Leviticus 14

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
A i korero a Ihowa ki a Mohi, i mea,
Izao no lalàna ny amin'ny boka amin'ny andro fanavotana azy: ho entina any amin'ny mpisorona izy;
Ko te ture tenei mo te repera, i te ra e purea ai; me kawe ki te tohunga;
dia hivoaka eny ivelan'ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin'ny habokany ny boka,
A ka haere te tohunga ki waho o te puni, a ka titiro te tohunga, a ki te mea kua ora te repera i pa ki taua tangata i reperatia;
dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain'ny mpisorona ho an'ilay hodiovina;
Katahi ka whakahau te tohunga kia tikina ma te tangata e purea ana kia rua nga manu, hei nga mea ora, hei nga mea pokekore, me te rakau hita, me te ngangana, me te hihopa:
Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha;
A ka whakahau te tohunga kia patua tetahi o nga manu ki roto ki tetahi oko oneone, ki runga i te wai rere:
Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin'ny vorona velona eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina teo ambonin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha.
Na ko te manu ora me mau e ia, me te rakau hita, me te ngangana, me te hihopa, a ka toua tahitia me te manu ora ki te toto o te manu i patua ki runga i te wai rere:
Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin'ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.
A kia whitu ana tauhiuhinga ki te tangata e purea ana i te repera, a ka kiia he pokekore, a ka tukua atu te manu ora ki te mata o te parae.
Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan'ny lainy hafitoana.
A me horoi ona kakahu e te tangata e purea ana, me heu katoa hoki ona huruhuru; ka horoi ano i a ia ki te wai, a ka kore ona poke: a, muri iho, ka haere mai ki te puni; otiia kia whitu nga ra e noho ai i waho i tona teneti.
Ary amin'ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy.
Na, i te whitu o nga ra, me heu katoa ona makawe o tona matenga, tona pahau, ona tukemata, ara ona huruhuru katoa, me heu; me horoi hoki ona kakahu, me horoi ano hoki ona kikokiko ki te wai, a ka kore ona poke.
Ary amin'ny andro fahavalo dia haka zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak'ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.
A i te waru o nga ra me tiki e ia etahi reme toa, kia rua, hei nga mea kohakore, me tetahi reme uha tau tahi, hei te mea kohakore, kia toru hoki nga whakatekau paraoa hei whakahere totokore, hei te mea konatu ki te hinu, kia kotahi hoki te roko hinu.
Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
A ma te tohunga, ma te kaipure, e whakatu te tangata e purea ana, me aua mea hoki, ki te aroaro o Ihowa, ki te whatitoka o te tapenakara o te whakaminenga:
dia haka ny zanak'ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin'ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
Na ka mau te tohunga ki tetahi o nga reme toa, a ka whakaherea hei whakahere mo te he, me te roko hinu hoki, a ka poipoia hei whakahere poipoi ki te aroaro o Ihowa:
Ary hamono ny zanak'ondrilahy eo amin'ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin'ny fitoerana masina; fa ho an'ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masina dia masina izany.
Me patu ano e ia te reme toa ki te wahi e patua ai e ia te whakahere hara me te tahunga tinana, ki te wahi tapu: i te mea ma te tohunga te whakahere hara, mana ano hoki te whakahere mo te he: he mea tino tapu tena:
Dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana,
Na ka mau te tohunga ki tetahi wahi o te toto o te whakahere mo te he, a ka pania e te tohunga ki te matamata o te taringa matau o te tangata e purea ana, ki te koromatua hoki o tona ringa matau, ki te koromatua ano hoki o tona waewae matau:
ary ny diloilo iray loga dia hangalan'ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia;
Na ka mau te tohunga ki tetahi wahi o te roko hinu, ka riringi ki te kapu o tona ake ringa maui:
dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin'ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah.
A ka toua e te tohunga tona maihao matau ki te hinu i tona ringa maui, a kia whitu nga tauhiuhinga i te hinu e tona maihao, ki te aroaro o Ihowa:
ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan'ny mpisorona ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
A me pani e te tohunga tetahi wahi o te toenga o te hinu i tona ringa ki te matamata o te taringa matau o te tangata e purea ana, ki te koromatua hoki o tona ringa matau, ki te koromatua ano hoki o tona waewae matau, ki runga i te toto o te whak ahere mo te he:
ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona.
A, ko te toenga o te hinu i te ringa o te tohunga, me riringi ki te matenga o te tangata e purea ana: a ka whakamarie te tohunga mona ki te aroaro o Ihowa.
Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina hahafahany amin'ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy;
A ka whakaherea e te tohunga te whakahere hara, ka whakamarie hoki mo te tangata e purea ana, ara mo tona poke; a, muri iho, ka patua e ia te tahunga tinana:
ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin'ny alitara ka hanao fanavotana ho an'ilay olona hodiovina, dia hadio izy.
A ka whakaekea te tahunga tinana me te whakahere totokore e te tohunga ki te aata: a ka whakamarie te tohunga mona, a ka kore ona poke.
Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak'ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga
A, ki te mea he rawakore ia, a e kore ena mea e taea, na me tiki e ia kia kotahi reme toa hei whakahere mo te he, hei mea poipoi, hei whakamarie mona, kia kotahi ano hoki te whakatekau paraoa, hei te mea i konatunatua ki te hinu, hei whakahere t otokore, me tetahi roko hinu:
ary domohina roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana.
Me etahi kukupa kia rua, etahi pi kukupa ranei kia rua, nga mea e taea e tona ringa; ko tetahi hei whakahere hara, ko tetahi hei tahunga tinana;
Dia ho eniny any amin'ny mpisorona ireo amin'ny andro fahavalon'ny fanadiovana azy, ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah.
A hei te waru o nga ra ka kawe ai ki te tohunga hei purenga mona, ki te whatitoka o te tapenakara o te whakaminenga, ki te aroaro o Ihowa.
Dia horaisin'ny mpisorona ny zanak'ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
Na ka mau te tohunga ki te reme mo te whakahere mo te he, me te roko hinu, a ka poipoia e te tohunga hei whakahere poipoi ki te aroaro o Ihowa.
Dia hovonoina ny zanak'ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana;
A ka patua e ia te reme e whakaherea ana mo te he, a ka tango te tohunga i tetahi wahi o te toto o te whakahere mo te he, ka pani ai ki te matamata o te taringa matau o te tangata e purea ana, ki te koromatua hoki o tona ringa matau, ki te korom atua ano hoki o tona waewae matau:
ary hangalan'ny mpisorona ny diloilo ka haidiny eo ampela-tànany ankavia;
A me riringi e te tohunga tetahi wahi o te hinu ki te kapu o tona ake ringa maui:
dia hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo ampela-tànany ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah;
A ka tauhiuhia e te tohunga ki tona maihao matau tetahi wahi o te hinu i tona ringa maui, kia whitu nga meatanga ki te aroaro o Ihowa:
dia hotentenan'ny mpisorona amin'ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
A ka pania e te tohunga tetahi wahi o te hinu i tona ringa ki te matamata o te taringa matau o te tangata e purea ana, ki te koromatua hoki o tona ringa matau, ki te koromatua ano hoki o tona waewae matau, ki te wahi i te toto o te whakahere mo te he:
ary ny diloilo sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
A, ko te toenga o te hinu i te ringa o te tohunga, me riringi ki te matenga o te tangata e purea ana, hei whakamarie mona ki te aroaro o Ihowa.
Dia hateriny koa ny domohina anankiray, na ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry ny ananany,
A me whakahere tetahi o nga kukupa, o nga pi kukupa ranei, o nga mea hoki i taea e tona ringa;
dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin'ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina eo anatrehan'i Jehovah.
Ae ra, o nga mea i taea e tona ringa, ko tetahi hei whakahere hara, ko tetahi hei tahunga tinana, me te whakahere totokore hoki: a ka whakamarie te tohunga mo te tangata e purea ana, ki te aroaro o Ihowa.
Izany no lalàna ny amin'ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy.
Ko te ture tenei mo te tangata i pangia e te repera, e kore nei e taea e tona ringa nga mea mo tona purenga.
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
I korero ano a Ihowa ki a Mohi raua ko Arona, i mea,
Rehefa tonga any amin'ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin'ny tany fanananareo,
E tae koutou ki te whenua o Kanaana e hoatu nei e ahau hei kainga tupu mo koutou, a ka whakapangia atu e ahau te repera ki tetahi whare o te whenua e nohoia e koutou;
dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin'ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin'ny tranoko.
A ka haere te tangata nona te whare, ka korero ki te tohunga, ka mea, Ki taku titiro, me te mea kua pangia te whare:
Dia hasain'ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan'ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano;
Na ka whakahau te tohunga kia whakawateatia te whare, i te mea kahore ano te tohunga i haere noa kia kite i te mea i pa mai; kei poke nga mea katoa o roto o te whare; a ka oti, ka haere te tohunga kia kite i te whare:
ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin'ny rindrin'ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin'ny rindrin-trano no fijeriny azy,
Na ka titiro ia ki te mea i pa mai, a ki te mea kua pangia nga tara o te whare, a kua whai koputaputa he mea ma kakariki, puwhero ranei, a ki te titiro atu kua ngoto ki roto ki te tara;
dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana.
