Matthew 18

Tamin'izany ora izany dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra?
I taua wa ka haere mai nga akonga ki a Ihu, ka mea, Ko wai te nui rawa i te rangatiratanga o te rangi?
Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany
Na ka karangatia e Ihu tetahi tamaiti nohinohi, ka whakaturia e ia ki waenganui i a ratou,
ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.
Ka mea, He pono taku e mea nei ki a koutou, Ki te kore koutou e tahuri, a e penei me nga tamariki nonohi, e kore koutou e tomo ki te rangatiratanga o te rangi.
Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra.
Na, ki te whakaiti tetahi i a ia, a ka rite ki tenei tamaiti nohinohi, ko ia te nui rawa i te rangatiratanga o te rangi.
Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.
A, ki te manako tetahi ki tetahi tamaiti nohinohi penei, he whakaaro hoki ki toku ingoa, e manako ana ki ahau.
Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin'ny ranomasina lalina izy.
Tena ko tenei, ka he i tetahi tangata tetahi o enei mea nonohi e whakapono nei ki ahau, nui ke te pai ki a ia me i whakawerewerea ki tona kaki te kohatu mira kaihe, me i pungaia ia ki te rire o te moana.
Lozan'izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan'izay olona mahatonga ny fahatafintohinana.
Aue te mate mo te ao i nga take he! kua tino takoto rawa hoki he putanga mo nga take he; otiia aue te mate no tera tangata e puta ai te take he!
Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin'ny afo maharitra mandrakizay.
Ki te he koe i tou ringa, i tou waewae ranei, poutoa, maka atu: pai ke hoki mou te tomo ki te ora he kopa, he ringa mutu, i te maka ki te ahi ka tonu, he ringa rua, he waewae rua.
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo.
Ki te he hoki koe i tou kanohi, tikarohia, maka atu: pai ke hoki mou te tomo kanohi tahi ki te ora, i te maka kanohi rua ki te kapura o Kehena.
Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra.
Kia mahara kei whakahawea ki tetahi o enei mea nohinohi: ko taku kupu hoki tenei ki a koutou, E titiro tonu ana o ratou anahera i te rangi ki te kanohi o toku Matua i te rangi.
(Fa tonga ny Zanak'olona hamonjy ny very.)
I haere mai hoki te Tama a te tangata ki te whakaora i te mea i ngaro.
Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?
Pehea to koutou whakaaro? ki te mea he rau nga hipi a tetahi tangata, a ka kotiti ke tetahi, e kore ianei e waiho e ia nga iwa tekau ma iwa, ka haere i runga i nga maunga, rapu ai i te mea i kotiti ke?
Ary raha tàhiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania.
A, ki te kitea, he pono taku e mea nei ki a koutou, tera atu, tona hari ki taua hipi, i te hari ki nga iwa tekau ma iwa kihai i kotiti ke.
Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin'ireny madinika ireny.
Waihoki kahore he ngakau o to koutou Matua i te rangi kia ngaro tetahi o enei mea nonohi.
Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
A, ki te hara tou teina ki a koe, haere, korerotia tona hara ki a ia, korua anake: ki te whakarongo ia ki a koe, ka riro i a koe tou teina.
fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo (Deo. 19. 15).
A, ki te kore ia e whakarongo, kawea atu hei hoa mou kia kotahi, kia tokorua ranei, kia mau ai nga kupu katoa i nga mangai o nga kaiwhakarongo tokorua, tokotoru ranei.
Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.
A, kite pake ia ki a raua, korerotia ki te hahi: a ki te pake ano ia ki te hahi, me waiho e koe hei tautangata, hei pupirikana.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
He pono taku e mea nei ki a koutou, Ko a koutou e here ai i te whenua e herea ano ki te rangi: ko a koutou e wewete ai i te whenua e wetekia ano ki te rangi.
Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany.
Tenei ano taku kupu ki a koutou, Ki te mea ka tokorua o koutou e rite tahi ana nga whakaaro i te whenua mo tetahi mea e inoi ai raua, e meinga ano mo raua e toku Matua i te rangi.
Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.
Na, ko te wahi e whakaminea ai te hunga tokorua, tokotoru ranei, he whakaaro ki toku ingoa, kei reira ahau kei waenganui i a ratou.
Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va?
Katahi ka haere a Pita ki a ia, ka mea, E te Ariki, kia hia nga haranga o toku teina ki ahau, me taku whakarere noa iho i tona hara? kia whitu?
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo.
Ka mea a Ihu ki a ia, E kore ahau e mea ki a koe, Kia whitu: engari, Kia whitu tekau whitu.
Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny mpanompony ny amin'ny volany.
Koia ka rite ai te rangatiratanga o te rangi ki tetahi kingi, i mea kia korerotia ki a ia ana moni e ana pononga.
Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina.
A, ka timata ia te ui, ka kawea ki a ia he tangata, tekau mano nga taranata i a ia.
Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny trosa.
A te whai rawa ia hei utu, ka mea tona ariki kia hokona ia, tana wahine me ana tamariki, me ana taonga katoa, hei whakautu.
Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra.
Na ka tapapa iho taua pononga, ka koropiko ki a ia, ka mea, E te Ariki, kia ata hanga ki ahau, a ka utua katoatia e ahau ki a koe.
Ary ny tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.
Na ka oho i te aroha te ariki o taua pononga, tuku ana i a ia, a whakarerea noatia iho e ia ana moni tarewa.
Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.
Heoi te putanga o taua pononga ki waho, ka kite i tetahi o ona hoa pononga, kotahi rau ana pene i a ia: na hopukia ana e ia, notia iho te kaki, me te ki ano, Utua taku nama.
Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao.
Heoi tapapa ana tona hoa pononga ki ona waewae, ka inoi ka a ia, ka mea, Kia ata hanga ki ahau, a ka utua katoatia e ahau ki a koe.
Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa.
A kihai ia i pai: heoi haere ana, maka ana i a ia ki te whare herehere, kia utua katoatia ra ano te nama.
Ary nony hitan'ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin'ny tompony izany rehetra natao izany.
Heoi, no te kitenga o ona hoa pononga i taua meatanga, nui atu to ratou pouri, a haere ana, whakaaturia ana ki to ratou ariki nga mea katoa i meatia.
Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko ianao;
Katahi ka karanga tona ariki i a ia, ka mea ki a ia, Pononga kino, i whakarerea noatia e ahau taua moni tarewa katoa i a koe, nau hoki i inoi ki ahau:
moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?
Ehara oti i te tika kia tohungia e koe tou hoa pononga, me ahau hoki i tohu i a koe?
Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.
Na ka riri tona ariki, a tukua ana ia ki nga kaiwhakamamae, kia utua katoatia ra ano tana nama.
Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy ianareo.
Tera ano e pera toku Matua i te rangi ki a koutou, ki te kore e whakarerea noatia i roto i o koutou ngakau nga he o te teina o tenei, o tenei, o koutou.