Psalms 19

Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.
Ki te tino kaiwhakatangi. He himene na Rawiri. E korerotia ana e nga rangi te kororia o te Atua; a e whakaaturia ana e te kikorangi te mahi a ona ringa.
Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.
E puaki ana te reo o tena rangi, o tena rangi, e whakaatu mohiotanga ana hoki tena po, tena po.
Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony.
Kahore he hamumu, kahore he kupu, kahore e rangona to ratou reo.
Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;
Kua puta ta ratou aho ki te whenua katoa, a ratou kupu, a te pito ra ano o te ao. Whakaturia ana e ia ki reira te tapenakara mo te ra;
Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.
A e puta ana ia me he tane marena hou i tona whare moenga, whakai ana ia, pera ana me te tangata kaha e mea ana ki te oma whakataetae.
Any amin'ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka tsy misy takona amin'ny hafanany.
Ko tona putanga kei tetahi pito o te rangi, a whawhe noa ke tetahi pito: kahore hoki tetahi mea e ngaro i tona mahana.
Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina.
Tapatahi tonu te ture a Ihowa, he mea whakatahuri i te wairua: pono tonu nga whakaatu a Ihowa, e whakawhaiwhakaaro ana i te kuare.
Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso.
He tika nga ako a Ihowa, e whakahari ana i te ngakau, he ma te whakahau a Ihowa, e whakamarama ana i nga kanohi.
Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.
He ma te wehi ki a Ihowa, pumau tonu ake ake, he pono nga whakaritenga a Ihowa, tika kau ano.
Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.
Engari ena e hiahiatia ana i te koura, ae, i te tino koura ahakoa maha: reka atu i te honi, i te maturuturutanga iho o nga honikoma.
Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe.
Na ena ano tau pononga i whakatupato; he nui te utu ki te puritia.
Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin'izay ota tsy fantatra.
Ko wai e matau ana ki ona he? Whakamakia oku hara puku.
Arovy ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe.
Puritia ano tau pononga kei riro i nga hara whakakake hei rangatira moku: ko reira ahau tu tika ai, a ka watea i te he nui.
Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
Kia manakohia nga kupu a toku mangai: me nga whakaaro o toku ngakau i tou aroaro, e Ihowa, e toku kamaka, e toku kaihoko.