Proverbs 14

Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin'ny tànany.
Ko ta te wahine whakaaro nui he hanga i tona whare; ko ta te wahine wairangi, ko ona ringa hei wahi iho.
Mandeha mahitsy izay matahotra an'i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
Ko te tangata e haere ana i runga i tona tika, e wehi ana i a Ihowa; ko te tangata he parori ki ona ara e whakahawea ana ki i ia.
Eo am-bavan'ny adala misy tsorakazon'ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
Kei te mangai o te wairangi he patu whakapehapeha; ma nga ngutu ia o te hunga whakaaro nui ratou ka ora ai.
Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin'ny herin'ny omby.
Ki te kahore he kau, ka ma te takotoranga kai; ma te kaha ia o te kau ka nui ai nga hua.
Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
E kore te kaiwhakaatu pono e teka; ka puaki ia te teka i te kaiwhakaatu teka.
Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
E rapu ana te tangata whakahi i te whakaaro nui, heoi kahore e kitea e ia; ki te tangata matau ia he mama noa te matauranga.
Mialà eo anatrehan'ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
Haere atu ki te aroaro o te kuware, ina kahore e kitea e koe he ngutu matau ona.
Ny mitandrina ny alehany no fahendren'ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan'ny adala.
Ko te whakaaro nui o te tangata tupato, he matau ki tona ara; ko te wairangi o nga kuware, he tinihanga.
Ny adala ihomehezan'ny fanati-panonerana; Fa ao amin'ny marina no misy fankasitrahana.
Ko ta nga wairangi he kata ki te he: na kei te hunga tika te whakaaro pai.
Ny fo no mahalala ny fangidian'ny alahelony; Ary tsy raharahan'ny olon-kafa ny hafaliany.
E mohio ana te ngakau ki tona ake mamae, e kore ano hoki tona koa e pikitia e te tangata ke.
Ravana ny tranon'ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain'ny marina.
Ka whakangaromia te whare o te hunga kino: ka tupu ia te teneti o te hunga tika.
Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
He huarahi ano tera e tika ana ki ta te tangata titiro, ko tona mutunga ia ko nga huarahi ki te mate.
Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran'ny hafaliana dia alahelo.
Ahakoa e kata ana, e mamae ana te ngakau; a, ko te mutunga o te koa, he pouri.
Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
Ko te tangata i te ngakau tahuri ke, ka makona i ona ara ake: a ko te tangata pai ka makona i tana ake ano.
Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
Ko ta te kuware he whakapono ki nga kupu katoa; tena ko te tangata tupato, ka ata titiro ki tana hikoi.
Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin'ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana.
E wehi ana te tangata whakaaro nui, ka neke atu i te kino; ko te kuware ia ka whakahi, ka tohe.
Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
Ko te tangata riri wawe ka mahi i te wairangi; ka kinongia ano hoki te tangata i nga rauhanga kino.
Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny.
He wairangi te whakarerenga iho mo nga kuware; ko te tangata tupato ia ka karaunatia ki te matauranga.
Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan'ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin'ny marina.
E piko ana te hunga kino ki te aroaro o te hunga pai; a ko te hunga he ki nga kuwaha o te tangata tika.
Ny malahelo dia halan'ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian'ny maro.
E kinongia ana te rawakore e tona hoa ake nei ano; he tokomaha ia nga tangata e aroha ana ki te tangata taonga.
Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran'izay mamindra fo amin'ny ory!
Ko te tangata e whakahawea ana ki tona hoa, e hara ana; ko te tangata ia e atawhai ana ki nga rawakore, ka hari.
Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an'izay manao asa tsara.
He teka ianei e kotiti ke ana nga kaiwhakatakoto i te kino? He atawhai ia, he pono, kei nga kaihanga i te pai.
Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
He hua to nga mauiuitanga katoa; tena ko te korero o nga ngutu e ahu ana ki te rawakore.
Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan'ny adala dia fahadalana ihany.
Hei karauna mo nga whakaaro nui o ratou taonga; ko te wairangi ia o nga kuware, he wairangi kau.
Ny vavolombelona marina mamonjy ain'olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
Ka ora nga wairua i te kaiwhakaatu pono: ko te tangata korero teka ia e mea ana kia tinihanga.
Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
U tonu, kaha tonu te whakaaro ina wehi ki a Ihowa; ka whai rerenga atu ano hoki ana tamariki.
Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
He puna ora te wehi ki a Ihowa, e mahue ai nga reti o te mate.
Ny fahabetsahan'ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
Ma te nui o te iwi ka whai honore ai te kingi; ma te kore o te iwi ka taka ai te rangatira.
Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
He matauranga nui to te tangata manawanui; ko te tangata riri wawe ia, e whakaneke ake ana ia i te wairangi.
Ny fo mionona no fiainan'ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
He ora ki nga kikokiko te ngakau ora; ko te hae ia, he pirau ki nga wheua.
Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
Ko te tangata e tukino ana i te ware, he tawai tana ki tona Kaihanga; ko te tangata ia e atawhai ana i te rawakore, e whakahonore ana i a ia.
Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin'ny fahafatesana aza.
E uakina iho ana te tangata kino i runga i tona he; ko te tangata tika ia ka whai tumanakohanga i tona matenga.
Mandry tsara ao am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an'ny adala kosa dia miharihary.
Ka noho te whakaaro nui ki te ngakau o te tangata matau; engari ko te mea kei te wahi ki roto o nga kuware e whakaaturia ana.
Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona
Ma te tika ka kake ai te iwi; ma te hara ia ka ingoa kino ai nga iwi.
Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao izay mahamenatra.
Ka manako te kingi ki te pononga mahara; a ka riri ki te tangata i takea ai te whakama.