Psalms 135

Haleloia. Miderà ny anaran'i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah,
Whakamoemititia a Ihowa. Whakamoemititia te ingoa o Ihowa; whakamoemititia ia, e nga pononga a Ihowa.
Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon'i Jehovah, Eo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.
E koutou e tu nei i roto i te whare o Ihowa, i nga marae o te whare o to tatou Atua.
Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.
Whakamoemititia a Ihowa; he pai hoki a Ihowa; himene atu ki tona ingoa; he mea ahuareka hoki tena.
Fa Jakoba nofidin'i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,
Kua whiriwhiria hoki e Ihowa a Hakopa mana, a Iharaira hei tino taonga mona.
Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
E matau ana hoki ahau he nui a Ihowa: kei runga atu hoki to tatou Ariki i nga atua katoa.
Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin'ny lanitra, na etỳ ambonin'ny tany, Na any amin'ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.
Ko nga mea katoa i pai ai a Ihowa, kua oti i a ia, i te rangi, i te whenua, i nga moana, i nga wahi hohonu katoa.
Mampiakatra zavona avy amin'ny faran'ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,
Nana i pupu ake ai nga kohu i nga pito o te whenua: i hanga e ia nga uira mo te ua; e whakaputaina mai ana e ia te hau i roto i ona whare taonga.
Dia Ilay namely ny voalohan-terak'i Egypta, Na olona, na biby.
Nana nei i patu nga matamua o Ihipa, a te tangata, a te kararehe;
Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra,
I tonoa e ia he tohu, he merekara ki waenganui ou, e Ihipa: ki runga ki a Parao ratou ko ana pononga katoa.
Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,
Nana i patu nga iwi maha, i whakamate nga kingi rarahi;
Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan'i Basana, Ary ny fanjakan'i Kanana rehetra;
A Hihona kingi o nga Amori, a Oka kingi o Pahana, me nga rangatiratanga katoa o Kanaana;
Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan'ny Isiraely olony.
A homai ana e ia to ratou whenua hei kainga pumau, hei kainga pumau mo Iharaira, mo tana iwi.
Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao.
E Ihowa, pumau tonu tou ingoa, me tou maharatanga, e Ihowa, ki nga whakatupuranga katoa.
Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin'ny mpanompony.
Ka whakawa hoki a Ihowa mo tana iwi; a ka puta ke tona whakaaro ki ana pononga.
Ny sampin'ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan'ny tànan'olona;
He hiriwa, he koura nga whakapakoko a nga tauiwi, he mahi na te ringa tangata.
Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
He mangai o ratou, a kahore e korero: he kanohi o ratou, a kahore e kite:
Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.
He taringa o ratou, a kahore e rongo: kahore ano he manawa i o ratou mangai.
Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Ka rite ki a ratou te hunga nana ratou i hanga; ae, me nga tangata katoa e whakawhirinaki ana ki a ratou.
Misaora an'i Jehovah, ry taranak'Isiraely; Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Arona;
Whakapaingia a Ihowa, e te whare o Iharaira; whakapaingia a Ihowa, e te whare o Arona;
Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Levy; Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, misaora an'i Jehovah.
Whakapaingia a Ihowa, e te whare o Riwai; whakapaingia a Ihowa, e te hunga katoa e wehi ana i a Ihowa;
Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
Kia whakapaingia a Ihowa i roto i Hiona, e noho nei i Hiruharama. Whakapaingia a Ihowa.