Leviticus 5

Ary raha misy manota, satria mandre ny feon'ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany,
Ki te hara tetahi, mona i rongo ki te reo whakaoati, he kaiwhakaatu nei ia mo tana i kite ai, i mohio ai ranei, ki te kahore e whakaaturia e ia, na me waha e ia tona hara:
na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin'ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin'ny biby fiompy izay tsy madio, na ny fatin'ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany,
Ki te pa tetahi ki te mea poki, ki te tinana ranei o te kirehe poke, ki te tinana ranei o te kararehe poki, ki te tinana ranei o nga mea ngoki, ara o nga mea poki, a e huna ana i a ia, a ka poki ia, na ka whai hara ia.
na misy mikasika ny fahalotoan'olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy,
Ki te pa ranei ia ki te poki tangata, ki nga tini poke e poke ai te tangata, a ka huna i a ia; ina mohiotia e ia, ka whai hara ia:
na misy mianiana ka miteniteny foana amin'ny molotra hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin'ny olona foana ka asiany fianianana, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany, ka meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy:
Ki te oati ranei tetahi, he mea puta ohorere i ona ngutu, kia mahi i te kino, i te pai ranei, i nga tini mea ranei e puaki ohorere mai i te tangata ina oati, a e huna ana i a ia; ina mohiotia e ia, na, ka whai hara ia i tetahi o enei mea:
koa raha meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany,
A ki te mea kua whai hara ia i tetahi o enei mea, na me whaki tona hara i taua mea;
ary hitondra ny saziny ho an'i Jehovah noho ny fahotany izay nataony izy, dia ondrivavy na osivavy, nefa izay vantony, ho fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany.
A me kawe e ia tana whakahere mo te he ki a Ihowa, mo tona hara i hara ai, he uha no te kahui, he reme, he kuao koati ranei, hei whakahere hara; a ma te tohunga e whakamarie mona, mo tona hara.
Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an'i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana.
A, ki te kahore e taea e ia i ona rawa he reme, me kawe e ia ki a Ihowa mo tona he i he ai, kia rua nga kukupa, kia rua ranei nga pi kukupa; ko tetahi hei whakahere hara, ko tetahi hei tahunga tinana.
Dia hitondra ireo ho eo amin'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha ho fanatitra noho ny ota, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany ho afaka amin'ny vozony, fa tsy hohenteriny izy.
Me kawe raua e ia ki te tohunga, ka whakahere ai e ia, ko te mea mo te whakahere hara ki mua, ka kikini ai i tona pane i te ritenga o tona kaki, otiia kaua e motuhia rawatia.
Ary hamafazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ran'ny fanatitra noho ny ota; ary ny rà sisa hofiazany eo ambodin'ny alitara; dia fanatitra noho ny ota izany.
Na ka tauhiuhi ai ia i tetahi wahi o nga toto o te whakahere hara ki te taha o te aata; ka whakate ai i te toenga o te toto ki te turanga o te aata: he whakahere hara tena.
Ary ny iray kosa dia hataony fanatitra dorana, araka ny fanao; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
A ko te rua me tuku hei tahunga tinana, kia rite ki te tikanga: a ka whakamarie to tohunga mona, mo tona hara i hara ai, a ka murua.
Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany.
A, ki te kahore e taea e ia i ona rawa te kawe nga kukupa e rua, nga pi kukupa ranei e rua, na me kawe tana whakahere e te tangata i hara, te whakatekau epa paraoa, hei whakahere hara; kaua e meatia ki te hinu, kaua ano e meatia he parakihe ki r unga: he whakahere hara hoki.
Dia hitondra azy ho eo amin'ny mpisorona izy, ary handraofan'ny mpisorona eran-tànan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
Na me kawe e ia ki te tohunga, a ka aohia ake e te tohunga, kia ki tona ringa, he whakamahara no taua mea, ka tahu ai ki runga ki te aata, ki runga ki nga whakahere ahi ki a Ihowa: he whakahere hara tena.
Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin'ny anankiray amin'ireo, dia havela ny helony; ary ho an'ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina.
A ka whakamarie te tohunga mona, mo tona hara i hara ai ki tetahi o enei mea, a ka murua: a ma te tohunga te toenga, ano he whakahere totokore.
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
I korero ano a Ihowa ki a Mohi, i mea,
Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin'ny zava-masin'i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masina, ho fanati-panonerana.
Ki te kino te mahi a tetahi, he hara pohehe, ki nga mea tapu a Ihowa; na, me kawe e ia tana whakahere mo te he ki a Ihowa, kia kotahi hipi toa, hei te mea kohakore, no te kahui hipi, me whakarite ano e koe ona utu ki te hekere hiriwa, hekere o t e wahi tapu, hei whakahere mo te he:
Ary izay efa nanotany ny amin'ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony.
Ka utu ai i tona hara ki te mea tapu, me tapiri ano ki te wahi whakarima, ka homai ki te tohunga: a ka whakamarie te tohunga mona ki te hipi toa e whakaherea ana mo te he, a ka murua tona.
Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy,
A ki te hara tetahi, ki te poka ke i tetahi o nga whakahau a Ihowa, he mahi poka noa; ahakoa e kore e mohiotia e ia, kua hara ia, a ka waha ia i tona kino.
dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony;
A me kawe e ia he hipi toa ki te tohunga, he kohakore, no te kahui, kei tau te utu, hei whakahere mo te he: a ka whakamarie te tohunga mona, mo tona pohehe i pohehe ai ia, a kihai nei i matau, a ka murua tona he.
dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin'i Jehovah tokoa izy. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin'i Jehovah, fa mandainga amin'ny namany ny amin'izay nampitehirizina azy, na amin'ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin'izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany, na nahita izay zavatra very ka mandainga amin'izany sady mianian-tsy tò ny amin'izay mety ho fahotan'ny olona, satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin'ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany, na izay rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin'ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany. Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an'i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.
He whakahere tena mo te he: he pono tona he ki a Ihowa.