Leviticus 10

Ary Nadaba sy Abiho, zanak'i Arona, samy naka ny fitondran'afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah, izay tsy nandidiany azy.
Na ka mau a Natapa raua ko Apihu, nga tama a Arona, ki a raua tahu kakara, a maka ana he ahi ki roto, a whakatakotoria iho e raua he whakakakara ki runga, na whakaherea ana e raua he ahi ke ki te aroaro o Ihowa, he mea kihai i whakahaua e ia ki a raua.
Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan'i Jehovah izy.
Na ko te putanga mai o te ahi i te aroaro o Ihowa, a pau ake raua, a mate iho raua i te aroaro o Ihowa.
Dia hoy Mosesy tamin'i Arona: Izany dia ilay nolazain'i Jehovah hoe: Amin'izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan'ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
Na ka mea a Mohi ki a Arona, Ko te mea tenei i korero ra a Ihowa, i mea ra, Me whakatapu ahau e te hunga katoa e whakatata mai ana ki ahau, me whakakororia ano hoki ahau ki te aroaro o te iwi katoa. A whakarongo puku ana a Arona.
Ary Mosesy dia nampaka an'i Misaela sy Elzafana, zanak'i Oziela, rahalahin-drain'i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan'ny fitoerana masina ho eny ivelan'ny toby.
Na ka karanga a Mohi ki a Mihaera raua ko Eritapana, nga tama a Utiere matua keke o Arona, ka mea ki a raua, Haere mai, maua atu o korua tuakana i mua i te wahi tapu, ki waho o te puni.
Dia nanatona izy roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny ivelan'ny toby, araka izay efa nolazain'i Mosesy.
Na ka haere raua, ka mau i a raua i roto i o raua koti ki waho o te puni; i pera ano raua me ta Mohi i ki ai.
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak'Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr'i Jehovah.
Na ka mea a Mohi ki a Arona, ratou ko ana tama ko Ereatara, ko Itamara, Kaua nga makawe o o koutou matenga e waiho kia mahora noa, kaua ano hoki e haea o koutou kakahu; kei mate koutou, kei riria hoki te iwi katoa: engari kia tangihia e o koutou teina, e te whare katoa o Iharaira, te tahunga i tahuna nei e Ihowa.
Ary aza miala eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo fanosoran'i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy izy.
Kaua hoki koutou e puta i te whatitoka o te tapenakara o te whakaminenga, kei mate koutou: kei runga hoki i a koutou te hinu whakawahi a Ihowa. Na ka meatia e ratou ta Mohi i korero ai.
Ary Jehovah niteny tamin'i Arona ka nanao hoe:
Na ka korero a Ihowa ki a Arona, ka mea,
Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany),
Kaua e inumia he waina, tetahi wai whakahaurangi ranei, e koutou tahi ko au tama, ina haere ki te tapenakara o te whakaminenga, kei mate koutou: hei tikanga pumau tenei ki o koutou whakatupuranga:
ary mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ary ny madio sy ny tsy madio,
Kia taea ai hoki te wehe, te tapu me te noa, te poke me to pokekore;
ary mba hampianarinareo ny Zanak'Isiraely ny didy rehetra izay nasain'i Jehovah holazain'i Mosesy taminy.
Kia taea ai hoki te whakaako i nga tama a Iharaira ki nga tikanga katoa i korerotia e Ihowa ki a ratou, ara e Mohi.
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin'ny fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Jehovah, ka hano eo anilan'ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masina dia masina izany.
I korero ano a Mohi ki a Arona, ki ana tama ano i ora, ki a Ereatara, ki a Itamara, Tikina te whakahere totokore e toe ana o nga whakahere ahi a Ihowa, ka kai rewenakore ai ki te taha o te aata: he tino tapu hoki:
Ary hano eo amin'izay fitoerana masina izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy.
A me kai ki te wahi tapu, ko taua wahi hoki o nga whakahere ahi a Ihowa mau, ma au tama hoki: ko te mea tena i whakahaua ki ahau.
Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin'izay fitoerana madio, dia ianao mbamin'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin'ny fanati-pihavanana aterin'ny Zanak'Isiraely.
Ko te uma poipoi me te huha hapahapai me kai ki te wahi pokekore, e koe, e koutou tahi ko au tama, ko au tamahine: i whakaritea hoki ena hei wahi mau, hei wahi hoki ma au tama, he mea homai no roto i nga patunga mo te pai a nga tama a Iharaira.
Ny sorony asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin'ny saborany izay fanatitra atao amin'ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka izay nandidian'i Jehovah.
Me kawe tahi mai e ratou te huha hapahapai, te uma poipoi, me te ngako mo nga whakahere ahi, a ka poipoia hei whakahere poipoi ki te aroaro o Ihowa; a ka waiho ma koutou tahi ko au tama; hei tikanga pumau tenei; ko ta Ihowa hoki i whakahau ai.
Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin'ny zanak'i Arona sisa izy, dia tamin'i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy:
Na ka ata rapu a Mohi i te koati o te whakahere hara, na kua tahuna: na ka riri ia ki a Ereatara raua ko Itamara, ki nga tama a Arona i ora, ka mea,
Nahoana no tsy nohaninareo teo amin'ny fitoerana masina ny fanatitra noho ny ota? fa masina dia masina izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
He aha te kainga ai e koutou te whakahere hara ki te wahi tapu, he tino tapu nei hoki, a kua homai ano ma koutou, ma koutou hoki e waha te kino o te whakaminenga, e whakamarie hoki mo ratou ki te aroaro o Ihowa?
Indro, ny ràny tsy nampidirina tao anatin'ny fitoerana masina, koa tokony ho nihinana azy mihitsy teo amin'ny fitoerana masina ianareo, araka izay nandidiako.
Titiro hoki, kahore ano ona toto i kawea ki roto ki te wahi tapu: ko te tikanga kia kainga tena e koutou ki te wahi tapu, ko taku hoki i whakahau ai.
Ary Arona niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan'i Jehovah, ary efa azon'izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason'i Jehovah va izany?
Na ka mea atu a Arona ki a Mohi, Nana, nonaianei i whakaherea ai e ratou ta ratou whakahere hara, me ta ratou tahunga tinana, ki te aroaro o Ihowa; a kua pa mai enei mea ki ahau: a me i kainga te whakahere hara e ahau inaianei, tera ranei e mana kohia mai e Ihowa?
Ary raha ren'i Mosesy izany, dia nankasitrahany.
A ka rongo a Mohi, na ka whakaae.