Leviticus 9

Ary tamin'ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an'i Arona sy ny zanany ary ny loholon'ny Isiraely.
A i te waru o nga ra ka karangatia e Mohi a Arona ratou ko ana tama, ko nga kaumatua o Iharaira;
Dia hoy izy tamin'i Arona: Makà ombilahy kely ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan'i Jehovah.
A ka mea ia ki a Arona, Tikina tetahi kuao kau mau, hei whakahere hara, me tetahi hipi toa hei tahunga tinana, hei te mea kohakore, ka whakahere ai ki te aroaro o Ihowa.
Ary ny Zanak'Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak'ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana,
A me korero koe ki nga tama a Iharaira, me ki atu, Tikina he koati toa ma koutou hei whakahere hara; me tetahi kuao kau, me tetahi reme, hei te tautahi, hei te mea kohakore, hei tahunga tinana;
ary omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan'i Jehovah, ary fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan'i Jehovah aminareo.
Me tetahi puru, me tetahi hipi toa hei whakahere mo te pai, hei patunga tapu ki te aroaro o Ihowa; me tetahi whakahere totokore, hei te mea konatu ki te hinu: ko aianei hoki a Ihowa puta mai ai ki a koutou.
Dia nitondra izay nandidian'i Mosesy azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan'i Jehovah.
Na ka kawea e ratou ta Mohi i whakahau ai ki te roro o te tapenakara o te whakaminenga; a ka whakatata katoa te whakaminenga, ka tu hoki ki te aroaro o Ihowa.
Ary hoy Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian'i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho aminareo ny voninahitr'i Jehovah.
Na ka mea a Mohi, Ko te mea tenei i whakahaua mai nei e Ihowa kia meatia e koutou: a ka puta mai te kororia o Ihowa ki a koutou.
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an'ny tenanao sy ho an'ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian'i Jehovah.
A ka mea a Mohi ki a Arona, Whakatata ki te aata, mahia tau whakahere hara, me tau tahunga tinana, ka whakamarie ai mou, mo te iwi hoki: ka whakahere atu ai hoki i te whakahere a te iwi, ka whakamarie ai mo ratou, ko ta Ihowa hoki i whakahau ai.
Dia nanatona ny alitara Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an'ny tenany.
Na ka hae a Arona ki te aata, a patua ana e ia te kuao kau, te whakahere hara, te mea hoki mona.
Ary nentin'ny zanak'i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin'ny rà Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin'ny alitara;
A ka kawea e nga tama a Arona te toto ki a ia: a ka toua e ia tona maihao ki te toto, a pania ana ki nga haona o te aata, ringihia ana hoki te toto e ia ki te turanga o te aata:
fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin'ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara, araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy;
Ko te ngako ia, me nga whatukuhu, me te taupa i te ate o te whakahere hara, i tahuna e ia ki runga ki te aata; ko ta Ihowa i whakahau ai ki a Mohi.
ary ny hena sy ny hoditra dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby.
A ko te kikokiko hoki, me te hiako, I tahuna e ia ki te ahi i waho o te puni.
Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.
A patua ana e ia te tahunga tinana; a ka homai e nga tama a Arona te toto ki a ia, a, tauhiuhia ana e ia ki te aata a tawhio noa.
Ary ny fanatitra dorana mbamin'ny lohany dia natolotr'ireo azy tsirairay araka ny nandrasàna azy ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara.
Na ka homai e ratou te tahunga tinana ki a ia, tena tapahanga, tena tapahanga, me te pane; a tahuna ana e ia ki runga ki te aata.
Ary nanasa ny taovany sy ny tongony izy, dia nandoro ireo ho fofona niaraka tamin'ny fanatitra dorana teo ambonin'ny alitara.
A i horoia ano e ia nga whekau me nga waewae, a tahuna ana ki runga ki te tahunga tinana ki runga ki te aata.
Dia nentiny nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an'ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho ny ota, tahaka ilay anankiray teo.
I kawea ano e ia te whakahere a te iwi, a ka mau ki te koati, ki te whakahere hara mo te iwi, a patua ana e ia, whakaherea ana hoki mo te hara; i peratia ano me te tuatahi.
Dia nanatitra ny fanatitra dorana izy ka nanao azy araka ny fanao.
I kawea ano e ia te tahunga tinana, a mahia ana e ia, peratia ana i to te tikanga.
Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana maraina.
I kawea ano e ia te whakahere totokore, a aohia ana tetahi wahi e ia, ki tonu te ringa, a tahuna ana ki runga ki te aata, hei tapiri mo te tahunga tinana o te ata.
Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak'i Arona nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.
I patua ano hoki e ia te puru, me te hipi toa, hei patunga mo te pai mo te iwi: a ka homai e nga tama a Arona te toto ki a ia, a tauhiuhia ana e ia ki te aata a tawhio noa,
Ary natolony azy koa ny saboran'ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin'ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,
Me te ngako o te puru; a o te hipi toa, ko te hiawero momona, me te whiwhiwhiwhi o nga whekau, me nga whatukuhu, me te taupa i te ate:
dia napetrany teo ambonin'ny tratran'ireo ny saborany, ary nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara izany;
A i maka iho e ratou nga ngako ki runga ki nga uma, a tahuna ana e ia nga ngako ki runga ki te aata:
fa ny tratrany sy ny sorony ankavanana kosa dia nahevahevan'i Arona ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidian'i Mosesy.
I poipoia ano e Arona nga uma me te huha matau hei whakahere poipoi ki te aroaro o Ihowa; i peratia ano me ta Mohi i whakahau ai.
Ary Arona nanandratra ny tànany manandrify ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy, rehefa avy nanatitra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana.
Katahi ka whakarewaina atu e Arona ona ringa ki te iwi, a manaakitia iho ratou e ia; na ka heke iho ia i te meatanga i te whakahere hara, i te tahunga tinana, i nga whakahere mo te pai.
Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr'i Jehovah niseho tamin'ny olona rehetra.
Na ka haere a Mohi raua ko Arona ki roto ki te tapenakara o te whakaminenga, a ka puta mai ano, ka manaaki hoki i te iwi: na, ka puta mai te kororia o Ihowa ki te iwi katoa.
Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin'ny alitara; ary nony hitan'ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.
I puta mai ano he ahi i te aroaro o Ihowa, a pau ake te tahunga tinana, me nga ngako, i runga i te aata: a, no te kitenga o te iwi katoa, ka hamama ratou, a kupapa ana ki raro.