Nehemiah 13

Tamin'izany andro izany dia novakiana teo anatrehan'ny olona ny teny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra mandrakizay,
I taua ra i korerotia i te pukapuka a Mohi, me te whakarongo ano te iwi, a ka kitea te mea i tuhituhia ki reira kia kaua te Amoni me te Moapi e tapoko ki te whakaminenga a te Atua a ake ake;
satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak'Isiraely izy, fa nanamby an'i Balama hanozona azy; kanjo nampodin'Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
No te mea kihai i maua mai e ratou he taro, he wai, hei tukunga mai mo nga tama a Iharaira: engari, utua ana e ratou a Paraama hei hoariri mo ratou, hei kanga mo ratou: heoi whakaputaina ketia ake e to tatou Atua te kanga hei manaaki.
Ary rehefa ren'ny olona ny lalàna, dia navahany hiala tamin'ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra.
Na, i to ratou rongonga i te ture, ka wehea atu e ratou nga whakauru katoa i roto i a Iharaira.
Ary talohan'izany Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho ao anatin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika sady havan'i Tobia akaikiny,
Na, i mua ake o tenei ko Eriahipi, tohunga, kaitiaki i nga ruma o te whare o to tatou Atua, he whanaunga no Topia.
dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin'ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an'ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an'ny mpisorona.
Whakapaia ana e tenei he ruma nui mona, ko te wahi i whakatakotoria nei i mua nga whakahere totokore, te parakihe, nga oko, me te whakatekau o te witi, o te waina hou, o te hinu, ko te mea i kiia iho ma nga Riwaiti, ratou ko nga kaiwaiata, ko nga kaitiaki tatau, me nga whakahere hapahapai ma nga tohunga.
Fa tamin'izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Babylona, no nahatongavako tany amin'ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin'ny mpanjaka aho;
Otiia i tenei wa katoa kahore ahau i Hiruharama; no te toru tekau ma rua nei hoki o nga tau o Arataherehe kingi o Papurona i tae ai ahau ki te kingi, a maha noa nga ra, ka inoitia e ahau i te kingi:
ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon'i Eliasiba ho an'i Tobia tamin'ny nanamboarany efi-trano ho azy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra.
Na ka tae mai ahau ki Hiruharama, a ka mohio ki ta Eriahipi mahi kino, ki tana mo Topia, i a ia i whakapai i tetahi ruma mona i nga marae o te whare o te Atua;
Dia nalahelo indrindra aho, ka navoakako ny fanaka rehetra izay an'i Tobia hiala tamin'ny efi-trano.
Na kino rawa ki ahau; akiritia atu ana e ahau nga mea katoa o te whare o Topia i roto i taua ruma.
Ary nasaiko nodiovin'ny olona ny efi-trano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon'Andriamanitra mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona.
Katahi ahau ka korero; a tahia ana e ratou nga ruma. Na whakahokia ana e ahau ki reira nga oko o te whare o te Atua, nga whakahere totokore me te parakihe.
Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman'ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha.
I kite ano ahau kihai nga wahi ma nga Riwaiti i hoatu, na oma ana ratou ki tana mara, ki tana mara, nga Riwaiti, nga kaiwaiata i mahia ai te mahi.
Dia nifandahatra tamin'ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon'Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin'ny toerany avy.
Katahi ka whawhaitia e ahau nga rangatira; i mea ahau, He aha i whakarerea ai te whare o te Atua? Na huihuia ana ratou e ahau, whakaturia ana ki to ratou turanga.
Dia nentin'ny Joda rehetra ho ao amin'ny trano firaketana ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo.
Katahi ka kawea mai e Hura katoa nga whakatekau o te witi, o te waina hou o te hinu, ki nga whare taonga.
Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin'ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak'i Zakora, zanak'i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin'ireo dia ny hizara ho an'ny rahalahiny.
Na ka whakaritea e ahau he kaitiaki mo nga taonga, ko Heremia tohunga, ko Haroko karaipi, a o nga Riwaiti ko Peraia; i to ratou taha ko Hanana tama a Takuru tama a Matania: i kiia hoki ratou he hunga pono; a ko ta ratou, he tuwha ma o ratou tuak ana, teina.
Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin'ny tranon'Andriamanitro sy ny amin'ny raharaha tokony hatao ao.
Kia mahara, e toku Atua, ki tenei mea aku, kaua hoki e horoia atu tenei tikanga pai aku i puta nei ki te whare o toku Atua, ki nga ritenga mahi ano mo reira.
Ary tamin'izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin'ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin'ny andro nivarotany hanina.
I aua ra ka kitea e ahau etahi i roto i a Hura e takahi ana i nga takahanga waina i te hapati, e kawe ana mai i nga paihere witi, e whakawaha ana i nga kaihe; me te waina ano, me nga karepe, me nga piki, me nga pikaunga katoa, e kawea mai ana e ratou ki Hiruharama i te ra o te hapati. Na whakaaturia ana e ahau to ratou he i te ra i hoko ai ratou i te kai.
Ary nisy olona avy any Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka nivarotra tamin'ny taranak'i Joda sy tany Jerosalema tamin'ny Sabata;
I reira ano e noho ana etahi tangata o Taira, he ika te kawenga, me nga mea hoko katoa, a hokona ana e ratou i te hapati ki nga tama a Hura, i roto ano i Hiruharama.