Na ka puta te tohunga ki waho o te whare ki te kuwaha o te whare, a ka tutakina te whare, kia whitu nga ra:
Ary hiverina ny mpisorona amin'ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin'ny rindrin'ny trano izy,
A ka haere mai ano te tohunga i te whitu o nga ra, a ka titiro; a ki te mea kua horapa ki nga pakitara o te whare te mea i pa mai:
dia hasain'ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin'izay fitoerana maloto eo ivelan'ny tanàna;
Na, ka whakahau te tohunga kia tangohia nga kohatu i pangia, kia maka ki te wahi poke ki waho o te pa:
dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian'ny olona amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna.
A ka mea ia kia waruhia a roto o te whare a taka noa, a me riringi e ratou te puehu i wariuhia e ratou ki waho o te pa, ki te wahi poke:
Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano.
A ka tikina e ratou etahi atu kohatu, ka whakanoho atu ai ki te wahi o aua kohatu; me tiki ano e ia he moata ke, ka pani ai ki te whare.
Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin'ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano,
A ki te hoki mai te mea i pa mai, a ka tupu ki te whare i muri i tana tangohanga i nga kohatu, i tana waruhanga i te whare, i te paninga hoki;
ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin'ny trano izany, ka dia maloto izy.
Katahi ka haere te tohunga, a ka titiro; a ki te mea kua horapa ki te whare te mea i pa mai, he repera ngau kino to te whare; he poke.
Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna.
Na ka wawahi i te whare, i ona kohatu, i ona rakau, i te moata katoa o te whare: a ka kawea atu ki waho o te pa, ki te wahi poke.
Ary izay miditra ao amin'izany trano izany amin'ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan'ny andro;
Ki te haere hoki tetahi ki roto ki te whare, i te mea e tutaki ana, ka poke ia a ahiahi noa.
ary izay mandry ao dia hanasa ny fitafiany; ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa.
Ki te takoto hoki tetahi ki roto i te whare, me horoi e ia ona kakahu: ki te kai ano hoki tetahi ki roto i te whare, me horoi ano e ia ona kakahu.
Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon'ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa afaka ny aretina.
A ki te haere te tohunga ki roto, a ka titiro, a kihai i horapa ki te whare te mea i pa mai, i muri iho i te paninga o te whare: na ka kiia e te tohunga he pokekore te whare, no te mea kua kore taua mea i pa ra.
Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano.
A ka tikina e ia etahi manu, kia rua, hei horohoro mo te whare, he rakau hita, he ngangana, he hihopa:
Dia hovonoiny eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha ny vorona anankiray;
A ka patua e ia tetahi o nga manu ki roto ki te oko oneone, ki runga i te wai rere.
dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina sy eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito.
Na ka mau ki te rakau hita, ki te hihopa, ki te ngangana, me te manu ora, ka tou ai ki te toto o te manu i patua, ki te wai rere hoki, na kia whitu ana tauhiuhinga ki te whare:
Dia hanadio ny trano amin'ny ran'ny vorona izy sy amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha sy amin'ny vorona velona sy amin'ny hazo sedera sy amin'ny hysopa ary amin'ny jaky.
A ka horohoroa e ia te whare ki te toto o te manu, ki te wai rere hoki, ki te manu ora, ki te rakau hita, ki te hihopa, ki te ngangana:
Fa hasainy ho entina eny ivelan'ny tanàna ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an'ny trano izy, ka dia hadio izany.
Engari me tuku e ia te manu ora ki waho o te pa, ki te mata o te parae; na ka whakamarie mo te whare: a ka kore ona poke.
Izany no lalàna ny amin'ny habokana rehetra sy ny kongonina,
Ko te ture tenei mo nga panga katoa o te repera, mo te patito hoki;
ary amin'ny habokana amin'ny fitafiana sy amin'ny trano,
Mo te repera hoki o te kakahu, o te whare;
ary ny amin'ny mamontsina sy ny manako-pery ary ny mifaritra fotsy mangirana,
Mo te puku, mo te paku, mo te wahi tu a kanapa nei:
hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny amin'ny habokana.
Hei whakaatu ko ahea poke ai, ko ahea pokekore ai: ko te ture tenei mo te repera.