Mark 13

Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!
A, i a ia e haere atu ana i te temepara, ka mea tetahi o ana akonga ki a ia, E te Kaiwhakaako, nana, te tu o nga kohatu, te tu o nga whare!
Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
Na ka whakahoki a Ihu, ka mea ki a ia, Ka kite koe i enei whare nunui? e kore tetahi kohatu e waiho i konei i runga ake i tetahi kohatu, engari ka whakahoroa.
Ary raha nipetraka teo amin'ny tendrombohitra Oliva tandrifin'ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:
A, i a ia e noho ana i runga i Maunga Oriwa i te ritenga atu o te temepara, ka ui puku ki a ia a Pita, a Hemi, a Hoani, a Anaru,
Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?
Korerotia mai ki a matou, ko ahea enei mea, a he aha te tohu ina tata enei mea katoa te rite?
Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
Na ka anga ia, ka korero ki a ratou, Kia tupato kei mamingatia koutou e te tangata:
Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany.
He tokomaha hoki e haere mai i runga i toku ingoa, e mea, Ko ahau ia; a he tokomaha e mamingatia.
Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.
E rongo koutou ki nga pakanga, ki nga hau pakanga, kei ohorere: kua takoto hoki he putanga mo aua mea; taihoa rawa ia te mutunga.
Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan'ny fahoriana.
Ka whakatika hoki tetahi iwi ki tetahi iwi, tetahi rangatiratanga ki tetahi rangatiratanga: a he tini nga wahi e puta ai he ru; ka puta ano hoki he po matekai: ko te timatanga enei o nga mamae.
Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.
Na, kia tupato ki a koutou: ka tukua hoki koutou ki nga runanga; ka whiua koutou i roto i nga whare karakia; a ka whakaturia koutou ki te aroaro o nga kawana, o nga kingi, mo te whakaaro ki ahau, hei mea whakaatu ki a ratou.
Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.
Kua takoto ia te tikanga kia matua kauwhautia te rongopai ki nga tauiwi katoa.
Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.
Ina arahina koutou ki te whakawa, a ka tukua atu, kaua e manukanuka wawe ki ta koutou e korero ai: engari ko te mea e hoatu ki a koutou i taua haora, ko tena ta koutou e korero ai: ehara hoki i te mea ma koutou nga korero, engari ma te Wairua Ta pu.
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.
Na ka tukua te tuakana e te teina ki te mate, te tamaiti hoki e te papa; a ka whakatika nga tamariki ki nga matua, ka mea kia whakamatea.
Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
A ka kinongia koutou e nga tangata katoa, he mea mo toku ingoa: ko te tangata ia e u ana a taea noatia te mutunga, ko ia e ora.
Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.
A, ki te kite koutou i te mea whakarihariha, i te mea whakangaro e tu ana i te wahi e kore e tika, kia matau te kaititiro pukapuka, ko reira me rere te hunga i Huria ki nga maunga:
Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.
Ko te tangata hoki i runga i te whare kaua e heke iho ki roto ki te whare, kaua hoki e tomo ki te tiki i tetahi mea i roto i tona whare:
Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
Kaua ano te tangata i te mara e hoki ki muri, ki te tiki i tona kakahu.
Ary lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany!
Aue te mate mo te hunga e hapu ana, mo nga mea hoki e whangai ana ki te u, i aua ra!
Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina izany.
Ma koutou ia e inoi kei rokohanga koutou e te whati i te hotoke.
Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony.
He whakapawera hoki aua ra, kahore ona rite o te orokohanganga ra ano i hanga nei e te Atua, a mohoa noa nei, kahore hoki he pera a muri ake nei.
Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
Me i kahore hoki aua ra i poroa i waenga e te Ariki, e kore tetahi kikokiko e ora: otira ka whakaaroa te hunga whiriwhiri i whiriwhiria e ia, a poroa ana aua ra i waenga.
Ary amin'izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ ; aza mino ianareo.
Ki te mea tetahi ki a koutou i reira, Na, tenei a te Karaiti; Na, tera: kaua e whakaponohia:
Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.
E whakatika hoki nga Karaiti teka, me nga poropiti teka, ka whakaatu i nga tohu me nga mea whakamiharo, a me i taea, ka mamingatia e ratou te hunga whiriwhiri.
Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.
Kia tupato ra koutou: na, kua korerotia wawetia nei e ahau nga mea katoa ki a koutou.
Fa amin'izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,
Na, i aua ra, i muri iho i taua whakapawera, ka whakapouritia te ra, e kore hoki e titi te atarau.
ary ny kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin'ny lanitra.
Ka taka iho nga whetu o te rangi, ka ngaueue nga mea kaha o nga rangi.
Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra.
Na ko reira kitea ai te Tama a te tangata e haere mai ana i runga i nga kapua, me te kaha nui, me te kororia.
Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra.
Ko reira ano ia tono ai i ana anahera, a ka huihuia ana i whiriwhiri ai i nga hau e wha, i te pito o te whenua tae noa ki te pito o te rangi.
Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
Na kia akona koutou e te piki ki tetahi kupu whakarite: I tona manga e ngawari ana, e puta ana hoki nga rau, ka mohio koutou ka tata te raumati:
Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy.
Waihoki ko koutou, ina kite i enei mea e pauta mai ana, ka matau ka tata ia, kei nga kuwaha.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany.
He pono taku e mea nei ki a koutou, E kore tenei whakatupuranga e pahemo, kia puta ra ano enei mea katoa.
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
Ko te rangi me te whenua e pahemo: ko aku kupu ia e kore e pahemo.
Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
Otiia kahore tetahi tangata e matau ki taua ra, ki taua haora, kahore nga anahera o te rangi, kahore te Tama, ko te Matua anake.
Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana.
Kia tupato, kia mataara, me te inoi ano: kahore hoki koutou e matau ki te wa, ko a hea ranei.
Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;
Ka rite hoki ki te tangata e haere ana ki tawhiti, mahue iho i a ia tona whare, a tukua iho e ia nga tikanga ki ana pononga, tana mahi ma tetahi, ma tetahi, ka whakahau iho hoki ki te kaitiaki tatau kia mataara.
Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
Ae ra, kia mataara: kahore hoki koutou e matau ki te wa e haere mai ai te rangatira o te whare, ko te ahiahi, ko waenganui po ranei, ko te tangihanga o te heihei, ko te atatu ranei:
fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.
Kei puta whakarere mai, ka rokohanga koutou e ia e moe ana.
Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra
Na, ko taku ka mea atu nei ki a koutou, e meatia ana ano ki te katoa, Kia mataara.