Dia nifandahatra tamin'ireo manan-kaja amin'ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no dia mandoto ny andro Sabata ianareo?
Katahi ka whawhaitia e ahau nga rangatira o Hura. I mea ahau ki a ratou, He aha tenei mea kino e mea nei koutou, i a koutou ka whakapoke nei i te ra hapati?
Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia nahatran'Andriamanitsika amintsika sy amin'ity tanàna ity izao loza rehetra izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin'ny Isiraely amin'ny andotoanareo ny Sabata.
Kahore ianei o koutou matua i penei, a kawea mai ana e to tatou Atua tenei kino katoa ki runga ki a tatou, ki runga ano i tenei pa? Na ko koutou hei whakaneke ake i te riri mo Iharaira, i te mea ka whakapokea nei te hapati.
Ary raha vao malomaloka ny vavahadin'i Jerosalema talohan'ny Sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana mandra-pahatapitry ny Sabata ary notendreko ny zatovoko sasany hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin'ny andro Sabata.
Na pouriuri kau nga kuwaha o Hiruharama i mua ake o te hapati, ka mea ahau, kia tutakina nga keti. I mea ano ahau kia kaua e whakatuwheratia, kia taka ra ano te hapati: i whakaturia ano e ahau etahi o aku: tangata ki nga kuwaha, kei kawea mai ki roto he pikaunga i te ra o te hapati.
Ka dia nandry teo ivelan'i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa;
Heoi kotahi, e rua nga moenga i waho o Hiruharama, o nga tangata i nga taonga, o nga kaihoko i nga tini mea.
dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan'ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin'izany andro izany dia tsy tonga tamin'ny Sabata intsony izy.
Katahi ahau ka whakaatu i to ratou he, a ka mea ki a ratou, He aha koutou i moe ai i te aronga o te taiepa? Ki te pena ano koutou, ka totoro atu toku ringa ki a koutou. No taua ra ano i kore ai to ratou haere mai i te hapati.
Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben'ny famindram-ponao.
I ki atu ano ahau ki nga Riwaiti kia purea ratou, kia haere hoki ki te tiaki i nga kuwaha hei whakatapu mo te ra hapati. Maharatia ano tenei aku e toku Atua; tohungia hoki ahau, kia rite ki te nui o tou atawhai.
Ary tamin'izany andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba;
I aua ra ano ka kite ahau i nga Hurai kei a ratou e noho ana etahi wahine o Aharoro, o Amona, o Moapa.
ary ny antsasaky ny zanany dia nanao tenin'ny Asdodita, fa tsy nahay teny Jiosy, fa nanaraka ny fiteniny avy isam-pirenena izy.
Ko a ratou tama hoki, ko tetahi wahi o te reo no Aharoro, kihai ratou i mohio ki to nga Hurai reo; heoi i rite ki te reo o tetahi iwi, o tetahi iwi.
Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin'Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.
Na, whawhaitia iho e ahau, kanga iho, patua ana etahi o ratou, hutihutia ana o ratou makawe, whakaoatitia ana ki te Atua, Kaua e hoatu a koutou tamahine ki a ratou tama, kaua ano hoki e tangohia mai a ratou tamahine ma a koutou tama, ma koutou r anei.
Tsy izany va no nanotan'i Solomona, Mpanjakan'i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin'ny firenena maro, fa tian'Andriamaniny izy ka nataon'Andriamanitra ho mpanjaka tamin'ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain'ny vehivavy hafa firenena.
He teka ianei na enei mea i hara ai a Horomona kingi o Iharaira? he maha nga iwi, kahore rawa o ratou kingi hei rite mona, he mea aroha ia na tona Atua, a meinga ana e te Atua hei kingi mo Iharaira katoa: ahakoa ko ia, i meinga ia e nga wahine k e kia hara.
Koa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin'Andriamanitsika amin'ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo?
Na kia rongo ranei matou ki a koutou, kia mahi i tenei he nui katoa, kia tutu ki to tatou Atua, kia marena ki nga wahine ke?
Ary vinanton'i Sanbala Horonita ny anankiray amin'ny zanak'i Joiada, zanak'i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy.
Na he hunaonga na Hanaparata Horoni tetahi o nga tama a Ioiara tama a Eriahipi tino tohunga; na peia ana ia e ahau i toku taha.
Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany fisoronana, eny, ny faneken'ny fisoronana sy ny Levita.
Kia mahara ki a ratou, e toku Atua, mo ratou i whakapoke i te tohungatanga, i te kawenata ano o te tohungatanga, o nga Riwaiti ano hoki.
Toy izany no nanadiovako azy ho afaka amin'ny tamin'ny olona hafa firenena rehetra, sy nanendreko ny anjara-raharahan'ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin'ny raharahany avy,
Heoi kua ma ratou i ahau i te poke o nga tangata ke, whakaritea ana hoki e ahau te mahi tiaki a nga tohunga, a nga Riwaiti, te mahi a tenei, a tenei,
ary ny amin'ny fanaterana ny kitay hazo tamin'izay fotoan'androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.
Me te tikanga ano mo te whakahere wahie i nga wa i whakaritea; mo nga matamua ano. Maharatia ahau e toku Atua mo te pai.