikosoham-bary tsy ho re eo aminao intsony;
Na heoi ano rongonga i roto i a koe ki te reo o nga kaiwhakatangi hapa, o nga kaiwhakatakoto rangi waiata, o nga kaiwhakatangi i nga putorino, i nga tetere; e kore ano hoki e kitea i nga wa i muri nei tetahi kaimahi o nga tini mahi i roto i a ko e; e kore ano hoki e rangona i nga wa i muri nei te haruru o te kohatu mira i roto i a koe;
ary ny fahazavan'ny jiro tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon'ny mpampakatra sy ny ampakarina tsy ho re eo aminao intsony; fa lehiben'ny tany ny mpandrantonao; fa ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.
E kore ano hoki e whiti i nga wa i muri nei te marama o te rama i roto i a koe; e kore ano hoki e rangona i nga wa i muri nei te reo o te tane marena hou, o te wahine marena hou, i roto i a koe: ou kaihokohoko hoki ko nga tangata nunui o te ao; na au mahi makutu ano hoki i pohehe ai nga iwi katoa.
Ary teo anatiny no nahitana ny ran'ny mpaminany sy ny olona masina sy itsy rehetra novonoina teny ambonin'ny tany.
I kitea ano hoki i roto i a ia nga toto o nga poropiti, o te hunga tapu, o te hunga katoa hoki i whakamatea ki runga ki te whenua.