Matthew 13

Ary tamin'izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron'ny ranomasina.
taua ra i haere atu a Ihu i te whare, ka noho ki te taha o te moana.
Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina.
Na he rahi he hui i huihui ki a ia, a ka eke ia ki te kaipuke noho ai; i te takutai ano te hui katoa e tu ana.
Ary nilaza zavatra maro taminy tamin'ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy;
A he maha ana korero ki a ratou, he mea whakarite; i mea ia, Na i haere te kairui ki te rui;
ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka nandany azy.
A, i a ia e rui ana, ka ngahoro etahi o nga purapura ki te taha o te ara, a, ko te rerenga mai o nga manu, kainga ake:
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
Ko etahi i ngahoro ki nga wahi kamaka, ki nga wahi kihai i nui te oneone: na pihi tonu ake, kahore hoki i hohonu te oneone:
Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
A, no te whitinga o te ra, ngaua iho; a, no te mea kahore he putake, memenge noa iho:
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy.
Ko etahi i ngahoro ki roto ki nga tataramoa; a, no te tupunga ake o nga tataramoa, kowaowaotia ana nga purapura:
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
Ko etahi i ngahoro ki te oneone pai, a ka hua, no etahi kotahi rau, no etahi e ono tekau, no etahi e toru tekau.
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.
Ki te whai taringa tetahi hei whakarongo, kia rongo ia.
Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?
A ka haere nga akonga, ka mea ki a ia, He aha koe i korero whakarite tonu ai ki a ratou?
Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.
Na, ka whakahoki ia ki a ratou, ka mea, No te mea kua hoatu ki a koutou te matauranga ki nga mea ngaro o te rangatiratanga o te rangi, ki a ratou ia kahore i hoatu.
Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.
Ki te whai mea hoki tetahi, ka hoatu ano ki a ia, a ka maha atu ana: ki te kahore ia he mea a tetahi, ka tangohia i a ia ana ake.
Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.
Na reira enei kupu whakarite aku ki a ratou; no te mea kite rawa ratou, a kahore e kite; rongo rawa, kahore hoki e matau.
Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
A ka rite i a ratou te poropititanga a Ihaia, e mea nei, Rongo noa koutou, kahore e matau; titiro noa koutou, kahore e kite:
Fa efa adala ny fon'izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).
Kua matotoru hoki te ngakau o tenei iwi, kua puhoi nga taringa ki te whakarongo, ko nga kanohi kua oti te whakamoe e ratou; kei kite o ratou kanohi, kei rongo nga taringa, a ka matau te ngakau, na ka tahuri ratou a ka whakaorangia e ahau.
Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.
Ka koa ia o koutou kanohi, no te mea ka kite: o koutou taringa hoki, no te mea ka rongo.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.
He pono hoki taku e mea nei ki a koutou, He tokomaha nga poropiti me nga tangata tika i hiahia kia kite i nga mea e kite nei koutou, a kahore i kite; kia rongo hoki i nga mea e rongo nei koutou, a kahore i rongo.
Koa amin'izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin'ny mpamafy:
Na whakarongo ki te kupu i whakaritea ki te kairui.
Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.
Ki te rongo tetahi ki te kupu o te rangatiratanga, a e kore e matau, na ka haere mai te wairua kino, ka kapo i te mea ka oti na te rui ki tona ngakau. Ko te tangata tenei i nga purapura i te taha o te ara.
Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin'ny hafaliana;
Ko te tangata ia i nga purapura i nga wahi kohatu, ko te tangata i rongo ki te kupu, a hohoro tonu te tango, hari tonu;
nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.
Otiia kahore ona pakiaka i roto i a ia, e mau noa ana mo te wa poto: a, no te panga o te whakapawera, o te whakatoi ranei, mo te kupu, na he tonu iho.
Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.
Ko te tangata i nga purapura i waenga tataramoa, ko te tangata tena i rongo ki te kupu; a, ko te whakaaronga ki tenei ao, me te hangaru o nga taonga, hei whakakowaowao i te kupu, a kore ake he hua.
Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
Ko te tangata ia i nga purapura i te oneone pai, ko te tangata e rongo ana ki te kupu, a e matau ana; a ka whai hua, ea ake, no tetahi kotahi rau, no tetahi e ono tekau, no tetahi e toru tekau.
Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny;
Tenei ake ano tetahi kupu whakarite i maka e ia ki a ratou, i mea ia, Ka rite te rangatiratanga o te rangi ki tetahi tangata i rui i te purapura pai ki tana mara:
fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha.
A, i nga tangata e moe ana, ka haere mai tona hoariri, ruia iho he taru kino ki waenga witi, a haere ana.
Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.
A, no ka pihi ake te rau, ka hua, katahi ka kitea hoki nga taru.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:
Na ka haere mai nga pononga a taua rangatira, ka mea ki a ia, E mara, kihai ianei koe i rui i te purapura pai ki tau mara? No hea ra ona taru?
Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?
Na ka ki atu ia ki a ratou, Na te hoariri tenei i mea. Katahi ka mea nga pononga ki a ia, E pai ranei koe kia haere matou ki te whakawhaiti i aua taru?
Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.
A ka mea ia, Kahore; kei hutia ngatahitia te witi ina whakawhaititia nga taru.
Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
Tukua kia tupu tahi, a taea noatia te kotinga; a i te wa o te kotinga ka mea ahau ki nga kaikokoti, Matua whakawhaiti i nga taru, ka paihere ai hei paihere kia tahuna; ko te witi ia me kohi ki toku whare witi.
Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain'olona ka nafafiny tany an-tsahany;
Tenei ake ano tetahi kupu whakarite i maka e ia ki a ratou, i mea ia, He rite te rangatiratanga o te rangi ki te pua nani, i kawea e te tangata, i ruia ki tana mara:
fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin'ny rantsany.
He iti rawa ia i nga purapura katoa: a ka tupu, ko ia te nui rawa o nga otaota, a whakarakau ana, no ka rere mai nga manu o te rangi, ka noho ki ona manga.
Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra.
Tenei ake ano tetahi kupu whakarite i korerotia e ia ki a ratou, He rite te rangatiratanga o te rangi ki te rewena i tangohia e tetahi wahine, a whaongia ana ki roto ki nga mehua paraoa e toru, no ka rewenatia katoatia.
Fanoharana no nilazan'i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin'ny fanoharana,
Ko enei mea katoa i korerotia e Ihu ki te mano, he mea whakarite; a heoi ano ana kupu ki a ratou he kupu whakarite anake:
mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho (Sal. 78. 2).
I rite ai ta te poropiti i korero ai, i mea ai, E puaki i toku mangai nga kupu whakarite; ka korerotia e ahau nga mea i ngaro no te timatanga ra ano o te ao.
Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny tsimparifary tany an-tanimbary.
Katahi ka mahue i a Ihu te mano, ka tomo ia ki te whare: na ka haere mai ana akonga ki a ia, ka mea, Whakaaturia mai ki a matou te kupu i whakaritea ki nga taru i te mara.
Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona;
Na ka whakahoki ia, ka mea ki a ratou, Ko te kairui o te purapura pai ko te Tama a te tangata;
ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy;
Ko te mara ko te ao; ko te purapura pai ko nga tamariki o te rangatiratanga; nga taru ko nga tamariki a te kino;
ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely.
Ko te hoariri i ruia ai ko te rewera; te kotinga ko te mutunga o te ao; nga kaikokoti ko nga anahera.
Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin'ny afo, dia toy izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao.
Na e huihuia ana nga taru, e tahuna ana ki te ahi; ka pera ano i te mutunga o tenei ao.
Ny Zanak'olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin'ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin'izay manao meloka,
Ka tono te Tama a te tangata i ana anahera ki te huihui i roto i tona rangatiratanga i nga mea katoa e tutuki ai te waewae, i nga kaimahi ano i te kino;
dia hanipy azy any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
A ka maka e ratou ki roto ki te oumu ahi; ko te wahi tera o te tangi me te tetea o nga niho.
Ary amin'izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.
Ko reira te hunga tika whiti ai me te ra i te rangatiratanga o to ratou Matua. Ki te whai taringa tetahi hei whakarongo, kia rongo ia.
Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.
He rite ano te rangatiratanga o te rangi ki te taonga i huna ki te mara; no te kitenga a tetahi tangata, na ka huna e ia, a haere ana, he koa hoki nona, na hokona ana ana mea katoa, a hokona ana mai taua mara mana.
Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa;
He rite ano te rangatiratanga o te rangi ki te kaihokohoko, e rapu ana i nga peara papai:
ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
A, no tona kitenga i tetahi peara utu nui, haere ana, hokona ana ana mea katoa, a hokona ana mai taua peara mana.
Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra;
He rite ano te rangatiratanga o te rangi ki te kupenga i tukua ki te moana, a haoa ana he ika o ia ahua, o ia ahua:
ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany.
A, ka ki, ka kumea ki uta, a noho ana, kohikohia ana nga ika papai ki nga kete, ko nga mea kikino ia i akiritia ki waho.
Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina,
Ka pera ano a te mutunga o te ao: ka haere nga anahera, ka wehewehe i te hunga kino i roto i te hunga tika,
dia hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
A ka maka i a ratou ki roto ki te oumu ahi: ko te wahi tera o te tangi, o te tetea o nga niho.
Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny.
Ka mea a Ihu ki a ratou, Kua matau ranei koutou ki enei mea katoa? Ka mea ratou ki a ia, Ae, e te Ariki.
Dia hoy Izy taminy: Koa amin'izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin'ny fanjakan'ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy ela.
Na ka mea ia ki a ratou, Koia te karaipi, i akona ki te rangatiratanga o te rangi, i rite ai ki tetahi rangatira whare e whakaputa mai ana i nga mea hou, i nga mea tawhito, i roto i tana toa.
Ary rehefa vitan'i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy.
A, ka mutu enei kupu whakarite a Ihu, ka haere atu ia i reira.
Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?
A, ka tae ki tona kainga tupu, ka ako i a ratou i roto i to ratou whare karakia, a miharo noa ratou, ka mea, No hea enei whakaaro nui me nga merekara a tenei tangata?
Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran'ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny?
Ehara ianei tenei i te tama a te kamura? He teka ianei ko Meri te ingoa o tona whaea? Ko Hemi hoki ratou ko Hohepa, ko Haimona, ko Hura, ona teina?
Ary ny anabaviny, moa tsy eto amintsika avokoa va izy? Koa avy taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra rehetra izany?
Me ona tuahine, kahore ianei ratou katoa i a tatou nei? No hea ra enei mea katoa a tenei tangata?
Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin'ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.
Heoi ka he ratou ki a ia. Otira ka mea a Ihu ki a ratou, Kei tona kainga, kei tona whare anake te poropiti hapa ai i te honore.
Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo.
A kihai i maha nga merekara i meatia e ia ki reira, i to ratou whakaponokore hoki.