Luke 7

Ary rehefa vitan'i Jesosy teo anatrehan'ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy.
A, no ka mutu enei kupu katoa ana, me te whakarongo ano te iwi, ka tomo ia ki Kaperenauma.
Ary ny mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.
Na e mate ana te pononga a tetahi keneturio, meake marere, ko tana hoki i matenui ai.
Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.
A, no tona rongonga i a Ihu, ka tono mai ki a ia etahi kaumatua o nga Hurai, hei mea ki a ia kia haere ki te whakaora i tana pononga.
Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy,
A, i to ratou taenga ki a Ihu, he kaha ta ratou inoi, ka mea, he pai te tangata e meatia ai tenei e koe:
satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.
E aroha ana hoki ia ki to tatou iwi, nana hoki i hanga te whare karakia mo matou.
Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho.
Na haere tahi ana a Ihu me ratou. A, i a ia kahore nei i matara i te whare, ka tono te keneturio i etahi hoa ki a ia, ka mea ki a ia, E te Ariki, kei maumau ngenge noa koe: ehara hoki ahau i te tikanga tangata e haere ake ai koe ki raro i toku tu anui:
Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
Koia te tae ai toku aro ki te haere atu ki a koe: engari kia puaki mai tau kupu, a ka ora taku pononga.
Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.
He tangata hoki ahau e whakahaua ana, he hoia ano aku hei whakahaunga maku, na ka mea ahau ki tenei, Haere, a ka haere; ki tetahi atu hoki, Haere mai, a ka haere mai; ki taku pononga ano hoki, Meatia tenei, a ka meatia e ia.
Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza.
A, i te rongongo o Ihu ki enei mea, ka miharo ki a ia, ka tahuri, ka mea ki te mano e aru ana i a ia, Ko taku kupu tenei ki a koutou, kahore ano ahau i kite i te whakapono hei rite mo tenei te nui, ahakoa i roto i a Iharaira.
Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.
A, rokohanga atu e te hunga i tonoa, i to ratou hokinga atu ki te whare, kua ora te pononga ra.
Ary taoriana kelin'izany Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka.
Na i muri tata iho ka haere ia ki tetahi pa, ko Naina te ingoa: a i haere tahi ana akonga me ia, he rahi hoki te hui.
Ary rehefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin'ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan'ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.
A, ka whakatata ia ki te kuwaha o te pa, na, he tupapaku tera e kauhoatia ana mai, he huatahi na tona whaea, a he poutaru tera: he tokomaha o te pa e haere tahi ana me ia.
Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.
A, i te kitenga o te Ariki i a ia, ka aroha ki a ia, ka mea ki a ia, Kaua e tangi.
Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.
Na ka whakatata ia, ka pa ki te kauhoa: a tu tonu nga kaikauhoa. Na ko tana meatanga, E tama, ko taku kupu tenei ki a koe, E ara.
Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.
Na ka noho te tupapaku ki runga, ka anga ka korero. A hoatu ana ia e ia ki tona whaea.
Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.
Na ka tau te wehi ki a ratou katoa: ka whakakororia i te Atua, ka mea, Kua puta ake i roto i a tatou he poropiti nui; A, kua titiro mai hoki te Atua ki tana iwi.
Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazan'i Jesosy ny amin'izany zavatra izany.
Na haere ana tenei korero mona puta noa i huria, i nga wahi patata katoa ano hoki.
Ary ny mpianatr'i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy.
A ka korerotia enei mea katoa ki a Hoani e ana akonga.
Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
Na ka karangatia e Hoani etahi o ana akonga tokorua, ka tonoa ki te Ariki, mea ai, Ko koe ranei tera e haere mai ana? me tatari ranei tatou ki tetahi atu?
Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankatỳ aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
A, no te taenga mai o aua tangata ki a ia, ka mea, Kua tonoa mai maua e Hoani Kaiiriiri ki a koe, mea ai, Ko koe ranei tera e haere mai ana? me tatari ranei tatou ki tetahi atu?
Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.
I taua wa pu ano he tokomaha te hunga i whakaorangia e ia i nga turorotanga, i nga mate, i nga wairua kino; he tokomaha nga matapo i meinga kia kite.
Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
A ka whakahoki ia, ka mea ki a raua, Haere korerotia ki a Hoani nga mea e kite nei, e rongo nei korua; ko nga matapo e titiro ana, ko nga kopa e haereere ana, ko nga repera kua ma, ko nga turi e rongo ana, ko nga tupapaku e whakaarahia ana, e ka uwhautia ana te rongopai ki te hunga rawakore;
Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
Na ka koa te tangata e kore e he ki ahau.
Ary rehefa lasa ny irak'i Jaona, dia nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?
A, no te rironga atu o nga karere a Hoani, ka timata ia ki te korero ki te mano mo Hoani, I haere atu koutou ki te koraha kia kite i te aha? I te kakaho e whakangaueuetia ana e te hau?
Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon'ny mpanjaka.
Ano ra, i haere koutou kia kite i te aha? I te tangata he kakahu maeneene ona? Na, kei nga whare kingi te hunga i nga kakahu whakapaipai, i nga kai papai.
Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
Ano ra, i haere koutou kia kite i te aha? I te poropiti? Ae ra, ko taku kupu tenei ki a koutou, tera atu i te poropiti.
Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).
Mona te mea kua tuhituhia nei, Na, ka tonoa e ahau taku karere ki mua i tou aroaro, mana e whakapai tou huarahi i mua i a koe.
Lazaiko aminareo: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia lehibe noho izy.
Ko taku kupu hoki tenei ki a koutou, Kahore he poropiti nui atu i a Hoani Kaiiriiri i roto i nga whanau a te wahine; heoi rahi ake i a ia te nohinohi rawa o te rangatiratanga o te Atua.
Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an'Andriamanitra, satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona izy.
Na, i to ratou rongonga ai, whakatikaia ana ta te Atua e te hunga katoa i rongo, e nga pupirikana ano, i iriiria hoki ratou ki te iriiri a Hoani.
Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan'Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon'i Jaona batisa izy.
Ko nga Parihi ia ratou ko nga kaiwhakaako o te ture i whakakahore i ta te Atua whakaaro ki a ratou, kihai nei ratou i iriiria e ia.
Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin'ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?
Me whakarite e ahau nga tangata o tenei whakapaparanga ki te aha? he rite ratou ki te aha?
Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo.
He rite ki nga tamariki e noho ana i te kainga hokohoko, e karanga ana ki a ratou ano, e mea ana, Whakatangi noa matou i te putorino ki a koutou, a kahore koutou i kanikani; aue noa matou ki a koutou, na, kahore koutou i tangi.
Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy.
I haere mai hoki a Hoani Kaiiriiri, kihai i kai taro, kihai i inu waina; heoi ka mea koutou, he rewera tona.
Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota.
I haere mai te Tama a te tangata me te kai, me te inu; a ka mea koutou, Na, he tangata kakai, he tangata inu waina, he hoa no nga pupirikana, no nga tangata hara!
Fa ny fahendrena dia hamarinin'ny zanany rehetra.
Otira e whakatikaia ana te whakaaro nui e ana tamariki katoa.
Ary ny Fariseo anankiray nanasa an'i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon'ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana.
Na ka mea tetahi o nga Parihi ki a ia kia kai tahi raua. A ka tomo ia ki te whare o te Parihi, ka noho.
Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon'ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;
Na tera tetahi wahine hara o te pa ka mohio, kei te whare o te Parihi ia e noho ana; na ka kawea mai e ia tetahi pouaka kohatu, he hinu i roto,
ary nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin'ny ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin'ny menaka manitra,
A tu tangi ana i muri i ona waewae, ka anga ka whakamakuku i ona waewae ki ona roimata, ka muru ki nga makawe o tona matenga, ka kihi i ona waewae, ka whakawahi ki te hinu kakara.
Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.
Na, i te kitenga o te Parihi nana ra ia i karanga, ka korero i roto i a ia, ka mea, Me he poropiti tenei, kua matau ia ki te wahine e pa nei ki a ia, tona peheatanga: he wahine hara hoki.
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô.
Na ka korero a Ihu, ka mea ki a ia, E Haimona, he kupu taku ki a koe. Ka mea ia, Korero, e te Kaiwhakaako.
Nisy roa lahy nananan'ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.
Na, tokorua nga tangata i a raua te moni a tetahi kaituku moni: e rima rau nga pene i tetahi, e rima tekau i tetahi.
Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin'ireo no ho tia azy indrindra?
I te kore nga mea a raua hei whakautu, whakarerea noatia ana e ia ki a raua: tena, ko wai o raua e tino nui tona aroha ki a ia?
Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.
Na ka whakahoki a Haimona, ka mea, Ki toku whakaaro, ko te tangata nana te mea nui i whakarerea noatia atu. Na ko tana meatanga ki a ia, Tika rawa tau.
Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin'ny ranomasony, dia namaoka azy tamin'ny volon-dohany.
Na ka tahuri ia ki te wahine, ka mea ki a Haimona, E kite ana koe i tenei wahine? I haere mai ahau ki roto ki tou whare, kahore i homai e koe he wai mo oku waewae; nana ia i whakamakuku oku waewae ki ona roimata, a murua iho ki nga makawe o tona matenga.
Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr'izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.
Kihai koe i kihi i ahau: tena ko ia, mai o toku taenga mai, kahore ano i tamutu te kihi o oku waewae.
Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.
Kihai ko i whakawahi i toku matenga ki te hinu; nana ia oku waewae i whakawahi ki te hinu.
Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana.
Koia ahau ka mea nei ki a koe, Kua murua ona tini hara; he nui hoki tona aroha; ko te tangata ia he iti nga mea i murua, ka iti ano tona aroha.
Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao.
A ka mea ia ki a ia, Kua murua ou hara.
Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka?
Na ka anga ona hoa noho ka korero ki a ratou ano, Ko wai tenei, muru rawa hoki i nga hara?
Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.
Na ko tana meatanga ki te wahine, Na tou whakapono koe i ora ai; haere marie.