Psalms 36

Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.
Ki te tino kaiwhakatangi. Na te pononga a Ihowa, na Rawiri. E mea ana te mahi kino a te tangata hara i roto i toku ngakau, Kahore he wehi ki te Atua i mua i ona kanohi.
Fa miarahaba tena izy ny amin'ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
E whakapai ana hoki ona kanohi ake ki a ia ano, e kore e kitea tona hara, e kore e kinongia.
Ny tenin'ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
He kino nga kupu a tona mangai he rauhanga hoki, kua mahue i a ia te mahara, te mahi i te pai.
Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
He mahi nanakia tana e whakaaro ai i runga i tona moenga; ehara i te pai te ara e turia ana e ia, kahore ona whakarihariha ki te kino.
Jehovah ô, mipaka amin'ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
Kei nga rangi, e Ihowa, tau mahi tohu: tutuki noa atu tou pono ki nga kapua.
Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,
Rite tonu tou tika ki nga maunga o te Atua; he rire nui au whakaritenga: ko koe, e Ihowa, te kaiwhakaora i te tangata, i te kararehe.
Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.
Ano te pai o tou aroha, e te Atua: ka okioki nga tama a te tangata i raro i te taumarumarutanga iho o ou pakau.
Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
Ka makona ratou i nga mea momona o tou whare: ka whakainumia ano e koe ki te awa o au mea whakahari.
Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
Kei a koe hoki te puna o te ora; ma tou marama ka kite ai matou i te marama.
Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo.
Kia roa tou aroha ki te hunga e matau ana ki a koe, tou tika hoki ki te hunga ngakau tika.
Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.
Kei puta mai ki ahau te waewae whakapakari; kei aia atu ahau e te ringa o te hunga hara.
Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
Hinga iho i reira nga kaimahi i te kino: kua turakina iho, te ahei te ara ake.