Numbers 20

Ary tamin'ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
Na ka tae nga tama a Iharaira, ara te whakaminenga katoa, ki te koraha o Hini i te marama tuatahi: a ka noho te iwi ki Karehe; na ka mate a Miriama ki reira, a tanumia ana ki reira.
Ary tsy nisy rano ho an'ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona.
A kahore he wai mo te whakaminenga: a ka huihui ki te ngangare ki a Mohi raua ko Arona.
Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'i Jehovah!
Na ka ngangau te iwi ki a Mohi, ka korero, ka mea, Aue, me i mate matou i te matenga o o matou tuakana i te aroaro o Ihowa!
Fa nahoana no nitondra ny fiangonan'i Jehovah ho amin'ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?
He aha hoki i kawea mai ai e korua te whakaminenga a Ihowa ki tenei koraha, kia mate tahi matou me a matou kararehe ki konei?
Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin'ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongaben-danitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?
He aha hoki matou i meinga ai e korua kia haere mai i Ihipa, kia kawea mai matou ki tenei wahi kino? ehara nei i te wahi purapura, i te wahi piki, waina, pamekaranete; kahore ano hoki he wai hei inu.
Dia niala teo anatrehan'ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr'i Jehovah.
Na ka haere a Mohi raua ko Arona i te aroaro o te whakaminenga ki te whatitoka o te tapenakara o te whakaminenga, a ka kupapa iho o raua mata: na ko te putanga mai o te kororia o Ihowa ki a raua.
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
A ka korero a Ihowa ki a Mohi, ka mea,
Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin'ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an'ny olona avy amin'ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Maua atu te tokotoko, huihuia mai ano te whakaminenga e korua ko tou tuakana, ko Arona, ka korero ai korua ki te kamaka i mua i o ratou kanohi, kia tukua mai tona wai; a ka whakaputaina mai e koe he wai mo ratou i roto i te kamaka: a ka meinga e koe te whakaminenga me a ratou kararehe kia inu.
Dia nalain'i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
Na ka maua e Mohi te tokotoko i te aroaro o Ihowa, pera ana ia me tana i whakahau ai.
Dia novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
I huihuia hoki te whakaminenga e Mohi raua ko Arona ki mua o te kamaka, a ka mea ia ki a ratou, Whakarongo mai, e te hunga tutu; me whakaputa mai ranei e maua he wai mo koutou i roto i tenei kamaka?
Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Na ka ara te ringa o Mohi, a e rua ana patunga i te kamaka ki tana tokotoko; ko te tino putanga mai o te wai, tona nui, a inu ana te iwi me a ratou kararehe.
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason'ny Zanak'Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin'ny tany izay nomeko azy ianareo.
Na ka mea a Ihowa ki a Mohi raua ko Arona, Kahore nei korua i whakapono ki ahau, kia whakatapu i ahau i te tirohanga a nga tama a Iharaira, mo reira e kore korua e kawe i tenei whakaminenga ki te whenua e hoatu nei e ahau ki a ratou.
Ity no ranon'i Meriba, izay nilan'ny Zanak'Isiraely ady tamin'i Jehovah, ka nisehoan'i Jehovah ho masina tamin'ny nataony taminy.
Ko te wai tena o Meripa; i ngangau hoki nga tama a Iharaira ki a Ihowa ki reira, a meinga ana ratou hei whakatapu mona.
Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin'ny mpanjakan'i Edoma hanao hoe: Izao no lazain'i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:
Na ka unga tangata a Mohi i Karehe ki te kingi o Eroma, Ko te kupu tenei a tou teina, a Iharaira, E mohio ana koe ki nga he katoa i pono mai ki a matou;
dia ny nidinan'ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;
Ki te hekenga o o matou matua ki Ihipa, ki to matou nohoanga hoki i Ihipa, a maha noa nga ra; a ka tukino nga Ihipiana i a matou ko o matou matua:
ary raha nitaraina tamin'i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin'ny faritry ny taninao, izahay;
A, i ta matou karangatanga atu ki a Ihowa, na ka rongo ia ki to matou reo, a unga ana e ia he anahera hei whakaputa mai i a matou i Ihipa: na, kei Karehe tenei matou, kei te pa whakamutunga o tou rohe:
koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana akory: ny lalan'andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
Tena, tukua atu matou ma tou whenua: e kore matou e haere na nga mara, na nga mara waina ranei, e kore ano matou e inu i te wai o nga puna: ka haere matou i te huanui o te kingi, e kore matou e peka ki matau, ki maui, kia pahemo ra ano i a matou ou rohe.
Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin'ny sabatra aho.
Na ka mea a Eroma ki a ia, E kore koe e tika na toku wahi, kei haere ahau me te hoari ki te tu i a koe.
Dia hoy ny Zanak'Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman'ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.
Na ka mea nga tama a Iharaira ki a ia, Ka haere matou na te huanui: a ki te inu ahau me aku kahui i tou wai, me utu e ahau: heoi rawa taku e mea ai, ko te haere kau o oku waewae na kona.
Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery.
Na ka mea ia, E kore koe e haere ra konei. A ka puta a Eroma me te ope nui, me te ringa kaha, ki te tu i a ia.
Toy izany no nandavan'ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak'Isiraely.
Heoi kihai a Eroma i pai ki te tuku i a Iharaira kia haere na tona rohe: na peka ke ana a Iharaira i a ia.
Ary nifindra ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.
Na ka turia atu e ratou i Karehe: a ka tae nga tama a Iharaira, ara te whakaminenga katoa ki Maunga Horo.
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin'ny fari-tanin'i Edoma, ka nanao hoe:
Na ka korero a Ihowa ki a Mohi raua ko Arona i Maunga Horo, i te rohe o te whenua o Eroma, ka mea,
Arona hangonina any amin'ny razany; fa tsy hiditra any amin'ny tany izay nomeko ny Zanak'Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin'ny ranon'i Meriba ianareo.
Ka kohia atu a Arona ki tona iwi; e kore hoki ia e tae ki te whenua ka hoatu nei e ahau ki nga tama a Iharaira, mo korua i whakatoi ki taku kupu i te wai o Meripa.
Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;
Tangohia a Arona raua ko Ereatara, ko tana tama, kawea hoki raua ki runga ki Maunga Horo:
dia esory ny fitafian'i Arona, ka atafio an'i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin'ny razany ka ho faty ao.
Unuhia hoki nga kakahu o Arona, ka whakakakahu ai ki tana tama, ki a Ereatara: a ka kohia atu a Arona ki tona iwi, ka mate hoki ki reira.
Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason'ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.
Na ka pera a Mohi me ta Ihowa i whakahau ai, a haere ana ratou ki runga ki Maunga Horo i te tirohanga a te whakaminenga katoa.
Dia nesorin'i Mosesy ny fitafian'i Arona ka natafiny an'i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon'ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.
Na ka unuhia e Mohi nga kakahu o Arona, a whakakakahuria ana e ia ki tana tama, ki a Ereatara; a ka mate a Arona ki reira, ki te tihi o te maunga: a ka heke iho a Mohi raua ko Ereatara i runga i te maunga.
Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra.
A, no te kitenga o te whakaminenga katoa kua mate a Arona, e toru tekau nga ra i tangihia ai a Arona e ratou, e te whare katoa o Iharaira.